7 Niakatra toy ny liona avy tao anaty kirihitra izy,+ ary efa an-dalana ilay handrava an’ireo firenena.+ Nivoaka avy tao amin’izay nisy azy izy mba hahatonga ny taninao higagan’ny olona. Ho rava ny tanànanao ka tsy hisy mponina.+
“Hierona avy ao Ziona i Jehovah,+ ary hanandratra ny feony+ avy ao Jerosalema izy. Hisaona ny kijanan’ny mpiandry ondry, ary ho maina ny tampon’i Karmela.”+