FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bi12 p. 1867-1870
  • 2D Matoanteny Hebreo Milaza Asa Mitohy na Atao Miandalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 2D Matoanteny Hebreo Milaza Asa Mitohy na Atao Miandalana
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
2D Matoanteny Hebreo Milaza Asa Mitohy na Atao Miandalana

2D Matoanteny Hebreo Milaza Asa Mitohy na Atao Miandalana

Misy endriny roa ny matoanteny hebreo: Ny milaza asa efa vita, sy ny milaza asa mbola tsy vita fa mitohy, na atao miandalana. Ao amin’ny Ge 1:1, dia manondro asa efa vita ilay matoanteny hebreo nadika hoe “namorona.” Midika izany fa efa vita ny famoronana ny lanitra sy tany. Manondro asa mbola tsy vita kosa ilay matoanteny hebreo nadika hoe “nanomboka nitsahatra” ao amin’ny Ge 2:2. Midika izany fa mitohy na atao miandalana ilay izy. (Ampitahao amin’ny He 4:4-7.) Amin’ny teny hebreo àry, dia azo ilazana asa efa natao tamin’ny lasa ny matoanteny milaza asa mbola tsy vita, raha heverina fa mbola tsy vita tanteraka ilay zavatra natao. Matoanteny milaza asa efa vita kosa no ampiasaina, mba hilazana asa hatao amin’ny hoavy, raha heverina ho toy ny efa vita ilay izy. Nampiana teny toy ny hoe “nanomboka”, “koa”, “mbola”, sns., ny matoanteny malagasy, mba handikana ny matoanteny hebreo milaza asa mbola tsy vita.

Nanazava ny tena mampiavaka ny matoanteny hebreo milaza asa mbola tsy vita i James Washington Watts,a ao amin’ilay bokiny hoe Fomba Miavaka Nandikana ny Genesisy (anglisy), Grand Rapids, Michigan (1963). Hoy izy ao amin’ny p. 129, 130: “Izao no tena mampiavaka an’ireo matoanteny hebreo milaza asa mbola tsy vita: Mbola tsy nifarana ilay asa, na mbola tsy vita tanteraka. ... Rehefa ao anatin’ny fehezanteny tsotra ny matoanteny toy izany, dia midika ho asa atao miandalana na asa miverimberina. Mitovy ihany ny firafitry ny matoanteny ampiasaina amin’ireo, ka ny teny manodidina no anavahana hoe miandalana ve ilay izy sa miverimberina.

“Milaza zavatra miandalana ilay matoanteny, raha asa atao indray mandeha no resahin’ny teny manodidina. Tsy ampy àry ny hevitry ny matoanteny anglisy [na malagasy] ka mila ampiana teny toy ny hoe ‘manomboka’ na ‘tsikelikely’, raha hitan’ilay mpandika teny fa izay no mamoaka tsara an’ilay hevitra. Ahoana raha haingana ny fitrangan’ilay tantara, ary ny filaharan’ireo zava-mitranga no zava-dehibe kokoa, fa tsy ny hoe miseho miandalana ilay izy? Tsy maintsy mampiasa teny toy ny hoe ‘taorian’izany’ na ‘avy eo’ ny mpandika teny, mba hilazana hoe sady mifanarakaraka ireo zava-mitranga, no miseho miandalana. Tsy tena hita tsara amin’izay hoe miseho miandalana ireo zava-mitranga, fa tanisaina araka ny filaharany fotsiny. Raha izay no atao dia tsy feno ny hevitra, satria mieritreritra ilay mpandika teny fa tsy tena ilaina ny mamoaka hoe nitranga miandalana ireo zavatra tantaraina. Raha izay hevitra izay mantsy no avoakany, dia hanjary tsy hahaliana ilay tantara. Azon’ilay mpandika teny atao anefa ny mamoaka tsara ny hevitry ny matoanteny, raha hitany fa mahatsara kokoa an’ilay fitantarana izany.

“Milaza zavatra miverimberina kosa ilay matoanteny, raha asa atao mihoatra ny indray mandeha no resahin’ny teny manodidina. Tsy feno koa eto ny hevitry ny matoanteny anglisy [na malagasy], ka tsy maintsy ampiana teny toy ny hoe ‘mbola’, ‘foana’, ‘koa’, ‘matetika.’ Amin’izay dia hita tsara hoe asa miverimberina na fanao mahazatra ilay izy.”

