FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nehemia 13:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Nisy nonina tao an-tanàna koa ny olona avy any Tyro,+ izay nitondra trondro sy entam-barotra+ isan-karazany, ary nivarotra izany tamin’ny taranak’i Joda sy tao Jerosalema tamin’ny sabata.

  • Ezekiela 27:33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 33 Nanome fahafaham-po firenena maro ianao,+ rehefa nivoaka avy eny an-dranomasina+ ny entam-barotrao.+ Ary ianao no nampanan-karena ny mpanjakan’ny tany, satria maro be ny zava-tsarobidinao sy ny entana atakalonao.+

  • Ezekiela 28:5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Ny fahendrena be anananao+ sy ny entam-barotrao+ no nahafahanao nampitombo be ny harenanao,+ ka nirehareha ny fonao noho izany harenanao izany.”’+

  • Ezekiela 28:18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 “‘“Nozimbazimbainao ny toeranao masina noho ianao nanao fahadisoana maro+ sy nanao ny tsy rariny teo amin’ny raharaham-barotra.+ Hasiako afo mivoaka avy eo aminao, ka ho levon’izany ianao.+ Ary hataoko lasa lavenona eo amin’ny tany ianao, eo imason’izay rehetra mahita anao.+

  • Zakaria 9:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary nanangana tovon-tany i Tyro, sady nanangona volafotsy maro be toy ny vovoka, sy volamena be dia be toy ny fotaka eny an-dalana.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara