FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 8:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Taorian’izany, dia tsaroan’Andriamanitra+ i Noa sy ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra niaraka taminy tao amin’ny sambofiara.+ Koa nampandalo rivotra* teny ambonin’ny tany Andriamanitra, dia nanomboka nihena ny rano.+

  • Eksodosy 14:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia natsotran’i Mosesy teo ambonin’ny ranomasina ny tanany.+ Ary rivo-mahery avy any atsinanana, izay nitsoka nandritra ny alina manontolo, no nentin’i Jehovah nampihemotra ny ranomasina. Dia novany ho tany maina ny fanambanin’ny ranomasina,+ ka nisaraka ny rano.+

  • Nomery 11:31
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Ary nisy rivotra+ nitsoka tampoka avy tamin’i Jehovah ka nitondra papelika* avy tany an-dranomasina,+ ary nampilatsaka an’ireny teo ambonin’ny toby. Feno azy ny manodidina ny toby, tokony ho lalana iray andro teo amin’ny andaniny, ary tokony ho lalana iray andro teo amin’ny ankilany, ary tokony ho roa hakiho* miala amin’ny tany.

  • Salamo 107:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Hitan’izy ireo fa rehefa miteny Andriamanitra dia misy rivo-mahery mifofofofo,+

      Ka mampiakatra ny onjan-dranomasina.+

  • Salamo 147:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Mandefa ny teniny izy+ dia mitsonika ireny.

      Ataony mitsoka ny rivotra,+

      Ka mikoriana ny rano.

  • Jona 1:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Ary nampifofofofo rivotra mahery teny an-dranomasina i Jehovah,+ ka nisy tafio-drivotra be+ narahin’oram-baratra teny. Koa nila ho vaky ilay sambo.

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara