Ho an’ny mpitarika ny Mahalata.+ Maskila nataon’i Davida.
53 Ny adala miteny anakampo hoe:
“Tsy misy izany Jehovah izany.”+
Manao ratsy izy ireo, ary manao zava-maharikoriko tsy araka ny marina.+
Tsy misy manao ny tsara.+
2 Andriamanitra anefa mitazana avy any an-danitra, eny, mitazana ny zanak’olombelona izy,+
Mba hahitana raha misy olona manan-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+
3 Mania izy rehetra, ka ratsy toetra daholo.+
Tsy misy manao ny tsara,+
Na iray akory aza.
4 Tsy mba misy manam-pahalalana ve ny mpanao ratsy,+
No dia mihinana ny oloko toy ny fihinan-kanina?+
Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+
5 Raiki-tahotra mafy izy ireo tamin’izay,+
Nefa tsy nisy tokony hatahorana.+
Fa haparitak’Andriamanitra mihitsy ny taolan’izay mitoby hamely anao.+
Hampitsanga-menatra an’ireny tokoa ianao, fa efa nolavin’i Jehovah ireny.+
6 Hivoaka avy ao Ziona anie ny famonjena lehibe ho an’ny Israely!+
Rehefa ampodin’i Jehovah ireo olony babo,+
Dia aoka hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.+