Aza Manaiky ho Voafitaky ny Fisehoana Ivelany
NIPETRAKA tao amin’ny trano mafana sady mahafinaritra, an’ny namana iray any anaty ala, izahay, ary natory tao ambany rihana tao amin’ny fitambaran’efitra somary lakaly. Noho izany, ireo varavarankely dia teo amin’ny haavon’ny maso ho anay tao anatiny, ary teo amin’ny haavon’ny tokotany ny tany ivelany. Ny maraina voalohany, tokony ho tamin’ny enina ora, dia namoha ahy ny feo hafahafa nipaipaika indroa izay toa avy tamin’ireo tapany samy hafa tamin’ilay fitambaran’efitra. Taitra ny fahalianako ka nifoha aho ary nandehandeha nivoaka nankao amin’ny lakozia mba hijery raha ny vata fampangatsiahana na ny fitaovana fanafanana no nahatonga ilay feo. Samy tsy izy ireo ilay izy. Sahiran-tsaina aho, raha tampoka teo, injany ilay feo avy tao amin’ny efitra fialam-boly. Nitsaitsaika aho ary akory ny hagagako, nahita vorona mena madera tany ivelany, dia cardinal iray, izay nanafika ireo fitaratry ny varavarankely! Nifindrafindra varavarankely nanodidina ilay trano — ny efitra fatoriana, ny efitra fandroana, ny efitra fijerena televiziona — izy, na taiza na taiza nisy varavarankely nitovy haavo tamin’ny tokotany. Very hevitra aho.
Rehefa nitsaitsaika nanakaiky kokoa ny varavarankely aho, dia hitako ny antony iray nanazava ilay zava-miafina — nisy cardinal vavy iray tany ivelany, santimetatra vitsivitsy monja niala teo, afa-po erỳ nitsindroka voa. Nahoana anefa ilay lahiny no nanafika ireo varavarankely? Toa nihevitra hatrany tamin’ny fomba diso izy fa cardinal rafiny iray ilay sariny ihany, ka nitady hampahatahotra azy io mba handositra! Voafitaky ny fisehoana ivelany izy.
Tatỳ aoriana, dia nohamafisiko fa izany no antony nanosika ilay vorona hanao ilay fihetsika hafahafa. Ao amin’ilay bokiny hoe The Cardinal, dia manambara i June Osborne fa ny cardinal lahy dia “manao izay rehetra azony atao mba hahazoana antoka fa ny sombin-taniny dia tsy misy atahorana avy amin’ireo lahy mpiditriditra hafa rehetra amin’ireo karazam-borona. (...) Tsy vitan’ny hoe mandroaka ireny mpitsofotsofoka ireny [izy], fa fantatra koa ho (...) mandona ny sariny ihany eo amin’ny enjoliveurs [saron’ny jantes-n’ny fiara], ny fitaratry ny fiara, na ny varavarankely lehibe, sy ny varavaram-pitaratra mikorisa”. Avy eo i Osborne dia manampy teny izay niombonanay hevitra: “Afaka ny ho tena manelingelina ny fiainana milamin’ny tompon-trano iray izany.” Izany no hitanay, isa-maraina.
Inona no azo atao mba hampitsaharana io fihetsiky ny lahy avy amin’ny fanerena anaty io? Manipy hevitra toy izao i Osborne, mpanoratra: “Indraindray dia manjary tena ilaina ny manarona ireo lafin-javatra ivelany mangirana mba hamerenana amin’ny laoniny ny filaminana sy ny fahanginana, (...) ankoatra ny fiezahana hisakana ilay vorona tsy handratra tena amin’ireny fanafihana efa ho famonoan-tena ireny.” — Nisy nanome.