-
Nomery 4:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Rehefa hiainga ny toby, dia tokony ho efa norakofan’i Arona sy ny zanany lahy ny toerana masina+ sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy. Dia hiditra ny taranak’i Kehata ka hilanja an’ireo,+ nefa tsy hikasika an’ilay toerana masina izy ireo sao ho faty.+ Ireo zavatra ireo no andraikitry* ny taranak’i Kehata mifandray amin’ny tranolay fihaonana.
-
-
Nomery 16:39, 40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Nalain’i Eleazara mpisorona àry ny fitondrana afo varahina nentin’ireny olona kilan’ny afo ireny. Dia nokapokapohiny izany ka nataony takelaka manify, dia napetany teo amin’ny alitara, 40 araka izay notenenin’i Jehovah taminy tamin’ny alalan’i Mosesy. Natao hampahatsiahivana ny Israelita izany hoe tsy misy mahazo mandoro emboka manitra eo anatrehan’i Jehovah ny olona tsy nahazo alalana*+ sady tsy anisan’ny taranak’i Arona. Natao hampahatsiahivana ny Israelita koa izany hoe tsy misy olona tokony hanao hoatran’ny nataon’i Kora sy ny mpanohana azy.+
-