Fitsidihana Ireo Rajakon-tendrombohitra
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Tanzania
TOKONY ho 320 amin’izy ireo monja no mipetraka ao amin’ny faritra misy volkano eo amin’ny sisin-tanin’i Rwanda sy ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Misy 300 hafa mipetraka any amin’ny ala sarotra idirana atsy Ouganda. Izy ireo dia ny rajakon-tendrombohitra — anisan’ireo biby mampinono tandindomin-doza indrindra maneran-tany!
Nanao zavatra betsaka mba hanairana ny sain’ny olona ny amin’izay hanjo ireo zavaboary ireo ilay Amerikana mpandinika ny biby atao hoe Dian Fossey. Tonga teto Afrika mba handinika ireo rajakon-tendrombohitra i Fossey tamin’ny faramparan’ireo taona 1960. Tamin’izany fotoana izany, dia nihananjavona haingana izy ireny, vokatry ny fihazana tsy ara-dalàna. Niaina toy ny mpitoka-monina tany amin’ireo Tendrombohitra Virunga ilay mpahay siansa mahery fo, ka vetivety dia nifankazatra tamin’ireo rajako nipetraka tao. Namoaka ireo vokatry ny fandinihany tao amin’ny lahatsoratra an-gazety maro sy tao amin’ilay boky hoe Gorillas in the Mist, i Fossey. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nihatapa-kevitra hatrany ny hiaro ireo namany be volo izy, ka toy ny niady tamin’ireo mpihaza tsy ara-dalàna. Kanefa, nanjary niharam-pahavoazana noho ny zavatra nataony tamin-jotom-po izy, ka novonoin’ny mpanafika tsy fantatra tamin’ny 1985.
Noho izaho sy ny vadiko nentanin’ny fanantenana ny hahita manokana ireo zavaboary tsy masiaka ireo, dia nanapa-kevitra ny hisetra ny loza mety ho hita amin’ny fitsidihana ny fonenan’ireo rajako izahay, tamin’ny 1993. Mamelà anay, raha sitrakareo, hahatsiaro indray ilay fisetranay zava-tsarotra.
Nanomboka izany rehefa nitondra anay ho amin’ny fiakarana naharitra adiny iray, avy teo am-pototry ny volkano Visoke, manana haavo 3 700 metatra, eo amin’ny sisin’ny Valam-pirenena Volkano atsy Rwanda, ireo mpitari-dalana anay. Rehefa nanao fiatoana izay tena nilainay izahay, dia nanazava taminay ny tokony ho fihetsikay rehefa eo akaikin’ireo rajako, ireo mpitari-dalana anay. Nolazaina taminay fa mpitsidika valo monja isan’andro no omen-dalana hitsidika io andiam-biby manokana io. Izany dia mampihena ho faran’izay kely ny mety hifindran’ny aretina amin’izy ireo, ary koa misoroka ny fikorontanana eo amin’ny fihetsiny.
“Raha vao tafiditra ao anaty ala isika”, hoy ny mpitari-dalana iray nampahatsiahy anay, “dia tsy maintsy miteny moramora. Hanampy antsika handinika ireo biby sy vorona hafa ao amin’ilay ala izany, satria fanampin’ireo rajakon-tendrombohitra dia eo koa ireo rajako mivolom-bolamena, ireo antilopa kely, ireo antilopa sy ireo elefanta, ary ny ombimanga mihitsy aza.”
Nampahafantarina anay koa fa ao ireo agy manindrona sy ireo vitsika ao amin’ilay vala, ary koa fa mety ho voatery handeha ao amin’ny kirihitra feno zavona sy fotaka izahay. Nifampijery izaho sy ny vadiko. Tsy nanana fitaovana ho amin’izany izahay! Nanampy anefa ireo mpitari-dalana be fiheverana, tamin’ny fampindramana anay aro orana sy baoty.
Avy eo ilay mpitari-dalana anay dia nanazava fa faran’izay mora voan’ny aretin’olombelona ireo rajako, ka mba hiarovana azy ireo, izay rehetra marary na mahafantatra fa mety hitondra areti-mifindra dia tsy mahazo mandeha any. “Raha hitanao fa te hikohaka na hievina ianao rehefa eo akaikin’ireo rajako, dia iangaviana mba hiala eo amin’ireo biby ka hanandrana hanampina ny orona sy ny vavanao”, hoy ny iray tamin’ireo mpitari-dalana. “Tadidio! Vahiny ao amin’ny fonenany feno zavona isika.”
Akaiky kely ka afaka nikasika azy ireo!
Nihanideza hatrany ilay fiakarana. Tonga teny amin’ny 3 000 metatra izahay. Nihakely ny oksizena, ka izany dia nahatonga ny fisefoana ho sarotra. Tery koa ny lalana. Nefa afaka nankafy ny hatsaran’ny hazo hagenia, izay manana sampana mahitsy sy mivesatra volonkazo sy ampanga ary orkide, izahay. Manome endrika hatsaram-paradisa ho an’ilay ala izy io.
Izao ireo mpitari-dalana dia nanomboka nitady ilay toerana nahitana ireo rajako ny omalin’iny, na dia mifindrafindra toerana foana aza ireo rajako, mitady sakafo vaovao. “Jereo ange erỳ e!” hoy ny fihiakan’ny iray taminay. Mahaforona lafika matevina ao anatin’ireo zavamaniry malemy ny fandriana, na ny akanin’ny rajako manana lamosina mivolom-bolafotsy.
“Antsoina hoe Umugome izy io”, hoy ilay mpitari-dalana nanazava. “Rehefa tokony ho 14 taona ny rajakolahy iray, dia mivadika ho fotsy toy ny volafotsy ny volon-damosiny. Amin’izay izy dia heverina ho mpitarika an’ilay andian-drajako. Ilay manana lamosina mivolom-bolafotsy ihany no mifanambady amin’ireo rajakovavy rehetra. Ireo rajako tanora kokoa, izay manandrana hanao izany, dia voailika avy hatrany! Kanefa, raha mahavita mamono an’ilay manana lamosina mivolom-bolafotsy ny rafy iray, dia vonoiny koa ireo zanak’izy io rehetra. Avy eo, dia ilay mpitarika vaovao indray no mifehy ka miteraka amin’ireo rajakovavy ao amin’ilay andiany.”
“Afaka ny ho velona firy taona ny rajako iray?”, hoy ny olona iray tao amin’ilay antokon’olona nisy anay raha mbola nanaraka ireo mpitari-dalana tao amin’ny alam-bolotsangana mahafinaritra izahay.
“Hatramin’ny 40 taona eo ho eo”, hoy ny valin-teny moramora.
“Sh! Sh!” hoy ny fibitsibitsiky ny iray, rehefa nandre feo iray niherongerona moramora. “Inona ilay teo? Rajako ve?” Tsia, fa ny iray tamin’ireo mpitari-dalana no niherongerona sahala amin’ny rajako, nitady hahazo valiny. Tsy maintsy ho tena akaiky azy ireo izahay!
Marina tokoa, tokony ho dimy metatra avy teo aminay, dia nisy 30 teo ho eo tamin’izy ireo! Notenenina izahay mba hitingitingina sy hangina. “Aza tondroina ry zareo”, hoy ny fiangavian’ny mpitari-dalana iray, “satria mety hihevitra izy fa manipy zavatra any aminy ianareo. Iangaviana ianareo mba tsy hitabataba. Rehefa maka sary ianareo, dia mihetseha moramora sy amim-pitandremana, ary aza mampiasa flash.”
Akaiky kely izahay ka afaka nikasika azy ireo! Nefa talohan’ny nahafahan’iza na iza nanao izany, dia nibitsibitsika ny mpitari-dalana iray hoe: “Aza kasihina izy!” Tsitapitapitr’izay dia nisy rajako kely vitsivitsy nanatona anay mba handinika anay. Nokapohin’ilay mpitari-dalana moramora, tamin’ny rantsankazo kely, ireo rajako tanora liana ta hahafanta-javatra, ka nikodiadia teo amin’ilay fidinana kely, nifampitolona toy ny ankizy kely. Niditra an-tsehatra i “mama” rehefa nanjary nahery loatra ilay sangy.
Nijery anay avy lavitra ilay manana lamosina mivolom-bolafotsy. Nanatona anay tampoka izy ka nipetraka, metatra vitsivitsy monja avy teo amin’ny nipetrahanay. Goavana ilay izy ary tsy maintsy ho nilanja 200 kilao teo ho eo! Variana loatra nihinana izy, ka tsy nifantoka firy taminay, na dia nanao andry maso anay ihany aza. Raha ny marina, dia ny mihinana no asa lehibe indrindra ataon’ireo rajako! Mety hihinana hatramin’ny sakafo 30 kilao isan’andro ny rajako iray manana lamosina mivolom-bolafotsy. Ary ireo biby rehetra ao amin’ilay andiany dia variana mitady sakafo manomboka ny maraina ka hatramin’ny hariva. Indraindray ny olona iray dia afaka mahita azy ireny miady “sakafo mafilotra” hitan’izy ireo.
Ny sakafo tian’izy ireo indrindra dia ny atin’ny zavamaniry senecio goavana. Tian’izy ireo koa ny karazana zavamaniry velona an-drano sy ny fakan’ny zavamaniry sasany ary ny ravina mbola tanora amin’ny volotsangana. Indraindray aza izy ireo dia manao “salady” mihitsy, mampifangaro ny ravina mbola tanora amin’ny volotsangana amin’ny ravina maitson’ny ahidratsy misy tsilo sy ny agy ary ny horompotsy, sy fakan-javatra ary zavamaniry mandady maro samihafa. “Nahoana ireo rajako no tsy malailain’ireo agy alainy sy dioviny?” hoy ny fanontanian’ny olona iray. Nanazava ny mpitari-dalana iray hoe: “Matevina be ny hoditry ny felatanany.”
Raha mbola nifaly tamin’io fahitan-javatra nilamina io izahay, tampoka teo dia nitsangana tamin’ny tongony roa ilay rajakolahy lehibe, nikapokapoka ny tratrany tamin’ny totohondriny ary nanao kiakiaka mampihoron-koditra sy faran’izay nampihenjan-kozatra! Nihazakazaka nanatona ny iray tamin’ireo mpitari-dalana izy, ary nijanona tampoka aloha kelin’ny hahatongavany teo. Nobanjininy tamin’ny fijery masiaka ilay mpitari-dalana! Tsy nikoropaka anefa ilay mpitari-dalana anay. Nitingintingina kosa izy, niherongerona ary nihemotra moramora. Toy ny hoe naniry ny hampiseho taminay ny heriny sy ny tanjany fotsiny ilay rajako manana lamosina mivolom-bolafotsy. Tena nahomby marina izy!
Izao ireo mpitari-dalana dia nilaza taminay fa tokony ho vonona ny hanainga izahay. Nandany adiny iray mahery kely teo amin’ireo zavaboary mahafinaritra sy tsy masiaka ireo izahay, tamin’ny naha-vahinin’izy ireo ‘tao amin’ny fonenany feno zavona’. Na dia fohy aza ny fitsidihanay, dia iray amin’ireo fanandraman-javatra tsy hay hadinoina indrindra hitanay. Tsy hainay ny tsy hieritreritra ny fampanantenan’ny Baiboly ny amin’ilay tontolo vaovao ho avy, ka ao ny olona sy ny biby dia hiara-miaina amim-pihavanana mandrakizay! — Isaia 11:6-9.
[Sarintany, pejy 18]
(Jereo ny gazety)
Fonenan’ireo Rajakon-tendrombohitra
REPOBLIKA DEMOKRATIKAN’I CONGO
Farihy Kivu
OUGANDA
RWANDA
AFRIKA
Faritra Nohalehibeazina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.