“Eo Am-pikarohana Ilay Mpanakanto Miavaka Indrindra”
Izany no lohatenin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Novambra 1995. Niteraka fankasitrahana teo amin’ireo mpamaky maneran-tany io foto-kevitra io.
Nanoratra toy izao avy tany Douala, Cameroun, i Amang: “Tena nisy akony tamiko ireo lahatsoratra, satria tia zavakanto aho, indrindra fa ireo sary hosodoko voakaly tsara. Ankehitriny dia takatro fa misy Mpanakanto miavaka kokoa noho i Van Gogh, i Rembrandt, i De Vinci, sy ireo hafa — dia tsy iza fa i Jehovah Andriamanitra.”
Hoy i Frederick, avy any St. Barthélemy, any Antilles frantsay: “Inefatra aho no namaky azy io, ary isaky ny namaky aho dia heniky ny fankasitrahana noho ireo zavatra kanto nomen’ny Mpamorona antsika antsika.”
Nanoratra toy izao i Assunta avy any Italia: “Nanaitra tao amiko ny faniriana hanao hosodoko izy io. Nampitombo ny hafanam-poko ho amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy io.” Ary hoy i Irena, avy any amin’ny République tchèque: “Rehefa mitsidika tranom-bakoka isika, dia tsy maintsy mandoa vola mba hijerena ireo asa ara-javakanto, kanefa kosa ilay Mpamorona ny hakanto voajanahary rehetra dia manolotra antsika an’izany maimaim-poana, isan’andro.” Nanoratra toy izao i Aline avy any Brezila: “Na dia matetika aza isika no mahazo lahatsoratra izay manampy antsika hankasitraka ny toetran’i Jehovah, dia nanohina ny foko ireo [lahatsoratra ireo]. Nanome tsipiriany maro momba ny zavatra noforonina izay mampitombo ny fankasitrahantsika ny fitiavan’i Jehovah izy ireo.”
Nanoratra toy izao i Anne, avy tany amin’ny hatsiakan’ny ririnina tany Wisconsin, Etazonia: “Tena nanampy ahy hankasitraka ny hakanton’ny zavatra noforonina izy io. Indraindray amin’ny ririnina, dia sarotra ny mahita izany. Tamin’ny andro namakiako ilay lahatsoratra, dia nivoaka aho ka nahamarika ny fanala teo amin’ny sampan-kazo iray, ny ravina iray rakotry ny oram-panala, sy ireo dian-tongotry ny biby teo amin’ny oram-panala. Misaotra anareo indray noho ny fampahatsiahivana ny fomba azontsika ankasitrahana ‘ilay Mpanakanto Miavaka Indrindra’.”
Raha tianao ny hahazo tsy tapaka itỳ gazety itỳ, dia mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao, aza fady, na manorata any amin’ny adiresy akaiky indrindra ny misy anao voalaza eo amin’ny pejy faha-5.