FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Hosokafan’i Jehovah ho anao ny fitehirizam-bokatra tsara, dia ny lanitra, mba handatsahany orana amin’ny fotoanany eo amin’ny taninao+ sy mba hitahiany izay rehetra ataon’ny tananao.+ Dia hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy mba hisambotra.+

  • Salamo 135:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Mampiakatra etona avy any amin’ny faran’ny tany izy,+

      Sady manao vavahadin-drano ho an’ny orana,+

      Ary mamoaka ny rivotra avy ao amin’ny trano fitehirizany azy.+

  • Salamo 147:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 Ilay manarona rahona ny lanitra,+

      Ilay manao ny orana ho an’ny tany,+

      Ilay mampitsimoka ahi-maitso+ eny an-tendrombohitra.

  • Isaia 30:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy,+ ary sakafo matavy sy mahavoky no ho vokatry ny tany.+ Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka tsara ny biby fiompinao,+ amin’izany andro izany.

  • Joela 2:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Mifalia sy miravoravoa amin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ry zanak’i Ziona.+ Fa hanome anareo oram-pararano ampy tsara izy,+ ary handatsaka oram-be aminareo, dia oram-pararano sy oran-dohataona, toy ny taloha.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara