FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Genesisy 2:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Aza ihinananao anefa ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”+

  • Genesisy 17:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary haringana izay lehilahy tsy noforana, eny, haringana tsy ho eo amin’ny fireneny izany olona* izany.+ Efa nivadika tamin’ny fifanekena nataoko izy.”

  • Mpitsara 16:30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Dia hoy i Samsona: “Aoka hiara-maty amin’ny Filistinina aho.”*+ Dia nanezaka mafy niondrika izy, ka nirodana teo amin’ireo andriana mpiray dina sy ny olona rehetra tao anatiny, ilay trano.+ Ary ny maty izay novonoin’i Samsona tamin’ny andro nahafatesany dia be lavitra noho izay novonoiny nandritra ny fahavelomany.+

  • Joba 33:22
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Mihamanatona ny lavaka izy,*+

      Ary ny ainy manatona an’ireo mitady hamono azy.

  • Salamo 78:50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 50 Nanomana lalana ho an’ny fahatezerany izy,+

      Ary tsy niaro azy ireo* tsy ho faty.

      Natolony ho an’ny areti-mandringana koa ny ain’izy ireo.+

  • Isaia 53:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Koa homeko anjara miaraka amin’ny maro izy.+ Hifampizara babo miaraka amin’ireo mahery izy,+ noho izy nanolotra* ny ainy ho amin’ny fahafatesana.+ Ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna izy.+ Nitondra ny fahotan’ny maro koa izy,+ ary mpanelanelana+ eo amin’ireo mpandika lalàna.

  • Asan’ny Apostoly 3:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Koa izay* rehetra tsy mihaino izany Mpaminany izany dia haringana tanteraka tsy ho eo amin’ny vahoaka.’+

  • Romanina 6:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Fa fahafatesana no tambin’ny ota,+ ary fiainana mandrakizay+ amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika+ kosa no fanomezana+ omen’Andriamanitra.

  • Apokalypsy 16:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Ary ny faharoa+ nandraraka ny tao am-biliany ho ao amin’ny ranomasina,+ dia lasa ra+ tahaka ny ran’olona maty ny ranomasina, ka maty ny zavamananaina* rehetra, eny, izay tao an-dranomasina.+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara