Lesona Faha-14
Ny Fomba Andaminana ny Vavolombelon’i Jehovah
Oviana no niandohan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny? (1)
Ahoana no fizotran’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah? (2)
Ahoana no isahanana ireo fandaniana? (3)
Iza no mitari-dalana ao amin’ny fiangonana tsirairay? (4)
Inona avy ireo fivoriambe atao isan-taona? (5)
Asa inona no atao any amin’ny foibe sy any amin’ireo biraon’ny sampana? (6)
1. Niandoha tamin’ireo taona 1870 ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny. Nantsoina hoe Mpianatra ny Baiboly izy ireo, tamin’ny voalohany. Tamin’ny 1931 anefa izy ireo dia nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah. Anarana avy ao amin’ny Baiboly izy io. (Isaia 43:10) Kely ny fikambanan’izy ireo teo am-piandohana. Nitombo anefa izy ireo ka misy an-tapitrisany maro ankehitriny, mazoto mitory any amin’ny tany maherin’ny 230.
2. Manao fivoriana intelo isan-kerinandro ny ankamaroan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Asaina ianao hanatrika izany. (Hebreo 10:24, 25) Mifototra amin’ny Baiboly ny fampianarana amin’izany. Atomboka sy faranana amin’ny vavaka ireo fivoriana. Misy koa “tonon-kiram-panahy” mampihetsi-po hiraina any amin’ny ankamaroan’ireo fivoriana. (Efesiana 5:18, 19) Tsy misy vidim-pidirana na fanantazan-drakitra any.—Matio 10:8.
3. Ny ankamaroan’ny fiangonana dia manao fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana. Trano tsotra izy io mazàna. Mpiasa an-tsitrapo Vavolombelona ihany no nanorina azy. Tsy hahita sary masina, na lakroa, na zavatra toy izany ianao any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny fandaniana dia sahanina amin’ny fanomezana an-tsitrapo. Misy boaty ho an’izany ao, ho an’izay ta hanome.—2 Korintiana 9:7.
4. Misy anti-panahy na mpiandraikitra ao amin’ny fiangonana tsirairay. Mitarika ny fampianarana ao amin’ny fiangonana izy ireo. (1 Timoty 3:1-7; 5:17) Manampy azy ireo ny mpanampy amin’ny fanompoana. (1 Timoty 3:8-10, 12, 13) Tsy ambony kokoa noho ny hafa rehetra ao amin’ny fiangonana ireo lehilahy ireo. (2 Korintiana 1:24) Tsy omena anaram-boninahitra manokana izy ireo. (Matio 23:8-10) Tsy manao akanjo manokana izy ireo. Tsy karamaina koa izy ireo. An-tsitrapo no ikarakaran’ireo anti-panahy ny zavatra ara-panahy ilain’ny fiangonana. Afaka manome fampiononana sy tari-dalana izy ireo rehefa misy manahirana.—Jakoba 5:14-16; 1 Petera 5:2, 3.
5. Manao fivoriambe isan-taona koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Fiangonana maro no miara-mivory amin’izay fotoana izay. Fandaharam-pampianarana manokana mifototra amin’ny Baiboly no raisin’izy ireo. Fahita isaky ny fivoriambe ny fanaovana batisa ireo mpianatra vaovao.—Matio 3:13-17; 28:19, 20.
6. Any New York ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any no misy ny Filan-kevi-pitantanana, izay anti-panahy za-draharaha maromaro miandraikitra ny fiangonana maneran-tany. Misy biraon’ny sampana maherin’ny 100 koa maneran-tany. Any amin’ireny toerana ireny, dia misy mpiasa an-tsitrapo manampy amin’ny famoahana sy ny fandefasana boky momba ny Baiboly. Ny any koa no manome tari-dalana momba ny fandaminana ny asa fitoriana. Nahoana raha manao fandaharana mba hitsidika ny biraon’ny sampana akaiky anao indrindra?