FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 29:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Ary raha misy olona mandre izay voalazan’ity fianianana ity,+ ary mikasa handripaka ny tany azon-drano sy ny tany karakaina, sady mirehareha anakampo hoe: ‘Hiadana ihany aho+ na dia hanaraka ny ditran’ny foko+ aza’,

  • Mpitsara 2:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Ary rehefa maty ilay mpitsara, dia niverina tamin’ny ratsy fanaony izy ireo ary nanao mihoatra noho ny razany aza, ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany.+ Tsy niala tamin’ny fanaony sy ny di-dohany izy ireo.+

  • Nehemia 9:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Na dia nampirisika+ azy hiverina hanaraka ny lalànao aza ianao,+ dia mbola sahisahy ratsy+ ihany izy ireo, ka tsy nihaino ny didinao. Nanota izy ireo+ ka nanda ny didim-pitsaranao,+ izay mahavelona ny olona mankatò azy.+ Ary nanao be marenina*+ foana izy ireo, sady nanamafy hatoka+ ka tsy nihaino.+

  • Jeremia 6:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Olona faran’izay mafy loha+ izy rehetra, ary mandehandeha manendrikendrika.+ Toy ny varahina sy vy izy ireo, sady mpanao ratsy daholo.+

  • Jeremia 7:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tsy nihaino anefa izy ireo na nanongilan-tsofina,+ fa nandeha araka izay saim-pantany sy ny ditran’ny fo ratsiny,+ hany ka nihemotra izy ireo fa tsy nandroso,+

  • Jeremia 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 fa nikiribiby nandeha araka ny ditran’ny fony+ sy nanompo an’ireo sarin’i Bala,+ araka izay nampianarin’ny razany azy.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara