17 Haripany ny vokatrao sy ny mofonao.+ Haripany ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy. Haripany ny omby aman’ondrinao. Haripany koa ny voalobokao sy ny aviavinao.+ Dia hopotipotehiny amin’ny sabatra ny tanàna mimanda nitokisanao.”
13 “‘Rehefa tonga ny fiotazana, dia hataoko fongana izy ireo’, hoy i Jehovah.+ ‘Tsy hisy voa azo otazana eo amin’ny voaloboka,+ tsy hisy voa koa ny aviavy, ary halazo ny ravina. Ho lasan’olon-kafa ny zavatra nomeko azy ka handalo eo anilany.’”