FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 30:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô”, hoy i Jehovah, “ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.”+

  • Jeremia 46:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 “‘Fa aza matahotra kosa ianao, ry Jakoba mpanompoko ô, ary aza mihorohoro, ry Israely ô!+ Fa hovonjeko avy any an-tany lavitra ianao, ary ny taranakao hovonjeko avy any amin’ny tany nahababo azy.+ Dia hiverina tokoa i Jakoba, ka tsy hisy hanakorontana fa handry feizay, ary tsy hisy hampangovitra azy.+

  • Ezekiela 28:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 “‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompo Fara Tampony: “Rehefa angoniko avy any amin’ireo firenena nanaparitahana azy ny taranak’Israely,+ dia hohamasinina eo amin’izy ireo sy eo imason’ireo firenena aho.+ Honina eo amin’ny taniny tokoa izy ireo,+ dia ilay tany nomeko an’i Jakoba mpanompoko.+

  • Amosa 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hampodiko ny Israely oloko izay babo.+ Dia hanorina ny tanàna rava izy ireo ka honina ao.+ Ary hanao tanimboaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy, sady hanao zaridaina ka hihinana ny vokatra avy aminy.’+

  • Zefania 3:20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 20 Hampodiko ianareo amin’izany fotoana izany, eny, amin’ny fotoana hanangonako anareo. Fa hataoko izay hahatonga anareo hahazo laza tsara sy hitondra fiderana any amin’ny firenena rehetra amin’ny tany, rehefa hampodiko ianareo izay babo, ary ho hitan’ny masonareo izany”, hoy i Jehovah.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara