Salamo
Ho an’ny mpitarika. Hiran’i Davida.
140 Vonjeo tsy ho azon’ny olon-dratsy aho, Jehovah ô!+
Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+
3 Ataon’izy ireo maranitra toy ny an’ny menarana ny lelany.+
Ao ambany molony ny poizin’ny bibilava+ misy tandroka. Sela.
4 Arovy tsy ho azon’ny tanan’ny ratsy fanahy aho, Jehovah ô!+
Ianao anie hiaro ahy amin’ny olona mahery setra,+
Izay mitetika ny hamingana ahy!+
5 Manafina fandrika hahazoana ahy ireo manandra-tena.+
Ary tady maro no apetrany eny amoron-dalana ho harato hamandrihana ahy.+
Mamela-pandrika ho ahy+ izy ireo. Sela.
6 Hoy aho tamin’i Jehovah: “Ianao no Andriamanitro.+
Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino ny fitalahoako, Jehovah ô!”+
7 Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô,+ ilay Mahery mpamonjy ahy,+
Niaro ny lohako ianao tamin’ny fotoanan’ny ady.+
8 Aza tanterahina ny fanirian’ny ratsy fanahy, Jehovah ô!+
Aza avela hahomby ny teti-dratsiny, sao hanandra-tena izy.+ Sela.
10 Enga anie ka hisy vainafo hiraraka eo an-dohany!+
Aoka izy ireo halatsaka ao anaty afo,+ ao anaty lavaka fanangonan-drano, mba tsy ho tafakatra intsony!+