Avia Hanandrana Taco Meksikana
Nosoratan’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Meksika
INONA izany hoe taco izany? Any amin’ireo tany miteny espaniola, dia mety hidika ho zavatra maro izy io. Any Espaina izy io dia mety ho teny ratsy mihitsy! Fa eto Meksika sy any Amerika Avaratra kosa izy io dia sakafo. Toy inona ny endriny? Manao ahoana ny tsirony?
Karazana sandwich vita amin’ny tortilla manify, izany hoe mofo boribory fisaka natao tamin’ny koban-katsaka, izy io. Amonosana sakafo isan-karazany fanao sesika izy io ary endasina indraindray. Misy tortilla vita amin’ny kobam-barimbazaha koa. Zava-dehibe aoka izany ny tortilla eto Meksika, hany ka ny tena mexicano (meksikanina) iray dia tsy afaka misaintsaina sakafo tsy misy azy.
Vao haingana, ilay gazety meksikanina mivoaka isan’andro hoe El Universal dia namoaka lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Ny Tacos: Nanjary Zava-tsoa”. Ankoatra ny zavatra hafa, dia nilaza toy izao izy io: “Tokony hiantso ny tenantsika hoe tacomexicanos isika, satria tsy misy isalasalana fa izy io no sakafo tiantsika indrindra.” Ny tacos sasany anefa dia mihamanjary lafo vidy aoka izany, hany ka nanjary zava-tsoa izy ireny ho an’ny Meksikanina maro. Ary anefa, ho an’ny mpanamboatra trano, ny mpiasa amin’ny orinasa, ny tantsaha ary ny mpianika tendrombohitra, izay samy mihevitra fa tsy afaka miaina raha tsy misy azy, dia izy io no ‘hanina sahaza azy isan’andro’. Mahaliana ny mijery mpanamboatra trano mihinana ny sakafony antoandro. Mandrehitra afo izy ireo ary mamana ireo tacos eo ambony comal, na vilia tanimanga, iray — ary dia matsiro erỳ izany!
Raha amboarina ao an-trano ireo tacos, dia tsy lafo. Azonao sesefana saika ny zavatra azo hanina rehetra ny tortilla iray: tsaramaso nopotehina sy nendasina, foromazy, hena, ovy, vary, henan-kisoa, akoho, sy ny toy izany. Mety ho tena tsotra izy ireo ary mety ho tena be kojakojany koa, kanefa na ahoana na ahoana fomba anomananao azy, dia ampy tsara ho an’ny sakafo maivana iray izany.
Ny tacos tian’ny olona indrindra
Ny mponina any amin’ny tany saiky nosin’i Yucatán dia manomana ilay antsoina hoe cochinita pibil. Mamono kisoa kely iray izay dioviny tsara sy asiany zava-manitra antsoina hoe achiote, izy ireo ary avy eo dia manatsatsika azy io. Malemy sady matsiro erỳ ny henany ary manana tsirony tsy manan-tsahala. Malaza manerana an’i Meksika ireo tacos cochinita pibil ireo, ary izay vita rehetra dia vidin’ny olona avy hatrany.
Azo hanina tsotra na voaendy ny tacos. Mba hahazoana taco mikarepoka tsara, dia tavin-kisoa na menaka mafana be ampiasaina. Alatsaho ao anaty menaka ireo tacos mandra-pahamendiny, avy eo dia esory ary avelao hitsika. Ampiaraho amin’ny lasosy misy sakay na crème marikivy, raha tianao. Tena matsiro tokoa!
Ny tian’ny olona indrindra ao amin’ny tanànan’i Mexico dia ny tacos miaraka amin’ny steaks (nofon-kenan’omby) natsatsika. Raha tianao ny hanao azy ao an-trano, dia mividiana steaks zato grama tsirairay, asio ranon-boasarimakirana sy dipoavatra, ary atsatsiho eo ambony afon’arina. Asio tongolo maitso koa eo ambonin’ilay afo. Rehefa mahita ranondranony eo ambonin’ireo steaks ianao, dia fafazo sira (sira misy tsiron-tongolo, raha tianao) izy ireo ary avy eo dia avadiho. Mandritra izany fotoana izany, dia mamanà tortilla roa. Rehefa masaka tsara ilay hena, dia ataovy eo anelanelan’ireo tortilla roa, ary raraho lasosy misy sakay maitso na mena be dia be, ary koa sasantsasany amin’ilay tongolo maitso. Izay ianao dia efa manana sakafo maivana iray izay hankafizinao tokoa. Azo atao miaraka amin’ny fajitas, hena notetehina ho lavalava, koa izany fomba fahandro izany.
Ny tacos carnitas dia zavatra tsy maintsy andramanao. Tapatapahina kely ny henan-kisoa ary endasina amin’ny taviny ihany ao anaty vilany lalina iray. Ampiana sira antsoina hoe sal-tierra ilay hena mba hanana loko menamena. Io sy ny henan’ondry natsatsika no zava-dehibe indrindra rehefa mitsangantsangana. Fa nahoana? Ao Mexico mantsy dia misy mponina eo amin’ny 18 tapitrisa eo ho eo, ary voahodidina tanàna kely be dia be any an-tendrombohitra izy io. Isaky ny faran’ny herinandro àry, dia fianakaviana an’arivony maro no mankany an-tendrombohitra. Tsy mitondra sakafo namboarina tany an-trano izy ireo, fa aleony kosa mividy ny henany, tortilla be dia be, foromazy, anambazaha toy ny nopales (hazon’aviavimbazaha tanora) ary anandrano. Coriandre sy zava-manitra hafa toy izany no ampiasaina mba hanamboarana lasosy masiaka sy matsiro. Voankazo no ataony tsindrin-tsakafo.
Rehefa maika ianao amin’ny manaraka, dia tadidio fa azo amboarina ao anatin’ny minitra vitsivitsy ny tacos meksikanina. Koa nahoana raha manandrana taco meksikanina? Ho tianao tokoa izy io!