Efa hatramin’izay no nahagaga ny manam-pahaizana ny teny hebreo, satria afaka manondro zava-nitranga tamin’ny lasa ny matoanteny milaza asa mbola tsy vita, ary afaka manondro zavatra hitranga amin’ny hoavy ny matoanteny milaza asa efa vita. Namorona an’ilay hevitra hoe Vao Mifanarakaraka àry izy ireo, mba hanazavana izany. Nanoratra momba azy io i O. Barnes, ao amin’ilay bokiny hoe Fomba Vaovao Amahana An’ilay Olana Momba ny Matoanteny Hebreo sy ny Vahaolana Tsy Mila An’ilay Vao Mifanarakaraka (anglisy), Oxford (1965). Hoy izy ao amin’ny p. 4, 5: “Nanasaro-javatra fotsiny ny namoronana sy nifikirana befahatany tamin’ilay hevitra momba ny Vao Mifanarakaraka, izay nantsoina taloha hoe Vao Mampiova (Vao Mitahiry no anarany naroso farany). Novana imbetsaka izy io, nefa raha fintinina, dia izao: Misy Matoanteny Hebreo maromaro mifanarakaraka, ohatra, izay samy milaza asa mbola tsy vita. Misy ‘Vao ו’ (midika hoe ‘sy’) eo alohan’ilay matoanteny voalohany amin’izy ireo. Raha misy Matoanteny Hebreo milaza asa efa vita anefa eo alohan’izy rehetra ireo, dia ilay Vao no manondro fa tokony hoheverina ho milaza asa efa vita daholo ireo matoanteny hafa rehetra (na dia milaza asa mbola tsy vita aza izy ireo, raha ny tena izy). Marina koa ny mifamadika amin’izany, raha misy zanatsoratra miaraka amin’ilay ‘Vao ו’ , izay milaza asa mbola tsy vita.”

Mitombina ve io hevitra io? Hoy i Barnes eo amin’ny p. 1 amin’ilay bokiny: “Rariny raha manontany isika hoe: Mahavita manova hevitra toy izany tokoa ve ilay ‘Vao ו’? Te hanarontsarona an’io hevi-diso io ny boky sasany momba ny fitsipi-pitenenana, ka milaza fa tsy dia ilay ‘Vao ו’ loatra no manova hevitra. Izy io kosa, hono, no famantarana hoe misy ilay fiovana. Mitovy ihany anefa izany. Matoky aho fa hazava avy amin’izay voalaza ato fa tsy manova hevitra mihitsy ny ‘Vao ו’ , sady tsy azo anazavana an’ilay fiovana tampoka eo amin’ireo matoanteny hebreo mifanarakaraka. Raha tsorina, dia tsy ilaina mihitsy ilay hevitra momba ny Vao Mifanarakaraka, noforonin’ireo mpahay fitsipi-pitenenana.”

Nanohitra mafy an’io hevitra momba ny Vao Mifanarakaraka io koa i Benjamin Wills Newton, zato taona lasa teo ho eo, tao amin’ilay bokiny hoe Genesisy: Fandikan-teny Nasiam-panovana ii. 5 (anglisy), Londres, 1888, p. 49-51. Nalainy ho ohatra ny fandikana ny Ge 1:3-8, ary hoy izy ao amin’ny p. 50, 51: ‘Matoanteny milaza ny hoavy no ampiasaina ao amin’ilay toko manontolo, mba hilazana asa atao miandalana. Mety anefa ny nampiasanay matoanteny milaza ny lasa ao amin’ny fandikan-teninay, satria tsy mahalaza zavatra atao miandalana ny matoanteny milaza ny hoavy amin’ny fiteninay. Mahalaza hevitra mitatra kokoa noho ny anay ny matoanteny hebreo milaza ny hoavy, ka mahalaza hevitra marina kokoa. Tsy tokony hampiharina mihitsy amin’io toko io ilay hevitra momba ny Vav mampiova, araka ny hevitro. Tsy marim-pototra koa anefa raha tonga dia ovana ho matoanteny milaza ny lasa ny matoanteny hebreo milaza ny hoavy (satria fotsiny hoe tsy mahalaza ilay hevitra ny fitenintsika). Mba mahagaga ihany hoe nisy olona sahy nilaza hevitra tsy mitombina toy izany!’

Dikan-teny telo nandikana ny Ge 1:3-8 no arosonay eto: Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary fandikan-tenin’i James Washington Watts.

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

Ary nanomboka niteny [milaza ny hoavy] Andriamanitra hoe: Aoka hisy Mazava, dia nanomboka nisy [milaza ny hoavy] ny Mazava.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

3 Koa niteny Andriamanitra hoe: “Aoka hisy mazava.” Dia nisy mazava.

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

Nanomboka niteny Andriamanitra, avy eo, hoe: “Aoka hisy mazava.” Dia nisy tsikelikely ny mazava.

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

Ary Andriamanitra nanomboka nijery [milaza ny hoavy] ny Mazava, ka hitany fa tsara. Ary Andriamanitra nanomboka nanasaraka [milaza ny hoavy] ny Mazava sy ny maizina;

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

4 Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava. Dia nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

4 Dia nanomboka nandinika ny mazava Andriamanitra, [ka hitany] fa tsara. Koa nanomboka nanasaraka ny mazava sy ny maizina izy.

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

ary Andriamanitra nanomboka niantso [milaza ny hoavy] ny mazava hoe Andro, ary ny maizina nantsoiny hoe [tsy hoe “nanomboka nantsoiny”; matoanteny milaza ny lasa no ampiasaina eto] Alina. Dia nanomboka nisy [milaza ny hoavy] hariva, ary nanomboka nisy [milaza ny hoavy] maraina: Andro voalohany.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

5 Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Andro ny mazava, fa Alina kosa ny maizina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro voalohany izany.

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

5 Ary Andriamanitra nanomboka niantso ny mazava hoe Andro, ary ny maizina nantsoiny hoe Alina. Koa nisy hariva sy maraina, eny, andro iray.

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

Ary nanomboka niteny [milaza ny hoavy] Andriamanitra hoe: Aoka hisy habakabaka eo anelanelan’ireo rano, ka aoka io hanasaraka ny rano sy ny rano.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

6 Ary hoy koa Andriamanitra: “Aoka hisy habakabaka eo anelanelan’ny rano, dia aoka hisaraka ny rano ambony sy ny rano ambany.”

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

6 Dia nanohy ny teniny Andriamanitra hoe: “Aoka hisy habakabaka eo afovoan’ireo rano, ary aoka koa hisy fisarahana eo anelanelan’ireo rano.”

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

Ary nanomboka nanao [milaza ny hoavy] ny habakabaka Andriamanitra, ka nanomboka nanasaraka [milaza ny hoavy] ny rano izay eo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano izay eo ambonin’ilay habakabaka.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

7 Koa nanomboka nanao ny habakabaka Andriamanitra, ka nosarahiny ny rano izay tokony ho eo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano izay tokony ho eo ambonin’ilay habakabaka. Dia nisy izany.

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

7 Araka izany, dia nanomboka nosarahin’Andriamanitra ny rano izay teo ambanin’ilay habakabaka sy ny rano izay teo ambonin’ilay habakabaka. Ary nitranga tsikelikely izany.

Fandikan-tenin’i Benjamin Wills Newton (1888) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

ary Andriamanitra nanomboka niantso [milaza ny hoavy] an’ilay habakabaka hoe Lanitra. Ary nanomboka nisy [milaza ny hoavy] hariva, ary nanomboka nisy [milaza ny hoavy] maraina: Andro faharoa.

Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (1953)

8 Ary nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Dia nisy hariva, ary nisy maraina: Andro faharoa izany.

Fandikan-tenin’i James Washington Watts (1963) (izy no nanao ny fononteny mahitsy)

8 Taorian’izay, dia nanomboka nantsoin’Andriamanitra hoe Lanitra ilay habakabaka. Koa nisy hariva sy maraina: Andro faharoa izany.

Tsy nanaraka an’ilay hevitra tsy mitombina momba ny Vao Mifanarakaraka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tsy ho voadika tsara mantsy ny tena hevitry ny matoanteny hebreo tany am-boalohany, raha arahina izy io. Navahanay tsara àry ny matoanteny milaza asa efa vita, sy ny milaza asa mbola tsy vita. Noho izany, dia marina tsara sy velombelona ilay fandikan-teny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Izy no nanoratra an’ilay boky hoe Fomba Miavaka Nandikana ny Genesisy (1963), sy ny Eksodosy (1977), ary ny Isaia (1979).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara