FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 8:66
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 66 Nalefany nody ny vahoaka ny ampitson’iny.* Dia nitso-drano ny mpanjaka ny vahoaka, ary samy nandeha nody. Faly sy ravoravo erỳ ny fon’izy ireo, noho ny soa+ rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely vahoakany.

  • Salamo 13:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Hihira ho an’i Jehovah aho, fa be dia be ny valisoa nomeny ahy.*+

  • Salamo 31:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Lehibe tokoa ny hatsaran-toetranao!+

      Tehirizinao ho an’ireo matahotra anao izany,+

      Sady asehonao amin’ireo mialoka aminao, eo anatrehan’ny olona rehetra.+

  • Isaia 63:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Horesahiko ny zavatra ataon’i Jehovah mampiseho hoe be fitiavana sy tsy mivadika izy,

      Ny zavatra ataon’i Jehovah izay mendri-piderana,

      Noho izay rehetra ataon’i Jehovah ho antsika,+

      Dia ny zavatra tsara be dia be nataony ho an’ny taranak’Israely.

      Mamindra fo mantsy izy sady tena be fitiavana sy tsy mivadika.

  • Jeremia 31:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Dia ho avy izy ireo ka hihoby eny amin’ny havoanan’i Ziona.+

      Ary ho miramirana izy ireo noho ny hatsaran-toetran’i* Jehovah,

      Noho ny varimbazaha sy ny divay vaovao+ sy ny menaka,

      Ary noho ny zanaky ny ondry aman’osy sy ny zanak’omby.+

      Ho toy ny tanimboly azon-drano tsara izy ireo,+

      Ka tsy ho reraka intsony mihitsy.”+

Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
Hiala
Hiditra
  • Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara