FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/9 p. 31
  • Fa Tena Ilaina ve ny Fampidiran-dra E?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fa Tena Ilaina ve ny Fampidiran-dra E?
  • Mifohaza!—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Mbola Hisy Foana ve ny Fampidiran-dra?
    Mifohaza!—2006
  • Famonjena ny aina amin’ny alalan’ny ra — Amin’ny fomba ahoana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Ny Fampidiran-dra — Tsy Mampidi-doza Ve?
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
  • Zavatra Tsara Kokoa azo Asolo ny Ra
    Ahoana no Ahafahan’ny Ra Mamonjy ny Ainao?
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/9 p. 31

Fa Tena Ilaina ve ny Fampidiran-dra E?

TAMIN’NY volana Novambra lasa teo ny Dr. Ciril Godec, lehiben’ny sampam-pitsaboana taovam-pamaniana, ao amin’ny Long Island College Hospital, any Brooklyn, New York, no nanoratra io fanontaniana eo ambony io, tao amin’ny lahatsoratra an-gazety iray. Izao ny nosoratany: “Azo inoana fa tsy ekena ho fanafody ny ra amin’izao andro izao, satria tsy mahafeno ny fepetra takin’ny Fitantanan-draharaha Momba ny Sakafo sy ny Fanafody amin’ny fanafody tsy ahitan-doza. Taova iray ao amin’ny vatana ny ra, ka tsy inona akory ny fampidiran-dra fa famindrana taova ihany.”

Hoy ny fanamarihan’ny Dr. Godec: “Ny famindrana taova no fomba fitsaboana farany indrindra atolotra hofidin’ny marary. Koa satria mety hiteraka vokany lehibe hafa ny famindrana taova, dia ampahafantarina tsara ny marary ny fomba fitsaboana hafa rehetra mety ho azony fidina, alohan’ny hamindrana taova aminy.” Momba ny fampidiran-dra, dia izao no fanatsoahan-keviny: “Mampisalasala aoka izany ny soa azo avy aminy, hany ka mpandidy maro no nanaraka teôrian’ny ‘tsy fampidiran-dra’, tsy noho ny antony ara-pitsaboana fotsiny, fa noho ny antony araka ny lalàna koa.”

Ny olana lehibe amin’ny fampidiran-dra dia ny nisian’ny olona an’arivony maro tratran’ny aretina mahafaty, anisan’izany ny SIDA. Na dia nihatsara aza ny fomba fitsirihana ra tany amin’ny toerana maro, dia nanazava ny Dr. Godec hoe: “Ny mety hitondra loza dia ny ra nomen’olona mitondra otrikaretina, nefa mbola tsy mamoaka anticorps [mpisetra] ka tsy hita amin’ny alalan’ny fitsirihana.”

Rehefa namarana ny lahatsorany ny Dr. Godec dia nametraka ilay fanontaniana hita erỳ ambony: “Arakaraka ny hahatakaran’ireo dokotera sy mpandidy tsara kokoa ny fizotran’ny famoahana ôksizenina sy haneken’izy ireo fa tsy ilaina ho avo araka ny niheverana azy teo aloha ny habetsahan’ny hemôglôbinina, dia manjary azon’izy ireo atao mazàna ny mahita zavatra hafa asolo ny fampidiran-dra. Vao herintaona monja izay, dia nisy fahaverezan-dra betsaka tokoa ny famindrana fo sy aty, fandidiana sarotra, hany ka noheverina foana fa nilana ra betsaka ho solon’ny very. Natao tsy nila fampidiran-dra izao ireo fandidiana roa ireo.

“Tena azo antenaina ny hanafoanana tanteraka ny fampidiran-dra amin’ny hoavy tsy ho ela. (...) Tsy vitan’ny hoe lafo sy mampidi-doza ny fampidiran-dra, fa tsy manome tsotra izao ny fitsaboana faran’izay tsara, mendrika ho an’ny marary.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara