FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • kc toko 14 p. 127-140
  • Manjaka ilay Mpanjaka!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manjaka ilay Mpanjaka!
  • “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NY FILAZANA NY HEVITRY NY NOFY IRAY
  • “NY FOTOANA VOAFETRA HO AN’IREO FIRENENA”
  • INONA NO DIKAN’NY HOE “JEROSALEMA”?
  • ‘NOHITSAHINA’ — MANDRA-PAHOVIANA?
  • NY FAHATANTERAHANA LEHIBE INDRINDRA
  • NY FAHARETAN’NY “FETR’ANDRO FITO”
  • NY FANJAKANA ARIVO TAONA — RAHOVIANA?
  • “IZAO TARANAKA IZAO” — TARANAKA INONA IZANY?
  • Ahariharin’ny nofy iray fa fohy ny fotoana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • 1914: Taona Miavaka ao Amin’ny Faminanian’ny Baiboly
    Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?
  • Inona no Asehon’ny Fanisan-taonan’ny Baiboly Momba ny Taona 1914?
    Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Mahaiza mankasitraka — Manapaka ny Fanjakana Mesianikan’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
Hijery Hafa
“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao”
kc toko 14 p. 127-140

Toko Faha-14

Manjaka ilay Mpanjaka!

1, 2. a) Tamin’ny ahoana moa ny taona 1914 no mbola lehibe kokoa ihany noho ny niheveran’ireo mpanoratra tantara azy? b) Ahoana no nanambaran’ny Ny Tilikambo Fiambenana ny 1914, taona maro nialoha?

TSY azo lavina fa ny taona 1914 dia nanamarika fiolahana teo amin’ny raharahan’ireo firenena sy ny olombelona amin’ny ankapobeny. Mifono heviny mbola lehibe lavitra noho ny fiheveran’ny ankamaroan’ireo mpanoratra tantara azy anefa io taona io. Tamin’io fotoana io tokoa no nitranga ireo fisehoan-javatra hafa dia hafa nisy fifandraisana tamin’ny ‘fahatongavan’ny’ Fanjakan’Andriamanitra. Taona maromaro talohan’izay tokoa, dia somary tsy andrin’ny olona nianatra tamim-pitandremana ny Baiboly izay hahatongavan’ny 1914. Nahoana?

2 Tokony ho 34 taona talohan’io daty io, ilay gazety hoe Zion’s Watch Tower and Herald of Christ’s Presence dia nanambara, tao amin’ireo fanontany tamin’ny desambra 1879 sy martsa 1880, fa daty voamarika ao amin’ireo faminanian’ny Baiboly ny 1914. Ny lahatsoratra iray nivoaka tao amin’ny nomeraon’ny jona 1880 dia nanintona ny saina fa tsy ho ela dia ho tapitra “ny andron’ny jentilisa (Lioka 21:24)”. Na dia tsy takany aza ny tena naha-zava-dehibe ny zavatra hiseho tamin’izay, dia nasehon’ny mpanao an’io lahatsoratra io ihany fa araka ny fandaharan-taonan’ny Baiboly, ny vanim-potoana iray nisy “fetr’andro fito” na 2520 taona, nampiharan’ireo firenena ratsy fanapahana, vanim-potoana nanomboka tamin’ny fandravana voalohany an’i Jerosalema fahiny, dia tokony hifarana “amin’ny 1914”. Izao no nosoratany: “Ny vanim-potoana lava nisy 2520 taona sy (...) ny zavatra nangidy nihatra [tamin’ny olon’Andriamanitra] teo ambany fanapahan’ireo biby (ireo fitondram-panjakan’olombelona, Dan. vii.) dia aseho mazava ao amin’ny Dan. iv. amin’ireo ‘fetr’andro fiton’i’ Nebokadnezara sy ny zavatra nangidy nihatra taminy teo amin’ireo biby.” Fa inona àry izany “fetr’andro fito” izany?

NY FILAZANA NY HEVITRY NY NOFY IRAY

3. Inona no fahamarinana lehibe voambara ao amin’ny Daniela 4:22?

3 Ny toko faha-4 amin’ny bokin’i Daniela ao amin’ny Baiboly dia milazalaza nofy ara-paminaniana hafa dia hafa iray izay mampiseho fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. (Daniela 4:22.) Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, no nanana an’io nofy io ka nitantara izany tamin’i Daniela mpaminany mba hilazany ny heviny taminy.

4-6. a) Inona no nofin’i Nebokadnezara? b) Inona no filazana ny heviny nomen’i Daniela? d) Ahoana no nahatanterahany? e) Niaiky ny amin’inona i Nebokadnezara rehefa niakatra ho eo amin’ny seza fiandrianana?

4 Hitan’i Nebokadnezara tamin’ny fahitana àry ny hazo makadiry iray hita maso hatrany amin’ny faran’ny tany manontolo. Nanome hanina sy fialofana ho an’ny rehetra izy io. Nisy “masina” avy any an-danitra anefa nandidy ny hikapana ny hazo ka ny fotony dia hasiana fehy vy sy varahina, dia metaly mafy indrindra fantatra tamin’izany fotoana izany. “Fetr’andro fito” no holanina amin’ilay hazo notanana tao anatin’izany toe-javatra izany.

5 Nilaza ny hevitr’io fahitana ara-paminaniana io i Daniela ka nanazava fa ilay hazo tamin’ny fahalehibeazany rehetra dia nampiseho an’i Nebokadnezara. Tokony ‘hokapaina’ na haetry izy io. Ho tahaka ny biby any an-tsaha i Nebokadnezara mandritra ny “fetr’andro fito”. Kanefa, tahaka ny tsy nanafoanana tanteraka an’ilay “hazo”, dia tahaka izany koa fa haverina indray eo amin’ny seza fiandrianany ilay mpanjaka amin’ny fahataperan’ny “fetr’andro fito”. — Daniela 4:16-24.

6 Izany no tena nitranga tamin’i Nebokadnezara. Naetry izy ka tonga sahala amin’ny biby noroahina tsy ho any amin’ny fonenan’ny olona sy nihinan-javamaniry. Araka ny tena hita, ireo “fetr’andro fito” ireo dia naharitra fito taona, ka nandritra izany fotoana izany i Nebokadnezara dia ‘niharan-javatra nangidy teo amin’ny biby’. Nanjary lava tahaka ny an’ny voromahery ny volony ary tahaka ny an’ny vorona ny hohony. Tamin’ny farany dia nody taminy ny sainy sy ny seza fiandrianany, ka nidera sy nankalaza ny “Mpanjakan’ny lanitra” izy ary nanaiky azy ho Ilay manapaka tokoa ka “ny fanjakany hahatratra ny taranaka fara mandimby”. — Daniela 4:25-34.

7-9. a) Tao amin’ny faminaniana inona moa Jesosy no niresaka ny amin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa? b) Fanontaniana inona avy no mahaliana antsika tokoa?

7 Fa inona no ifandraisan’izany rehetra izany amin’ny taona 1914?

“NY FOTOANA VOAFETRA HO AN’IREO FIRENENA”

8 Raha nilazalaza ‘ny famantarana ny fifaranan’ny fandehan-javatra i Jesosy Kristy, dia izao no nambarany:

“Jerosalema hohitsahin’ireo firenena mandra-pahatapitry ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena.” (Lioka 21:24, MN).

Eo Jesosy dia miresaka ny amin’ireo “firenena” jentilisa, izany hoe tsy jiosy. Ahitana ny fitenenana hoe “andron’ny Jentilisa” ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany, anisan’izany ny an’i Crampon (1905). Olona be dia be no nanontany tena toy izao: Inona moa no atao hoe ‘andron’ny Jentilisa” na ‘fotoana voafetra ho an’ireo firenena’? Vanim-potoana inona moa no noeritreretin’i Jesosy? Oviana no nanomboka izany ary rahoviana izy no tokony hifarana?

9 Efa hitantsika fa ny faminaniana lehibe nolazain’i Jesosy ny amin’ny “famantarana” dia nisy heviny tena lehibe tokoa ho antsika amin’izao andro izao. Tokony ho fantatsika koa àry ny valin’ireo fanontaniana ireo.

INONA NO DIKAN’NY HOE “JEROSALEMA”?

10-12. a) Araka ny filazan’ny mpandinika Baiboly iray, tandindon’ny inona moa ireo fisehoan-javatra nitranga teo anelanelan’ny 29 sy 70? b) Inona no heviny malalaka kokoa azo omena ny teny hoe “Jerosalema” ao amin’ny Lioka 21:24? d) Inona no lazain’ny “encyclopédie” iray fantatra tsara amintsika ny amin’izany? e) Mampiseho inona àry “Jerosalema”?

10 Raha nivaofy ny faminanian’i Jesosy ny profesora A. Robertsona dia nilaza fa Jesosy dia nampiasa “ny fandravana ny tempoly sy Jerosalema izay nitranga tao anatin’io taranaka io, tamin’ny 70, ho mariky ny fahatongavany fanindroany sy ny fahataperan’izao tontolo izao na fahataperan’ny andro”. Afaka manontany tena toy izao àry isika. Afa-tsy izay nitranga tany Jerosalema tamin’ny 70, inona no nety ho dikan’ny hoe “Jerosalema” ao amin’ny Lioka 21:24 lehibe kokoa sy lavitra kokoa noheverin’i Jesosy?

11 Jesosy dia nihevitra an’i Jerosalema ho renivohitr’Isiraely, tanàna nipetrahan’ireo mpanjaka izay nandimby an’i Davida sy voahosotr’i Jehovah teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” izay nampiharan’izy ireo ny fanapaham-piandrianany ho an’Andriamanitra. Ny tempolin’io tanàna io koa no foiben’ny fanompoam-pivavahana marina ho an’ny tany rehetra (I Tantara 28:5; 29:23; II Tantara 9:8). Manambara toy izao ny Cyclopædia nosoratan’i M’Clintock sy Strong: “Nanjary fonenan’emperora ho an’ny mpanjaka teo amin’ny Isiraely rehetra i Jerosalema. Ny tempoly, nantsoina matetika hoe ‘tranon’i Jehovah’, dia nahaforona tao anatin’izany fotoana izany koa, fonenan’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, dia ilay Filoha tampon’ny Fanjakana teokratika (...). Tsy tena lehibe Jerosalema teo amin’ny lafiny ara-politika; tsy renivohitry ny empira nahery iray izay nitarika ny raharahan’ny Fanjakana hafa izy io, fa nitana toerana avo dia avo tao anatin’ny fahatsinjovan-javatra namirapiratra nambaran’i Davida fony izy nilaza ny finoany ny fahatongavan’ny Mesia iray [Salamo 2:6; 110:2].” — Boky IV, pejy faha-838.

12 Ny nipetrahan’ireo mpanjaka nandimby an’i Davida teo amin’ny “seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah” dia manipika tsara fa an’Andriamanitra ilay fanjakana raha ny marina. Ny fanjakan’ny Isiraely, manana an’i Jerosalema ho renivohitra, dia fanjakan’Andriamanitra tandindona. Nampiseho ny fanjakan’Andriamanitra àry “Jerosalema”.

13, 14. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa Jerosalema no nanomboka ‘nohitsahina’?

13 Aoka hotadidiantsika ny tenin’i Jesosy manao hoe: “Ary Jerosalema hohitsahin’ireo firenena mandra-pahatapitry ny fotoana voafetra ho an’ireo firenena.” (Lioka 21:24, MN). Oviana “Jerosalema” no nanomboka ‘nohitsahina’? Miharihary tokoa fa ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy tany Betlehema, satria hatramin’ny ela ireo mpandimby an’i Davida mpanjaka no nitsahatra tsy nanjaka tao Jerosalema. Tapitra ny tarana-mpanjaka mpandimby an’i Davida fony nanongana an’i Zedekia tsy ho eo amin’ny seza fiandrianana ireo mpanafika babyloniana notarihin’i Nebokadnezara.

14 Ny fitantaran’ny Baiboly marina ara-tantara dia milaza amintsika izay nitranga noho ny fihetsika ratsy nasehon’ny vahoaka sy Zedekia mpanjaka. Izao no vakintsika: ‘Nihatra tamin’ny olony ny fahatezeran’i Jehovah, ka tsy nisy nahavonjy azy. Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ny Kaldeana [Babyloniana], izay namono ny zatovony tamin’ny sabatra (...); izy rehetra dia natolony [Andriamanitra] ho eo an-tànany [Nebokadnezara] avokoa. Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, — ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa. Dia nodorany koa ny tranon’Andriamanitra, ary noravany ny màndan’i Jerosalema.’ (II Tantara 36:11, 12, 16-20). Tamin’izay fotoana izay no nanomboka ‘nohitsahina’ Jerosalema.

‘NOHITSAHINA’ — MANDRA-PAHOVIANA?

15-17. a) Iza no namoy ny naha-‘tena tompon’ny fanjakan’i Davida azy tokoa’, ary tamin’ny fomba ahoana? b) Iza no hahazo izany zo izany, ary haharitra toy inona? d) Inona àry ny fanontaniana mety ny hametrahana azy? e) Nahoana no nety raha Daniela no namaly an’io fanontaniana io?

15 Ezekiela mpaminany dia nanambara tamin’izao teny izao ny fianjeran’i Zedekia mpanjaka, ny farany tamin’ireo mpandimby an’i Davida izay nanjaka tao amin’ilay Jerosalema teto an-tany:

“Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Hesorina ny hamama, ary halana ny satroboninahitra, tsy ho ao intsony ireo (...) Havadiko, havadiko, havadiko izany; fa izany koa aza dia tsy mba haharitra mandra-pahatongan’izay tena tompony tokoa, ka homeko azy izany.” — Ezekiela 21:31, 32.

16 Na dia verin’i zedekia mpanjaka aza tamin’izay ny naha-“tena tompony tokoa” azy raha ny amin’ny fanjakana avy amin’i Davida, dia ho “tompony” indray ilay Mesia nampanantenaina ka hanjaka “mandrakizay” ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra (Lioka 1:32, 33). Fa hisy fotoana toy inona alohan’ny hanombohan’ny fanapahan’ilay Fanjakana mesianika, izay nanana ho tandindona nampiseho azy, ny fanjakan’ny Isiraely teto an-tany izay Jerosalema no renivohiny?

17 Fantatr’i Jehovah Andriamanitra izany ary, toy ny nanambarany zavatra hafa be dia be momba ny ho avy, dia azony natao koa ny nanambara ao amin’ny Teniny hoe hafiriana no tsy maintsy hiandrasana. Ao amin’ny teniny ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”, Jesosy dia nanisy fitenenana imbetsaka ny amin’ny faminanian’i Daniela izay nanambaran’Andriamanitra tamin’ny fomba hentitra, fisehoan-javatra maro tokony hitranga any an-danitra sy eto an-tany (ampitahao ny Matio 24:3, 15, 21, 30 sy Daniela 9:27; 11:31; 12:1; 7:13). Moa ve ny faminaniana ny amin’ny “fito-polo herinandro” voalaza ao amin’ny Daniela 9:24-27 tsy nampiseho ny fotoana marina hahatongavan’ny Mesia voalohany? Tsy ho araka ny fandrindran-kevitra ve ny hampihariharian’io mpaminany io ihany amintsika ny fotoana hahatongavan’ny Mesia fanindroany? Ao amin’ny toko fahefatra amin’ny bokin’i Daniela no ahitantsika izany fanazavana ara-paminaniana izany izay mahakasika antsika mivantana.

NY FAHATANTERAHANA LEHIBE INDRINDRA

18. a) Inona no nety ho antony tsy niresahan’ireo tantara voalahatra tsy ara-pivavahana ny amin’ny hadalan’i Nebokadnezara? b) Nahoana isika no tokony hihevitra izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra eo?

18 Efa nojerentsika ny fahatanterahana voalohany tandindona tamin’ny faminanian’i Daniela momba ny “fetr’andro fito” ary nomarihintsika fa nitranga izany rehefa very saina nandritra ny fito taona ara-bakiteny i Nebokadnezara. Tsy tokony ho gaga isika ny amin’ny tsy anomezan’ny tantara tsy ara-pivavahana antsika mihitsy, antsipiriany ny amin’ireo fito taona tsy nampiharan’i Nebokadnezara ny fiandrianana. Fantatra tsara tokoa fa ireo mpandahatra tantaran’i Egypta sy Asyria ary Babylona fahiny dia tsy nitahiry an-tsoratra tao amin’ny tantara nalahany izay rehetra nety ho nahasakodiavatra an’ireo mpanjaka. Izany rahateo no anankiray amin’ireo antony mahatonga an’ireny tantara voalahatra ireny tsy ho mendrika inoana toy ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra. Manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra fa tena tanteraka tokoa ilay fahitana hita tamin’ny nofin’i Nebokadnezara. Ampahafantarin’ny teny ao amin’ny faminaniana koa fa tokony hahita fahatanterahany hafa iray lehibe lavitra izany, ary tanteraka koa io. Tamin’ny fomba ahoana?

19. Nahoana moa no ara-dalàna ny anampian’io fahitana io antsika hametra ny faharetan’ny andron’ny Jentilisa?

19 Aoka homarihintsika fa ilay nofy resahina dia nomena ny mpanjakan’i Babylona, dia ilay nampiasaina mihitsy handrodana ny fanjakan’Andriamanitra tandindona teto an-tany sy hanorina ny fanapahan’ny Jentilisa na tsy Jiosy an’izao tontolo izao. Araka ny hita tokoa, io fahitana io dia tsy nomena taona maro taorian’io fikorontanana tena lehibe io, taorian’ny nitsaharan’ny Isiraely tsy ho fanjakana tandindona izay tamin’ny alalany no nampiharan’i Jehovah ny fanapahany. Ambonin’izany, ny toko faha-4 amin’ny bokin’i Daniela dia manipika imbetsaka ny hevitra tena lehibe amin’ilay faminaniana, dia ny hoe “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona ka manome izany ho an’izay tiany”. (Daniela 4:14, 23, 31, 32.) Manana antony tsara tokony handinihana an’io fahitana io àry isika mba hahazoana fanazavana ny amin’ny fotoana haharetan’ny fanapahan’ireo firenena na ny Jentilisa ny tany.

20. Inona no fanontaniana apetratsika amin’ny tenantsika, ary aiza no mety hahitantsika ny valiny?

20 Raha isaina manomboka amin’ny fotoana nirodanan’ny Fanjakan’Andriamanitra tandindona nanana taranak’i Davida iray ho mpanjaka, fotoana toy inona no ho lany mandra-pampihatran’Andriamanitra indray ny fanapahany amin’ny alalan’ny fanjakana iray mahakasika ny tarana-mpanjaka avy amin’i Davida izay ny Mesia no ho Mpanjakany? Ny toko faha-4 amin’ny bokin’i Daniela dia mahatonga ho afaka hamantatra ny faharetan’ny andron’ny Jentilisa na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena” hanitsahan’ireny firenena ireny an’i “Jerosalema”, izany hoe ny fanjakan’Andriamanitra. — Lioka 21:24, MN.

21. Inona no asehon’ny Daniela 4:12-14 sy Joba 14:7 ny amin’ny tarehin-javatra nanaraka ny nianjeran’i Zedekia?

21 Io vanim-potoana io dia nanomboka tamin’ny taona nanesoran’i Nebokadnezara an’i Zedekia mpanjaka tsy ho eo amin’ny seza fiandrianana tany Jerosalema. Hatramin’izay, ny fiandrianan’i Jehovah nasehon’ny tarana-mpanjaka jodiana, dia ‘nokapaina’. Nofatorana izany, sahala amin’ilay foto-kazo nofehezina vy hitan’i Nebokadnezara tamin’ny nofy. Ireo firenena jentilisa, tahaka ny biby, dia nampihatra ny empirany nanerana ny tany manontolo. Nisy fanantenana ho an’ilay “hazo” anefa; “hitsimoka indray” izy io. Dia ho fantatry ny velona amin’izay fa “ny Avo Indrindra no manapaka amin’ny fanjakan’ny olona”. — Daniela 4:12-14; Joba 14:7; ampitahao amin’ny Isaia 11:1, 2; 53:2.

22. Oviana ary tamin’ny fomba ahoana moa ilay “hazo” mampiseho ny Fanjakana no nivelatra indray?

22 Ao amin’io fanjakana tafaorina indray io, ny Avo Indrindra dia manjaka amin’ny alalan’ny Mesiany. Nefa izany dia tsy nitranga fony io Mesia io niseho voalohany ho olombelona tanteraka teto an-tany ka naniratsira azy ny Jiosy ary tsy nety nanaiky azy ho mpanjaka. Nesorina anefa ireo fatorana namehezana an’ilay foto-kazo, ka nivelatra indray ilay “hazo”, izany hoe ilay Fanjakana, rehefa tonga tao amin’ny voninahiny ny “olona ambany toetra [ny manetry tena indrindra amin’ny olombelona, MN]” mba ho mpanjakan’ny olona avy amin’ny firenena rehetra any an-danitra. Amin’izay, amin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa, no tonga “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny” ny fanjakana amin’izao tontolo izao. — Apokalypsy 11:15; Daniela 4:14, 22.

NY FAHARETAN’NY “FETR’ANDRO FITO”

23. Nahoana moa ny andron’ny Jentilisa no tokony hitohy hatramin’izao androntsika izao?

23 Miharihary fa ny “fetr’andro fito” ampiharina amin’ny andron’ny Jentilisa dia tokony ho lava lavitra noho ny fito taona ara-bakiteny. Aoka tsy hohadinointsika fa nifandray tamin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra” no niresahan’i Jesosy ny amin’ny ‘fahataperana’ na ny faran’izany andron’ny Jentilisa izany. (Lioka 21:7, 24; Matio 24:3, MN.) Tokony hitohy hatramin’ny androntsika àry izany “fetr’andro fito” izany. Fa naharitra fotoana toy inona tokoa moa izany?

24. Ahoana no azontsika ilazalazana ny faharetan’ny “fetr’andro fito”?

24 Raha heverina amin’ny toko faha-12 amin’ny Apokalypsy, dia marihina eo amin’ny andininy faha-6 sy faha-14 fa ny 1260 andro dia mifanitsy amin’ny “fetr’andro iray sy fetr’andro roa ary antsasaky ny fetr’andro”, raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe 1+2+1⁄2, izany hoe fetr’andro 3 1⁄2. Noho izany, ny “fetr’andro iray” dia mifanitsy amin’ny 360 andro na 12 volana araka ny volana misy 30 andro avy. Ny “fetr’andro fito” dia mitovy amin’ny 2520 andro, nefa araka ny fomba fanisa ao amin’ny Baiboly sy ara-paminaniana, izany hoe “andro iray hosoloana taona iray”, raha ny marina, izany dia vanim-potoana misy 2520 taona (Nomery 14:34; Ezekiela 4:6). Toy izany àry ny faharetan’ny “fetr’andro fito”, ny andron’ny Jentilisa.

25. Inona no fifandraisana misy amin’ny “fitopolo taona” resahina ao amin’ny Jeremia 25:11 sy ny fanombohan’ny andron’ny Jentilisa?

25 Ny Tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hamantatra hoe daty inona ao amin’ny fanisanandro no mifanitsy amin’ny fanombohan’ny andron’ireo firenena. Araka ny efa nolazainay, dia navelan’i Jehovah ny Babyloniana handresy ny olony, handrava an’i Jerosalema sy ny tempoliny, hanaisotra an’i Zedekia tsy ho eo amin’ny “seza fiandrianan’ny fanjakan’i Jehovah” sy hitarika ny Jiosy ho babo any Babylona (I Tantara 28:5). Ireo zava-niseho nanaraka izany avy hatrany, “tamin’ny volana fahafito”, dia nanosika ireo Jiosy vitsivitsy tafajanona tao amin’ilay tany, handositra ho any Egypta, hany ka foana tanteraka Joda (II Mpanjaka 25:1-26; Jeremia 39:1-10; 41:1 ka hatramin’ny 43:7). Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminaniny, dia nambaran’i Jehovah fa haharitra 70 taona izany fahafoanana izany (Jeremia 25:8-11), aorian’izany, dia ‘hovaliany ny mpanjakan’i Babylona’ ka ‘hampodiny ho amin’io tany io’, izany hoe ao amin’ny taniny, ny olony. — Jeremia 25:12; 29:10.

26. a) Vavolombelona nahita maso ny inona moa Daniela, ary inona no takany? b) Ahoana no azontsika amerana ny volana sy ny taona nahatanterahan’ny faminaniana fampodiana nomen’i Daniela? d) Inona àry io daty io?

26 Ny tenan’i Daniela koa dia niaina nandritra ny taona maro tany amin’ny fahababoana tany Babylona. Tamin’ilay alina nahalasanan’ilay tanàna teo an-tanan’ny Mediana sy ny Persiana, dia vavolombelona nahita maso ny fahatanterahan’ny teny nolazain’ny tenany ara-paminaniana mbamin’ny faminaniana hafa notononina ho fanoherana an’i Babylona, izy (Daniela 5:17, 25-30; 6:1; Isaia 45:1, 2). Araka ny filazan’ireo mpanoratra tantara, dia nianjera ilay tanàna tamin’ny oktobra taona 539 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Fotoana fohy taorian’izay, dia takatr’i Daniela, tamin’ny famakiana ny faminanian’i Jeremia fa ireo 70 taona fahababoana sy fahafoanan’i Jerosalema dia hifarana tsy ho ela (Daniela 9:2). Marina ny teniny, satria tamin’ny taona voalohany nanjakany, izay nisain’ny ankamaroan’ny mpanoratra tantara nanomboka tamin’ny lohataonan’ny 538, Kyrosy Persiana dia namoaka didy izay namela ny Jiosy hiverina tany amin’ny taniny, mba honina ao indray sy hanorina ao indray ny tempolin’i Jehovah (II Tantara 36:20-23; Ezra 1:1-5). Ny fitantaran’ny Baiboly ara-tsindrimandry dia milaza amintsika fa namaly avy hatrany ny didin’i Kyrosy ny Jiosy ary, ‘nony tonga ny volana fahafito, dia tafapetraka teny amin’ny tanànany avy ny Zanak’Isiraely’. (Ezra 3:1.) Araka ny fanisanandrontsika, izany dia tamin’ny oktobra 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana, daty nanamarika ny fahataperan’ny 70 taona fahafoanana nambara.

27. a) Oviana no nanomboka ireo 70 taona, ary tamin’ny fisehoan-javatra inona? b) Maharitra toy inona ny “fetr’andro fito”, ka noho izany dia rahoviana no tokony hahataperany? d) Faminaniana lehibe hafa inona no nanomboka tanteraka tamin’io daty io? e) Tsy nitsahatra nanao inona Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny taonjato iray mahery?

27 Zava-dehibe tokoa ho antsika izany fanazavana ara-tantara izany satria mahatonga antsika ho afaka hamantatra ny fanombohan’ny “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”. Raha nifarana tamin’ny 537 ireo 70 taona nahafoanan’i Joda sy Jerosalema, izany dia nanomboka tamin’ny 607 izay taona tsy nipetrahan’i Zedekia intsony teo amin’ny “seza fiandrianan’i Jehovah” tany Jerosalema. Nanamarika ny fanombohan’ny andron’ireo firenena àry io daty io. Raha isaina nanomboka tamin’ny oktobra 607, ireo “fetr’andro fito” na 2520 taona dia mitarika antsika ho amin’ny voalohandohan’ny oktobra 1914, daty izay, araka ny efa nahitantsika azy, nanombohan’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy lehibe ny amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Misy fanazavana mendrika inoana omena ao amin’ny Tenin’Andriamanitra mahatonga ho afaka hanao izany fanatsoahan-kevitra izany, izay notohanan’ny Ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny taonjato iray mahery izao.

28, 29. a) Tokony ho velom-pankasitrahana an’Andriamanitra isika noho ny nitehirizana fanazavana tsy ara-pivavahana inona ao amin’ny Teniny? b) Nahoana isika no manana antony tsara tokony hamerana ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa ho tamin’ny oktobra 1914 fa tsy tamin’ny daty hafa?

28 Tena afaka ny ho velom-pankasitrahana an’i Jehovah isika noho ny nitehirizany ao amin’ny Teniny ara-tsindrimandry izany fanazavana hentitra sy ilaina rehetra izany momba ny Jiosy sy ny Babyloniana ary ny Mediana sy Persiana tamin’ny taonjato fahenina alohan’ny fanisan-taona iraisana. Raha tsy izany, dia ho sarotra tokoa ny hametra ny daty marin’ireny fisehoan-javatra tamin’ny lasa ireny, satria miharihary fa tsy feno ireo tantara voalahatra tsy ara-pivavahana mahakasika io vanim-potoana io.

29 Ny sasany, izay mifototra indrindra amin’ireny tantara voalahatra ireny dia mieritreritra ihany fa noravana Jerosalema tamin’ny 587/586 alohan’ny fanisan-taona iraisana ary latsaka teo ambany fahefan’ny Babyloniana ny Jiosy tamin’ny taona niakaran’i Nebokadnezara teo amin’ny seza fiandrianana, izany hoe araka ny filazan’izy ireo, tamin’ny 605 alohan’ny fanisan-taona iraisanab. Ho an’ireny olona ireny, dia tamin’ny 605 no nanomboka tanteraka izao tenin’i Jeremia (25:11) manaraka izao: “Ho foana ilay tany manontolo; ary hanompo eo amin’ny jentilisa mandritra ny fitopolo taona izy ireo.” (Septante). Raha izany no izy, ary raha lazaina fa nanomboka tamin’io daty io ny andron’ny Jentilisa, ny faran’ny “fetr’andro fito” ara-paminaniana dia ho tamin’ny 1916, nandritra ny Ady Lehibe Voalohany. Nefa araka ny efa nolazainay, dia heverinay fa manana antony tsaratsara kokoa izahay mba hanekena ireo fanazavana omen’ny Teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, izay manondro ny fanombohan’ny andron’ny Jentilisa ho tamin’ny oktobra 607, ary ny fahataperany ho tamin’ny oktobra 1914.

NY FANJAKANA ARIVO TAONA — RAHOVIANA?

30. Inona avy no fisehoan-javatra mitambatra mahatonga ho afaka hamantatra fa “andro farany” ny vanim-potoana nanomboka tamin’ny 1914?

30 Afaka ny ho faly isika noho ny nampanoratan’Andriamanitra efa ela be tokoa izay ao amin’ny Teniny, faminaniana izay mahatonga antsika ho afaka hamantatra amin’ny fomba mazava toy izany fa tonga tamin’ny naha-Mesia i Jesosy tamin’ny taona 29 ary ny ‘fanatrehany’ amin’ny maha-Mpanjaka any an-danitra dia nanomboka tamin’ny 1914. Raha mbola mitohy “ny fifaranan’ny fandehan-javatra”, dia hitantsika miharatsy manodidina antsika ireo toe-javatra nambaran’i Jesosy mba ho haintsika havahana. Ny ady maneran-tany, ny mosary, ny areti-mandringana, ny horohorontany, ny tsy firaharahana lalàna, ny tsy fisiam-pitiavana, ny fankahalana sy ny fanenjehana an’ireo izay miaro ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, izany zavatra rehetra izany mitambatra no nahatonga antsika ho afaka hahafantatra ny “andro farany”. — II Timoty 3:1, MN; Matio 24:3-12; Marka 13:7-13.

31. a) Inona no torohevitra nomen’i Jesosy ho an’ny androntsika, ary nahoana? b) Mety hirona hametraka fanontaniana inona isika ary inona no valiny omen’i Jehovah?

31 Haharitra toy inona izany tarehin-javatra maharaiki-tahotra izany? Rehefa nandray fiandrianana izao i Jesosy Kristy mba ho Mpanjaka mpiady, dia manana antony tsara tokony hinoana isika fa tsy tokony hiandry ela vao hanatanteraka ny fanamelohan’Andriamanitra an’ireo fahavalony izy. “Fa ny amin’izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala”. Tsy misy ilàna mihitsy ny hieritreretana ny amin’ny daty iray àry. Tokony harahintsika anefa izao torohevitr’i Jesosy izao: “Koa amin’izany miambena hianareo.” (Marka 13:32; Matio 24:42). Koa satria miharatsy ny toe-piainana eto an-tany ka miseho ho tsy miraika amin’ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ny olona amin’ny ankapobeny, dia angamba isika mirona hanahaka an’ilay mpaminanin’Andriamanitra ka hanontany tena toy izao ny amin’ny fitoriantsika: “Tompo [Jehovah, MN] ô, mandra-pahoviana anefa?” Mamaly toy izao Andriamanitra:

“Mandra-pahafoanan’ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano tsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa.” (Isaia 6:10-12).

Amin’ny fotoana voatendriny, Jehovah dia hampihatra ny fanamelohany, eo amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aloha, avy eo dia eo amin’ny tapany hafa rehetra amin’izao tontolo izaon’i Satana. Hanomboka aorian’izany avy hatrany ny fanjakam-piadanana arivo taonan’i Kristy. — Apokalypsy 20:1-3, 6.

“IZAO TARANAKA IZAO” — TARANAKA INONA IZANY?

32. Inona no fanontaniana mipetraka ny amin’ny Matio 24:34?

32 Tao amin’ny faminaniany lehibe ny amin’ny “famantarana”, dia nanome toky antsika toy izao i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’izany rehetra izany.” (Matio 24:34). Koa satria tsy noferany ny tena faharetan’ny taranaka iray, ahoana no tokony handraisana ny hevitry ny fitenenana hoe “izao taranaka izao”?

33. a) Inona moa “izao taranaka izao” tamin’ny andron’i Jesosy? b) Inona àry no azontsika lazaina raha ny amin’ny “taranaka” tamin’ny 1914-1918?

33 Tamin’ny andron’i Jesosy, dia nisy mpianatra nandre ny teniny sy sasany tamin’ireo niara-belona taminy, tafita velona tamin’ny “fahoriana” farany namely ny fandehan-javatra jiosy. Izy ireo no nahaforona ny “taranaka” tamin’ny andron’i Jesosy. Amin’ny fotoana anoratanay an’ireto andalan-tsoratra ireto, dia mbola misy, any Etazonia fotsiny, olona 10 000 000 mahery efa be taona izao, nahita maso ny “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914-1918. Mbola ho velona mandritra ny taona maro angamba ny sasany amin’izy ireny. Milaza marina amintsika anefa i Jesosy fa alohan’ny hanjavonan’izao “taranaka izao”, dia ho avy amin’ny maha-“Zanak’olona” izy mba hampihatra ny fanamelohan’Andriamanitra ny fandehan-javatr’i Satana (Matio 24:8, 21, 37-39). Tokony hifoha hatrany isika eo am-piandrasana ny ‘fahatongavan’ilay Fanjakana’.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Word Pictures in the New Testament, boky I, p. 188.

b Jereo Fanampiny, pejy faha-186.

[Efajoro, pejy 135]

NY FANISANA IREO “FETR’ANDRO FITO”

“Fetr’andro” 7 = 7 × 360 = 2520 taona

(ny “fetr’andro” iray na taona iray araka ny Baiboly dia ny vanim-potoana ara-kevin’ny taona araka ny volana misy 354 andro sy ny taona araka ny masoandro misy 365 andro 1⁄4)

607 al. fan. ir. hatramin’ny 1 al. fan. ir. = 606taona

1 al. fan. ir. hatramin’ny 1 am. fan. ir. = 1taona

1 am. fan. ir. hatramin’ny 1914 am. fan. ir. = 1913taona

607 al. fan. ir. hatramin’ny 1914 am. fan. ir. = 2520taona

[Efajoro, pejy 140]

“NY TARANAKA TAMIN’NY 1914”

Tao amin’ny boky iray mitondra an’io anarana io, i Robert Wohl dia “mampahafantatra fa tsy azo atao ny mametra araka ny marika ireo taranaka amin’ny filazana isan’ny taona, fa izany kosa dia mifamatotra amin’ny fahasahiranana lehibe ara-tantara izay ny Ady Lehibe Voalohany no ohatra lehibe indrindra”. — “The Economist”, 15 martsa 1980.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara