FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/9 p. 32
  • “Izany ka Fanazavana Tsara!”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Izany ka Fanazavana Tsara!”
  • Mifohaza!—1999
Mifohaza!—1999
g99 8/9 p. 32

“Izany ka Fanazavana Tsara!”

Ahoana no ahitan’ny tanora zava-kendrena eo amin’ny fiainana, ahatakarany izay mahazo azy, na ianarany hifanara-tsaina tsara amin’ny ray aman-dreniny? Vao haingana izay, dia naharay taratasy ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Espaina. Izao no ampahany amin’izany taratasy izany:

“Manoratra ho anareo aho mba hiderana anareo amin-kafanam-po noho ny asa tsara ataonareo tamin’ny namoahanareo boky mahatalanjona, toy ilay mitondra ny lohateny hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra. Izany ka fanazavana tsara! Midera ireo mpanoratra sy mpanonta azy io aho, satria nanatanteraka ny nofinofin’ny tanora an’arivony maro izy ireo.

“Tovovavy 21 taona aho ary efa nitodika tany amin’ny Baiboly sy nianatra azy io. (...) Noho ny kisendrasendra fotsiny, tamin’ny alalan’ny namana iray, no nahazoako ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra.

“Tamin’ny voalohany, dia nihevitra aho hoe tsy hitondra fanampiana ho ahy izy io. Nitombo tsikelikely anefa ny fahalianako tamin’ny famakiana azy. Nahatonga ahy hieritreritra zavatra maro, toy ny hoe ahoana no tokony hitondrako ny fiainako, izy io, ary namaly tsikelikely ny fanontaniako. Noho izaho manana zava-tsarobidy toy io, dia nianatra nahazo ny fihevitry ny ray aman-dreniko aho, sy nianatra namela heloka, ary nianatra ny ho tonga vehivavy lehibe sy ny hitondra tena toy izany.”

Raha ta handray soa avy amin’ny fanazavana ao amin’ny boky Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra ianao, dia afaka mahazo boky iray, raha mameno ilay tapakila etsy ambany sy mandefa azy io any amin’ilay adiresy aseho eo amin’ilay tapakila, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza ao amin’ny pejy faha-5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso iray amin’ilay boky hoe Manontany ny Tanora — Valiny Mandaitra aho.

□ Mba andefaso olona atỳ an-tokantranoko aho, hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara