Manova ny Fomba Fijeriny ny Dokotera Raha ny Amin’ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra
NANAZAVA tamin-janany lahy ny antony nahavoan’ny SIDA azy i Janet, vehivavy kanadianina iray. Avy tamin’ny vadiny, talohan’ny nahafatesan’izy io, no nahazoany ilay aretina. Ilay vadiny indray kosa, izay hemôfila (maria ra), dia azo inoana fa nahazo ilay aretina SIDA tamin’ny alalan’ny zavatra avy tamin’ny ra. Ny toe-javatra mampihoron-koditra toy izany dia iray monja amin’ireo anton-javatra nanosika ny fitambaran’ireo dokotera hamerina handinika indray raha fomba fitsaboana filamatra ny fampidiran-dra. Eny tokoa, nanambara toy izao ny matoam-baovao tao amin’ny The New York Times tamin’ity taona ity: “Manjary Ekena ny Fandidiana ‘Tsy Ampiasana Ra’ ”.
Nisy zaikabe ara-pitsaboana maromaro nanasongadina ny fitomboan’ny fahalianana amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra. Anisan’ireo zaikabe natao tamin’ny taon-dasa ny anankiroa tany Etazonia (Boston sy Atlanta), sy ny anankiray tany Kanada (Winnipeg), ary ny anankiray hafa tany Letonia (Riga), izay zaikabe niraisam-pirenena ho an’i Eoropa Atsinanana.
Taorian’ny 50 taona mahery nitokisana tamin’ny fampidiran-dra, nahoana ireo matihanina miisa 1 400 mahery avy tamin’ny tany 12 no nanatrika ireo zaikabe efatra ireo, izay nihoby ny fandidiana tsy ampiasana ra ho “ny fomba fitsaboana amin’ny hoavy”, araka ny nilazan’ny matoam-baovaon’ny gazety iray azy? Inona no nasongadin’ireo zaikabe ireo momba ny fanafody sy fitaovana ary teknika vaovao izay mety hahakasika ny fitsaboana azon’ny fianakavianao isafidianana?
Nahoana no mitady zavatra hafa azo asolo ny ra?
Ny antony voalohany nanosika hanao izany dia ny tsy fahafahana miaro ny tahirin-dra. Ohatra, manazava ny “loza ny amin’ny ra voaloto” tany Kanada tamin’ireo taona 1980, ny gazety Globe and Mail tamin’ny 31 Janoary 1998, any Toronto, hoe: “Aretin’aty mety hampahosa ary tsy misy fanafodiny ny hépatite C. (...) Kanadianina hatramin’ny 60 000 no mety ho efa tratran’ilay virosy tamin’ny alalan’ny ra voaloto, ary izany dia midika fa olona hatramin’ny 12 000 no mety ho fatin’ny hépatite nentin’ny ra.”
Na dia nampihena be ny loza nananontanona aza ny fomba vaovao kokoa fanaovana fitiliana, dia nilaza tao amin’ilay zaikabe natao tany Winnipeg ny Mpitsara Horace Krever hoe: “Tsy nisy mihitsy tahirin-dra azo antoka tanteraka teto Kanada, ary tsy hety hisy mihitsy izany. Misy loza tsy azo ihodivirana amin’ny fampiasana ra.” Ary isaky ny ra tokony ho antsasa-litatra fanampiny omena ny marary, dia mitombo ny loza entin’ny fifindran’aretina na ny fanoherana mafy mety hasetrin’ny vatana an’ilay fampidiran-dra.
Tany Riga, dia nanatsoaka hevitra toy izao ny Dr. Jean-Marc Debue, avy ao amin’ny Clinique des Maussins, any Paris: “Tsy maintsy mamerina mandinika indray ny fomba fitsaboana nahazatra antsika isika dokotera. (...) Nanalava ny androm-piainan’ny marary maro ny fampidiran-dra, nefa nanapoizina ny fiainan’ny hafa koa tamin’ny fanomezana azy aretina tsy azo sitranina.”
Mila tsy haharaka ny fandrahonan’ny aretina vaovao ny fomba fitsirihana ny ra hijerena otrikaretina, ka mety tsy hiaro amin’ireny aretina ireny. Ohatra, nanao izao fanamarihana izao ny Dr. Paul Gully, any Ottawa, Ontario, Kanada: “Virosy nolazalazaina vao haingana ho mamely ny ARN ny hépatite G; efa nitranga ny fifindran’izy io tamin’ny alalan’ny fampidiran-dra, nefa tsy fantatra ny loza mety hoentiny amin’izao fotoana izao.”
Misy loza iray fanampiny nanaovana tatitra tao amin’ny nomerao manokana momba ny fitsaboana, tao amin’ny gazetiboky Time: “Afaka misakana ny fiasan’ny rafi-kery fanefitra ny fampidiran-dra, (...) ka mahatonga ny marary iray ho mora idiran’ny otrikaretina, sy mampiadana ny fahasitranany, ary mampihemotra ny fotoana hiverenan’ny fahasalamany indray.”
Anton-javatra hafa iray ny fitsitsiam-bola. Any Etazonia, araka ny voalazan’ny gazetiboky Time, dia mety hahatratra 500 dolara ny lany isaky ny fampidiran-dra. Ary mihamihena ny tahirin-dra, any amin’ny toerana sasany, satria mihavitsy ny mpanome ra.
Kely kokoa ny fifindran’aretina amin’ny marary nodidiana tsy nisy fampiasana ra, ary fohy kokoa ny fotoana ijanonany any amin’ny hôpitaly; fitsitsiana fanampiny ho azy izany. Rehefa nandray fitenenana tany Winnipeg, i Durhane Wong-Rieger, ao amin’ny Canadian Hemophilia Society (fikambanana misahana ny hemôfilia any Kanada), dia nilaza momba ny fandidiana tsy ampiasana ra hoe: “Zavatra tena ilaina mihitsy izy io, araka ny hevitray. Tsy andaniam-bola izy io, ary tena hanatsara ny fahasalaman’ny marary.”
Mihabetsaka sady mihaisan-karazany koa ny marary manohana sady mangataka ny tsy hampiasana ra mandritra ny fandidiana azy. Nilaza ny Dr. David Rosencrantz, ao amin’ny Hôpitaly Legacy Portland (any Oregon, Etazonia) fa tamin’ny voalohany, “ny 100 isan-jaton’ireo izay nanatona anay dia noho ny antony ara-pivavahana avokoa”. Ankehitriny anefa, fara fahakeliny, dia ny 15 isan-jaton’ny marary no tia kokoa fitsaboana hafa azo asolo ny fampidiran-dra, nefa tsy noho ny fieritreretany voataizan’ny fivavahana akory.
Fomba fijery maro samihafa
Tao amin’ireo zaikabe efatra ireo, ny hevi-dehibe niombonana dia ny hoe tsy ahitan-doza lavitra ny fampiasana ny ran’ny tena noho ny fampiasana ra nomen’olon-kafa. Noho izany, dia misy manoro hevitra ny hitahirizana ny ran’ny tena alohan’ny fandidiana. Maro anefa no nanamarika fa tsy misy fotoana hitahirizana ny ra rehefa mitranga ny vonjy aina. Afa-tsy izany, dia eo koa ny fanoheran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampiasana ra notahirizina, na ran’iza na ran’iza, noho ny antony ara-pivavahana.a
Nilaza toy izao tao amin’ilay zaikabe tany Kanada ny Dr. Bruce Leone, ao amin’ny Oniversite Duke, any Caroline du Nord, Etazonia: “Sady andaniam-bola be no ilana mpiasa betsaka ny fanomezana [ny ran’ny tena ihany] mialoha ny fandidiana. Izy io dia tsy misakana ny antony fahita indrindra mahatonga fahafatesana misy ifandraisana amin’ny fampidiran-dra [antony izay tsy inona fa fahadisoam-panoratana mety hataon’ny mpiasa], (...) ary mitaky fotoana lava alohan’ny fandidiana.”
Dokotera maro no manohana ny hevitra ny amin’ny fanohizana manao fanafody sy teknika izay mampihena be ny fampiasana fampidiran-dra. Manizingizina izy ireo fa tsy tokony hampiasaina afa-tsy amin’ny toe-javatra ilana vonjy aina ihany ny fampidiran-dra. Etsy an-danin’izany, dia misy hafa ankehitriny tsy manao fampidiran-dra mihitsy eo amin’ny fomba fitsaboany. Sarihin’izy ireo ny saina ho amin’ny fandidiana faran’izay sarotra tsy nampiasana fampidiran-dra, nefa nahitana fa nalaky niverina ny fahasalaman’ny marary: fanoloana maoja, fandidiana hoza-pitatitra nanahirana be, fandidiana nanokafana fon’ankizy sy fon’olon-dehibe.
Hatramin’izao, dia hôpitaly 100 mahery maneran-tany no manaraka fandaharam-pitsaboana tsy ampiasana ra, ka any Etazonia ny maherin’ny 70 amin’ireo. Raha ny marina, dia dokotera maherin’ny 88 000 maneran-tany ankehitriny no manaiky hifampiraharaha amin’ny marary izay tsy maniry handray ra.
Teknika vaovao
Tao amin’ilay zaikabe tany Atlanta, dia nanaiky ireo izay nifandimby nandray fitenenana fa efa samy vao namorona teknika iray manokana izy ireo, rehefa niatrika zava-tsarotra, dia ny fitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah.b Maro no niombom-pihetseham-po tamin’ny Dr. James Schick, ao amin’ny Foibem-paritra Ara-pitsaboana Encino-Tarzana, any Los Angeles. Nilaza mantsy izy fa noho ireo fomba vaovao noforonina rehefa nitsabo zanaka Vavolombelon’i Jehovah izay teraka tsy tonga volana, ankehitriny dia nihena 50 isan-jato ny ra ampiasainy amin’ireo marariny madinika kely rehetra. Mazava ho azy fa hita ho mahasoa ny olon-dehibe koa izany fomba fitsaboana vaovao izany.
Nanamarika toy izao ny Dr. Jean-François Hardy, ao amin’ny Ivon-toerana Mitsabo ny Fo any Montréal: “Raha fitsaboana iray monja, na inona izany na inona, dia tsy hahatontosana fandidiana tsy ampiasana ra (...). Mifanohitra amin’izany kosa fa amin’ny fampiarahana tetikady maro samihafa ihany no hahatratrarana amim-pahombiazana izany zava-kendrena izany.”
Anisan’ireo teknika vaovao, dia eo 1) ny fanomanana ilay marary alohan’ny fandidiana, sy 2) ny fisakanana ny fahaverezan-dra mandritra ny fandidiana, ary 3) ny fikarakarana aorian’ny fandidiana. Miharihary fa misy fiantraikany be eo amin’ny fomba fandidiana rehetra ny resaka fotoana: misy fotoana hanatanjahana ilay marary ve, sa tsy misy, satria fandidiana vonjy aina no tsy maintsy atao?
Ny filamatra amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra dia ny fanomanana ilay marary alohan’ny fandidiana, fanomanana izay hampitombo ny isan’ny selan’ny rany sy ny fahasalamany ankapobe. Tafiditra amin’izany ny fanafody mandaitra be misy fanampim-by sy vitamina, ary koa, raha ilaina, dia fatrana érythropoïétine sentetika, izay fanafody mandrisika haingana kokoa ny tsokan’ilay marary hamokatra liomena. Ny teknôlôjia izay ahafahana manao mikrôanalizy dia ahafahana maka ra kely kokoa mba hanaovana fitsirihana, ary anefa ahazoana valiny betsaka kokoa avy amin’ilay ra kely nalaina. Iankinan’ny aina izany ho an’ny zaza teraka tsy tonga volana, sy ho an’ireo marary be taona izay very ra be.
Manampy koa ny ranoka ampidirina amin’ny lalan-dra mba hampitomboana ny habetsahan’ny ra. Ampiasaina any amin’ny hôpitaly sasany koa ny efitra kely misy tsindrin’ôksizena avo dia avo mba hanampiana ny ôksizena ilain’ny marary izay very ra be dia be. Tany Atlanta, ny Dr. Robert Bartlett dia nanazava fa misy tombony lehibe azo avy amin’ny fampiasana io efitra kely io, nefa tsy maintsy ampiasaina amim-pitandremana izy io, satria manapoizina ny tena ny fatrana ôksizena be.
Momba ilay dingana faharoa, izany hoe ilay fisakanana ny fahaverezan-dra mandritra ny fandidiana, dia misy fitaovana sy haitao vaovao maro be. Manampy hampihenana ny fahaverezan-dra ho faran’izay kely izy ireny. Noho izy ireny, dia vitsy kokoa ny fitaovana ilaina hampidirina ao amin’ny vatan’ilay marary, ka mihena ho faran’izay kely ny fahaverezan-dra sy ny fikorontanana anaty; na manampy hanantazana sy hampiasana avy hatrany ny ran’ilay marary izay nety ho very nandritra ny fandidiana. Diniho ny vitsivitsy monja amin’ireo teknika vaovao ireo.
◼ Fitaovana elektrika mandoro amin’ny vy mahamay mba hisakanana ny lalan-dra tsy hivoa-dra.
◼ Ny taratra argon fampandriana ra, izay manampy mba tsy hampandeha ra mandritra ny fandidiana.
◼ Antsy kely fandidiana izay mihovotrovotra sy mikasokasoka. Sady mandidy no mampandry ra saika avy hatrany izy io amin’izany.
◼ Mandritra ny karazam-pandidiana sasany, ny fanafody toy ny acide tranexamique sy ny desmopressine dia matetika no ampiasaina mba hanafainganana ny fandrian’ny ra, ka hampihenana ny fivoahan-dra.
◼ Fanatoranana mampidina ny tosidra izay mampihena ny fahaverezan-dra.
Zava-dehibe koa ny fanatsarana ny milina mananty ny ra mandritra ny fandidiana. Mananty sy mampiasa avy hatrany ny ran’ilay marary, ireny milina ireny, mandritra ny fandidiana, ka tsy ilaina ny mitahiry ilay ra.c Misy aza milina vao haingana kokoa afaka mampisaraka ny taharon’ny ra, ary mampiasa indray ireo taharo ilaina, nefa dia mifandray hatrany amin’ny vatan’ilay marary ihany ilay milina mandritra izany fotoana izany.
Taorian’ilay zaikabe tany Riga, sy rehefa nandre ny zavatra ilain’i Letonia ny Vavolombelon’i Jehovah tany Soeda, dia nanao fanomezana ho an’i Letonia milina roa mpanavotra ny selan’ny ra. Niteraka hafanam-po betsaka aoka izany ny fahatongavan’ilay milina voalohany sy ny soa azo avy amin’ny fandidiana tsy ampiasana ra, hany ka nasehon’ny televiziona nasionaly tany Letonia ilay fisehoan-javatra.
Ny ankamaroan’ny sakafo na fanafody mahabe ra ampiasaina amin’ny fanomanana ilay marary alohan’ny fandidiana ihany matetika no ampiasaina amin’ny fikarakarana aorian’ny fandidiana. Kanefa, matetika ny fikarakarana ireo marary tsy nampidiran-dra no mora kokoa noho ny an’ireo izay nampidiran-dra. Fa nahoana?
Vokatra manaitra
Na dia mitaky asa betsaka kokoa aloha sy mandritra ny fandidiana aza matetika ny teknika manafoana ny fampiasana ra, dia voamarik’ireo mpandidy kosa fa mandray soa ny marary satria miverina haingana kokoa ny fahasalamany aorian’ny fandidiana. Tsy mahazo azy ireo ny fahasarotana, izay matetika no tsy misaraka amin’ny fampidiran-dra. Misy taratasy manaporofo fa fohy kokoa ny fotoana nijanonan’ny marary tsy nomena ra, tany amin’ny hôpitaly.
Nanamarika ny Dr. Todd Rosengart, ao amin’ny New York Hospital-Cornell University Medical Center (Oniversite Foibe Ara-pitsaboana), fa noho ny tetikady misy dingana valo fitsitsiana ny ra, dia afaka nanao tamim-patokian-tena fandidiana fo nosokafana, izay fandidiana sarotra, tsy nisy fampiasana ra, izy ireo. Niresaka momba ny “traikefa be dia be [azon’izy ireo] noho ny fandidiana fo nosokafana an-jatony maro tsy nisy fampiasana ra” ny Dr. Manuel Estioko, ao amin’ny Hôpitaly Good Samaritan, any Los Angeles. Nanao tatitra ny Dr. S. Subramanian fa nahomby ny fandidiana fo tsy nisy fampiasana ra tamin’ankizy, tao amin’ny Hôpitalin’ankizy any Miami.
Fandidiana sarotra ny fandidiana mahakasika ny taolana, indrindra fa ny fanoloana maoja. Na izany aza, tany Riga, dia nanao tatitra ny Dr. Olle Hägg, ao amin’ny Hôpitaly Uddevalla any Soeda, fa afaka nampihena be ny fahaverezan-dra tamin’ny marary Vavolombelon’i Jehovah ny fampiarahana ny “tetikady eo amin’ny fandidiana sy ny fikendrena tsara rehefa mandidy”. Eny tokoa, nilaza Atoa Richard R. R. H. Coombs, ao amin’ny Imperial College, Sekoly Fianarana ho Dokotera, any Londres, fa “azo atao tsy misy (...) fampidiran-dra ny 99,9 isan-jaton’ny fandidiana rehetra mahakasika ny taolana”.
Ny hoavy
Mihamitombo hatrany ny isan’ny hôpitaly sy ny dokotera mampiasa fomba fitsaboana tsy ampiasana ra. Ary nanampy be indrindra ireo zaikabe izay nahafahana nifanakalo fahalalana toy izany, satria ny dokotera nanjary nahafantatra zavatra hafa azo asolo ny ra, zavatra izay efa voaporofo fa nahomby, sady mbola ampiasaina tsy tapaka.
Nilaza toy izao ny Dr. Richard Nalick, ao amin’ny Oniversite Fianarana ho Dokotera any Kalifornia Atsimo: “Mihabetsaka hatrany ny olona maniry fitsaboana sy fandidiana tsy misy fampiasana ra (...). Fomba fitsaboana maoderina ny fitsaboana sy fandidiana tsy ampiasana ra, ka tsy tokony horaisina amin’ny fomba diso hoe ‘fitsaboana tsy mahazatra’ izay tsy mandaitra firy.”
Misy hatrany ny olana mifandray amin’ny fampidiran-dra, ary mihamitombo ny fangatahan’ny besinimaro zavatra hafa azo asolo ny fampidiran-dra; araka izany dia toa mamirapiratra koa ny hoavin’ny fandidiana tsy ampiasana ra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Manaiky fitsaboana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanany. Miorina amin’ny fandraran’ny Baiboly mazava ny tsy hampidirana ra ao amin’ny vatana anefa, dia manohitra ny fampidiran-dra izy ireo. (Genesisy 9:3, 4; Asan’ny Apostoly 15:28, 29). Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay bokikely hoe Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
b Ny firesahana momba ireo teknika maro samihafa naseho tao amin’ireo zaikabe ireo dia tsy midika velively hoe manohana ny fampiasana azy ireo ny Mifohaza! Manao tatitra momba azy ireo fotsiny izahay.
c Mba hahafantarana ny fampiasana araka ny mety ireny milina ireny sy ny anjara asan’ny feon’ny fieritreretana, dia mety ho tianao ny hijery Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1989, pejy faha-30-31.
[Sary, pejy 22]
Mihabetsaka ny dokotera manaja ny fanirian’ny marariny momba ny fandidiana tsy ampiasana ra