4A “Fijangajangana”—Ny Karazana Firaisana Rehetra Tsy Azo Atao
Mt 5:32—Gr.: πορνεία (pôrneia); lat.: for·ni·caʹti·o
Maro ny hevitra tafiditra amin’ilay teny grika hoe pôrneia. Araka ny rakibolana nosoratan’i Bauer (p. 693), ny dikan’ny pôrneia dia “fivarotan-tena, fitondran-tena tsy madio, fijangajangana, ny karazana firaisana rehetra tsy azo atao.”
Manazava ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Mt 5:32 sy Mt 19:9 ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), Boky Faha-6 p. 592, ka milaza fa “fanitsakitsaham-bady no dikan’ny hoe πορνεία [pôrneia].” Ampiharin’ny Soratra Masina amin’ny olona manambady àry ilay teny hoe pôrneia. Miresaka momba ilay tenin’i Paoly ao amin’ny Ef 5:3, 5 koa io rakibolana io, eo amin’ny p. 594. Izao no voalazany ao: “Takatr[’i Paoly] fa tsy ny rehetra no mahavita mifady tsy hanao firaisana. Fanomezana izany fahaizana mifady izany, 1Ko 7:7. Tokony hanambady ara-dalàna ny [mpitovo] tsy [mahavita mifady] nefa te hiaro tena amin’ny fijangajangana, izay fahotana, 1Ko 7:2. Izany no atoron’Andriamanitra.” Ampiharin’ny Soratra Masina amin’ny olona tsy manambady koa àry ilay teny hoe pôrneia, ka tafiditra amin’izany ny fanaovana firaisana, sy ny fanao ratsy ampiasana ny filahiana na ny fivaviana.—Jereo 1Ko 6:9.
Anisan’ny namoaka an’ilay soratra grika nataon’i Westcott sy Hort i B. Westcott, ary nanoratra ilay boky hoe Ny Epistolan’i Masindahy Paoly ho An’ny Efeziana (anglisy), Londres sy New York, 1906. Nanazava ny Ef 5:3 izy ao amin’ny p. 76, ary nilaza ny hevitra samihafan’ilay teny hoe pôrneia ao amin’ny Soratra Masina. Hoy izy: “Ilazana ny firaisana rehetra tsy azo atao izy io: 1) fanitsakitsaham-bady: Hos. ii. 2, 4 (LXX); Mat. v. 32; xix. 9; 2) fanambadiana tsy azo atao, I Kor. v. I; 3) fijangajangana, amin’ilay heviny mahazatra toy ny resahina eto [Ef 5:3].” Ny tiany holazaina amin’ny hoe “ilay heviny mahazatra” dia ny fahazoan’ny olona azy ankehitriny hoe firaisan’ny olona tsy mpivady ihany.
Ankoatra izany heviny ara-bakiteny izany, dia manana heviny an’ohatra koa ny pôrneia ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Izao no voalazan’ny Diksionera Grika Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy) nataon’i Zorell, tsang. 1106, momba ny hevitry ny pôrneia: “fivadihana amin’ny tena finoana, mety ho fivadihana tanteraka izany na tsia, fialana amin’i Jahve, ilay tena Andriamanitra, mba hivavaka amin’ny andriamani-kafa [4Mp 2Mp 9:22; Je 3:2, 9; Ho 6:10 sns. Noheverina ho toy ny fanambadiana mantsy ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany]: Ap 14:8; Ap 17:2, 4; Ap 18:3; Ap 19:2.” (Izy no nanao fononteny mahitsy sy sora-mandry; mifanitsy amin’ny 2Mp ao amin’ny M ny 4Mpa ao amin’ny LXX.)
Miseho in-25 ny teny hoe pôrneia ao amin’ny soratra grika: Mt 5:32; Mt 15:19; Mt 19:9; Mr 7:21; Jn 8:41; As 15:20, 29; 21:25; 1Ko 5:1, 1; 1Ko 6:13, 18; 1Ko 7:2; 2Ko 12:21; Ga 5:19; Ef 5:3; Kl 3:5; 1Te 4:3; Ap 2:21; Ap 9:21; Ap 14:8; Ap 17:2, 4; Ap 18:3; Ap 19:2.
Miseho imbalo ato amin’ny TV ilay matoanteny hoe pôrneoô, ary nadika hoe “mpijangajanga” na ‘mijangajanga’: 1Ko 6:18; 1Ko 10:8, 8; Ap 2:14, 20; Ap 17:2; Ap 18:3, 9.
Miseho indray mandeha ao amin’ny Joda 7 ilay matoanteny hoe ekpôrneoô, ary nadika hoe “nanaram-po tamin’ny fijangajangana”, ato amin’ny TV.
Miseho in-12 ilay anarana hoe pôrne ato amin’ny TV ary nadika hoe “mpivaro-tena”: Mt 21:31, 32; Lk 15:30; 1Ko 6:15, 16; He 11:31; Jk 2:25; Ap 17:1, 5, 15, 16; Ap 19:2.
Miseho impolo ato amin’ny TV ilay anarana hoe pôrnôs, ary nadika hoe “mpijangajanga”: 1Ko 5:9, 10, 11; 1Ko 6:9; Ef 5:5; 1Ti 1:10; He 12:16; He 13:4; Ap 21:8; Ap 22:15. Araka ny Rakibolana Grika-Anglisy nataon’i Liddell sy Scott, p. 1450, ny dikan’io teny io dia “ankizilahy fanaovan-dehilahy firaisana; olona manao firaisana amin’ny lava-pitombenana, na atao amin’ny lehilahy izany na vehivavy na biby, sy olona manao firaisana amin’ny vava; mpijangajanga; mpanompo sampy.”