FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 23:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 “Ento mankao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao.+

      “Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.+

  • Nomery 3:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 fa ahy ny lahimatoa rehetra.+ Tamin’ilay andro namonoako ny lahimatoa rehetra tany Ejipta,+ dia nohamasiniko ho ahy ny lahimatoa rehetra teo amin’ny Israely, na olona na biby.+ Dia ho ahy ireny. Izaho no Jehovah.”

  • Nomery 18:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “Efa nomeko anao izay tsara indrindra amin’ny menaka sy ny divay vaovao ary ny varimbazaha, dia ny voaloham-bokatra+ homeny an’i Jehovah.+

  • Nomery 18:27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Atao ho isan’ny fanomezanareo izany, toy ny voa avy eny am-pamoloana,+ mbamin’ny divay na menaka be dia be avy amin’ny famiazana.

  • Deoteronomia 18:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Omeo azy koa ny voaloham-bokatry ny varimbazahanao, sy ny divainao vaovao, sy ny menakao,+ ary ny santatry ny volonondrinao vao avy nohetezana.

  • 2 Tantara 31:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Nilazan’ny mpanjaka koa ny vahoaka nonina tao Jerosalema mba hanome ny anjaran’ny mpisorona+ sy ny Levita,+ mba hahafahan’izy ireo hanaraka+ tsara ny lalàn’i Jehovah.+

  • 2 Tantara 31:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia hoy i Azaria+ lehiben’ny mpisorona, taranak’i Zadoka:+ “Nanomboka tamin’ny fotoana nitondran’ny olona ny fanomezana+ tao an-tranon’i Jehovah, dia nihinana izy ireo ka voky,+ ary mbola be dia be ny ambim-bava.+ Fa notahin’i Jehovah ny olony,+ ary ireo be dia be ireo ny sisa tavela.”

  • Nehemia 10:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 Nanapa-kevitra koa izahay fa hoentinay any an-tranon’i Jehovah isan-taona, ny voaloham-bokatry ny taninay+ sy ny voaloham-bokatry ny karazan-kazo rehetra.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara