FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • bi12 p. 1874-1875
  • 3F “Tartara”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 3F “Tartara”
  • Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
3F “Tartara”

3F “Tartara”

2Pe 2:4—‘Natsipiny tany amin’ny Tartara ireny’

Gr.: Tartarôsas; lat.: de·tracʹtos in Tarʹta·rum; syr.: ʽa·gen ʼe·nun beThach·ta·ya·thaʼ

Ao amin’ny 2Pe 2:4 ihany no ahitana ny hoe “Tartara.” Ao amin’ilay matoanteny grika hoe tartarôô izy io, ary nadika hoe ‘natsipiny tany amin’ny Tartara ireny.’

Ao amin’ny tononkalo Iliade nosoratan’i Homère, poety fahiny, ny hoe tartarôs dia manondro fonja any ambanin’ny tany. Lavitra be any ambanin’ny Haides izy io, toy ny halavitry ny lanitra amin’ny tany. Tsy fanahin’olona no gadraina any, fa ireo andriamanitra fanahy ambany kokoa, dia i Cronos sy ireo Goavam-be hafa izay nikomy tamin’i Zeosy (Jopitera). Araka ny angano, dia fonja namboarin’ireo andriamanitra ho an’ireo fanahy noroahin’izy ireo avy tany an-danitra, izy io. Any ambanin’ny Haides, izay heverina fa misy ny fanahin’ny olona maty, no misy azy io. Araka ny angano, ny tartarôs dia toerana ambany indrindra amin’ny ambany, sady toeran’ny haizina. Mandrakotra ny tontolo rehetra any ambanin’ny tany izy io, toy ny andrakofan’ny lanitra ny zava-drehetra eo ambonin’ny tany. Araka ny anganon’ireo mpanompo sampy grika àry, ny tartarôs dia heverina ho toerana fanagadrana fanahy. Tsy fanahin’olona anefa no gadraina ao, fa ireo Goavam-be, izay fanahy. Heverina ho toeran’ny haizina sy ny fietrena koa izy io.

Izao no vakintsika momba ny Behemota ao amin’ny Joba 40:20, araka ny LXX: “Ary rehefa niakatra tany amin’ny tendrombohitra mideza izy, dia nampifaly an’ireo zavaboary manan-tongotra efatra ao amin’ny lalina [ἐν τῷ ταρτάρῳ (ao amin’ny tartara)].” Izao koa no vakintsika momba ny Leviatana ao amin’ny Joba 41:23, 24, araka ny LXX (Jb 41:31, 32, TV): “Ataony mangotraka toy ny ao anaty vilany varahina ny lalina; ary ny ranomasina ataony toy ny ao anaty vilany misy menaka fanosorana, ary heveriny ho toy ny babo ny faritra ambany indrindra amin’ny lalina [τὸν δὲ τάρταρον τῆς ἀβύσσου (ny tartaran’ny lavaka mangitsokitsoka)]: heveriny ho fonenany ny lalina.” Hita avy amin’ny nampiasan’ny LXX ny tartarôs ao amin’ireo andininy ireo fa ilay teny dia nilazana toerana ambany, dia ny “faritra ambany indrindra” amin’ny lavaka mangitsokitsoka.

Tsy milaza ny Soratra Masina hoe misy fanahin’olona alefa any amin’ny tartarôs. Ireo “anjely nanota” ihany no voalaza fa alefa any. Ny fanipazana azy ireo ao amin’ny tartarôs, dia milaza fara fietrena ho azy ireo amin’izao fahavelomany izao. Sazy noho ny nikomiany tamin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra izany. Nampifandraisin’ny apostoly Petera tamin’ny haizina ny fietren’izy ireo, ka nolazainy fa ‘natolotr’Andriamanitra ho ao an-davaka maizim-be’ izy ireo, “mba hotehirizina ho amin’ny fitsarana.”—2Pe 2:4.

Hevi-diso momba ny fampietrena an’ireo fanahy nikomy no voalazan’ny angano sy ny lovantsofin’ny mpanompo sampy momba an’i Cronos sy ireo andriamanitra goavam-be mpikomy. Rehefa nampiasa an’ilay matoanteny hoe tartarôô, na hoe ‘natsipy tany amin’ny Tartara’ i Petera, dia tsy te hilaza hoe natsipy tao amin’ilay Tartaran’ny anganon’ny mpanompo sampy ireo “anjely nanota.” Nanana toerana sy tombontsoa tany an-danitra izy ireo nefa naetrin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra ka namoy izany. Maizin-tsaina tanteraka àry izy ireo, satria tsy mahazo fanazavana momba ny fikasan’Andriamanitra. Maizina koa ny hoavin’izy ireo, satria lazain’ny Soratra Masina fa fandringanana mandrakizay miaraka amin’i Satana Devoly lehibeny no miandry azy ireo. Milaza fara fietrena ho an’ireo anjely nikomy àry ny hoe Tartara.

Ao amin’ny Soratra Masina, ny Tartara dia tsy misy ifandraisany mihitsy amin’ny Haides, na ny fasana misy ny maty rehetra. Tsy ampiarahina ao amin’ny tartarôs ireo anjely nanota sy ny fanahin’ny olona maty. Tsy toerana fampijaliana zavaboary mbola mahatsiaro saina koa izy io. Tsy hisy intsony ny Tartara rehefa horinganin’ilay Mpitsara Fara Tampony ireo anjely nikomy izay efa mietry.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara