12 Horobainy ny harenanao,+ halainy an-keriny ny entam-barotrao,+ harodany ny mandanao, ary horavany ny trano tsara tarehy ao aminao. Hataony any anaty rano ny vato sy ny fanaka hazo ary ny vovoka ao aminao.’
18 “‘“Nozimbazimbainao ny toeranao masina noho ianao nanao fahadisoana maro+ sy nanao ny tsy rariny teo amin’ny raharaham-barotra.+ Hasiako afo mivoaka avy eo aminao, ka ho levon’izany ianao.+ Ary hataoko lasa lavenona eo amin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra mahita anao.+