FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g92 8/10 p. 26-27
  • Manampy Mpifoka Sigara Hiala Amin’ny Fahazarany ny Mifohaza!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy Mpifoka Sigara Hiala Amin’ny Fahazarany ny Mifohaza!
  • Mifohaza!—1992
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpivarotra fahafatesana — Mpividy ve ianao?
    Mifohaza!—1990
  • Sigara — Lavinao ve Izy Io?
    Mifohaza!—1996
  • Sigara — Ny fomba fijery Kristiana
    Mifohaza!—1990
  • “Afaka Miala Ianao! Izahay efa Niala!”
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1992
g92 8/10 p. 26-27

Manampy Mpifoka Sigara Hiala Amin’ny Fahazarany ny Mifohaza!

DIMAMPOLO TAPITRISA. Izany no isan’ny olona mifoka sigara any Etazonia fotsiny. Ny roa ampahatelon’io isa io dia maniry hiala amin’ilay fahazarana. Ary tsy mahagaga izany, satria any Etazonia, dia olona efa ho 400 000 no maty isan-taona noho ny fifohana. Any Frantsa, dia olona 65 000 no maty isan-taona noho ny sigara. Any Alemaina, dia 70 000 ny isan’izy ireo.

Mba hamonjena ain’olona, dia namoaka fitohitohizan-dahatsoratra momba ny sigara ny Mifohaza! tao amin’ny nomerao faha-4/1990 izay nitondra ny lohateny hoe “Fahafatesana amidy”. Ny sary eo amin’ny fonony — karandoha iray misy sigara ao am-bavany — dia sady nanaitra no nanelingelina. Izy io dia nanolotra fanoheran-javatra mahery ho an’ilay lahatsoratra famaranana hoe “Fomba Folo Hialana Amin’ny Sigara”. Ilay fanontaniana dia hoe: Tena hanampy ireo efa tena andevozin’ny sigara tokoa ve ilay gazety?

Nanapa-kevitra ny hitady ny valin’izany i Rolf, iray amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanana mpiara-miasa iray izay mpifoka sigara be izy. Nifoka nandritra ny taona maro izy io ary nitady hitsahatra efa imbetsaka nefa tsy nahavita. Nanome azy iray tamin’ilay nomeraon’ny Mifohaza! hoe “Fahafatesana amidy”, i Rolf. Ny vokany?

“Noho ny fanampian’ny torohevitra natolotra tao amin’io Mifohaza! io”, hoy ny tantarain’i Rolf, “dia tsy nifoka sigara izy izao tao anatin’ireo 18 volana farany. Isaky ny nahatsapa filana haka sigara iray izy, dia namoaka ilay gazety avy tao amin’ny biraony, ary ny fahitana ilay karandoha nisy ilay sigara tao am-bavany dia ampy mba hanakanana azy tsy hifoka indray.” Io fiovana lehibe io dia tsy niafina tamin’ny hafa. Nanontany io mpiara-miasa taminy io ny fomba nahavitany nitsahatra tsy hifoka intsony ny mpiara-miasa hafa iray. Notolorana ilay Mifohaza! izy sady nilazana hoe: “Tamin’ny alalan’ity.” Ny vokany? Izy koa dia niala tsy nifoka intsony ary efa tsy nikasika sigara hatramin’ny herintaona mahery izao!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara