FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • be fian. 1 p. 83-p. 85 feh. 3
  • Vakiteny Tsy Misy Diso

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vakiteny Tsy Misy Diso
  • Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Mitovitovy Aminy
  • Milofosa Amin’ny Famakian-teny
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Fiatoana Araka ny Tokony ho Izy
    Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fomba Hamakiana sy Hitadidiana
    Boky ho An’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
Hijery Hafa
Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
be fian. 1 p. 83-p. 85 feh. 3

LESONA 1

Vakiteny Tsy Misy Diso

Inona no ilainao hatao?

Mamaky amin’ny feo avo izay tena voasoratra eo amin’ilay pejy. Tsy mandingana teny na tapany amin’ny teny, na manolo teny iray amin’ny iray hafa. Manonona ireo teny amin’ny fomba mety. Manaja tsara ireo mari-piatoana sy mari-tsindrimpeo.

Nahoana izany no tena ilaina?

Ny vakiteny atao amim-pitandremana sy tsy misy diso dia tena ilaina mba hampitana fahalalana marina momba ny fahamarinana ara-baiboly.

MILAZA ny Soratra Masina fa ny hahatongavan’ny karazan’olona rehetra “amin’ny fahalalana ny marina” no sitrapon’Andriamanitra. (1 Tim. 2:4) Mifanaraka amin’izany, rehefa mamaky Baiboly amin’ny feo avo isika, dia tokony hiseho eo amin’ny fomba famakintsika ny faniriantsika hampita fahalalana marina.

Mila mahay mamaky amin’ny feo avo ny Baiboly sy ny boky manazava ny Baiboly na ny tanora na ny antitra. Ary isika Vavolombelon’i Jehovah dia manana andraikitra hizara ny fahalalana an’i Jehovah sy ny lalany amin’ny hafa. Matetika no mila mamaky teny amin’olon-kafa isika amin’izany. Mamaky teny koa isika eo anivon’ny fianakaviana. Ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, dia mandray torohevitra mba hanatsarana ny famakiany teny amin’ny feo avo ny rehetra, na rahalahy na anabavy, na antitra na tanora.

Tokony horaisina ho zava-dehibe ny famakiana ny Baiboly ampahibemaso, atao amin’olona mitokana, na amin’ny fiangonana manontolo. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ny Baiboly. Fanampin’izany, dia “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra . . ., ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Heb. 4:12) Mirakitra fahalalana sarobidy tsy hita any an-toeran-kafa ny Tenin’Andriamanitra. Afaka manampy ny olona iray hahafantatra ilay hany Andriamanitra marina sy hifandray tsara aminy ary handamina ireo zava-manahirana eo amin’ny fiainana, izy io. Manazava ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra izy io. Ny zava-kendrentsika àry dia ny hamaky ny Baiboly amin’ny fomba tsara araka izay azontsika atao.—Sal. 119:140; Jer. 26:2.

Ny fomba hamakian-teny tsy misy diso. Misy lafiny maro ny fahaizana mamaky teny tsara, fa ny fanaovana izany tsy misy diso no dingana voalohany. Ny dikan’izany dia hoe miezaka hamaky izay tena voasoratra eo amin’ilay pejy. Mitandrema mba tsy handingana teny na faran-teny, na handiso ny famakiana teny iray noho izy mitovitovy amin’ny teny hafa.

Mba hamakiana ireo teny araka ny tokony ho izy, dia mila mahazo ny hevitry ny teny manodidina azy ianao. Mitaky fanomanana tsara izany. Hihatsara ny fahaizanao mamaky teny tsy misy diso any aoriana, rehefa mihamahay ianao ka mahita mialoha ny fizotran’ireo hevitra.

Tena ilaina ny mari-piatoana sy ny mari-tsindrimpeo eo amin’ny soratra. Ny mari-piatoana dia mety hanondro ny toerana tokony hiatoana, sy ny faharetan’ilay fiatoana, ary angamba ny tokony ho fiovan’ny feo hidina na hiakatra. Amin’ny fiteny sasany, dia mety ho lasa filazana tsotra ny fanontaniana, na mety hiova tanteraka ny heviny raha tsy ovana araka izay takin’ny mari-piatoana ny feo. Ny fitsipi-panoratana indraindray no mitaky ny mari-piatoana. Amin’ny fiteny maro, dia tsy marina ny vakiteny atao raha tsy arahina tsara ireo mari-tsindrimpeo, na ireo voasoratra izany na ireo atoron’ny hevitry ny teny manodidina. Manova ny feon’ilay litera misy azy ny mari-tsindrimpeo. Fantaro tsara ny fomba fampiasa ny mari-piatoana sy ny mari-tsindrimpeo amin’ny fiteninao. Izany no fanalahidy iray hanaovana vakiteny misy heviny. Tadidio fa ny hampita hevitra no tokony ho zava-kendrenao, fa tsy hanonona teny fotsiny.

Ilaina ny manao fanazaran-tena, raha tianao ny hianatra hamaky teny tsy misy diso. Fehintsoratra iray ihany aloha vakina, ary averimbereno vakina ilay izy avy eo, mandra-pamakinao azy tsy misy diso. Avy eo, dia mifindrà ho eo amin’ny fehintsoratra manaraka. Ary farany, dia miezaha hamaky pejy maromaro, ka tsy handingana, na hamerina, na handiso ny famakianao ireo teny. Rehefa avy nanao ireo dingana ireo ianao, dia mangataha olona iray hihaino ny vakiteninao sy hilaza izay diso mety hataonao.

Manasarotra ny famakian-teny, ny maso tsy mahita tsara sy ny jiro tsy mazava, any amin’ny tany sasany. Asio fanamboarana ireo zavatra ireo raha azo atao, dia ho azo antoka fa hihatsara ny vakiteninao.

Mety hasaina hamaky ampahibemaso ny fehintsoratra amin’ny Fianarana Boky sy ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ireo rahalahy mahay mamaky teny tsara. Tsy fahaizana manonona ireo teny amin’ny fomba mety fotsiny anefa no ilaina amin’izany. Mba hahatongavana ho mpamaky teny ampahibemaso mahay any am-pivoriana, dia mila mamboly fahazarana tsara eo amin’ny vakiteny ataonao manokana ianao. Iray amin’izany ny fahatakaranao fa samy manana ny asany ny teny tsirairay ao anatin’ny fehezanteny iray. Tsy afaka mandingana ny sasany amin’izy ireny ianao, ka mbola hahazo tsara ihany ny hevitr’izay lazaina. Raha diso ny famakianao teny iray, na dia rehefa mamaky samirery aza ianao, dia ho voaolana ny hevitr’ilay fehezanteny. Ny teny nodisoina dia mety ho avy amin’ny tsy fahitana ireo mari-tsindrimpeo na avy amin’ny tsy fahazoana ny hevitry ny teny manodidina. Miezaha hahazo ny hevitry ny teny tsirairay eo anivon’ireo teny manodidina azy. Mariho koa fa miankina amin’ny mari-piatoana ny hevitry ny fehezanteny. Tadidio fa mazàna no teny maromaro miaraka no mampita hevitra. Fantaro izy ireny, satria amin’izay, rehefa hamaky amin’ny feo avo ianao, dia hamaky fitambaran-teny, fa tsy teny tsirairay. Raha azonao mazava tsara ny hevitr’izay vakinao, dia tena hanampy anao hampita fahalalana marina amin’ny hafa izany, rehefa mamaky teny ampahibemaso ianao.

Anti-panahy kristianina efa za-draharaha no nanoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny.” (1 Tim. 4:13) Mazava fa afaka manatsara ny vakiteny ataontsika daholo isika rehetra.

MARI-PIATOANA

Teboka (.) manondro fijanonana hamaranana fehezanteny.

Faingo (,) milaza fiatoana kely, satria mbola tsy tapitra ny fehezanteny.

Teboka amam-paingo (;) milaza fiatoana fohy kokoa noho ny teboka, nefa maharitra kokoa noho ny faingo.

Teboka roa (:) mialoha fitanisan-javatra na tenin’olona averina; mitaky fiatoana, saingy tsy midina ny feo.

Tsoraka (!) maneho fiontanana na fihetseham-po.

Baraingo (?) mitaky ny hamakiana ilay fehezanteny amin’ny feo somary ambony kokoa na miakatra.

Farango (sosona “ ”, na tokana ‘ ’) milaza fa tokony havahana amin’ny alalan’ny fiatoana ireo teny ao anatiny (fiatoana kely raha tapany amin’ny fehezanteny iray ireo teny ireo; maharitra kokoa, raha mahaforona fehezanteny feno izy ireo).

Tsipika lava ao anaty fehezanteny (—), manavaka teny sasany, ary mitaky fiovana kely eo amin’ny feo na ny hafainganam-piteny.

Fononteny ( ) sy fononteny mahitsy [ ] mampitokana teny hovakina amin’ny feo somary midina kely. Tsy ilaina hovakina ireo anaram-boky ao anaty fononteny, ary tsy mitaky fiovan’ny feo ireo teny ao anaty fononteny mahitsy, izay nampidirina mba ho feno ny hevitr’izay vakina.

NY FOMBA HAHATONGAVANA AMIN’IZANY

  • Fanazaran-tena amin’ny feo avo no fanalahidiny!

  • Mangataha olona hihaino ny vakiteninao sy hilaza izay diso hataonao.

  • Rehefa manao fianarana manokana, dia mahaiza mamola-tena hamaky teny amim-pitandremana.

  • Mianara mamaky fitambaran-teny, fa tsy teny tsirairay fotsiny.

FANAZARAN-TENA: Rehefa avy nanomana tsara ianao, dia mangataha namana na mpianakavy iray hanaraka ao amin’ny Baiboly, ny famakianao ny tapany iray amin’ny Matio toko faha-5 ka hatramin’ny faha-7. Asaivo ajanony ianao isaky ny misy 1) teny voadingana, 2) teny diso famaky na mifamadika, na 3) mari-tsindrimpeo iray na mari-piatoana iray milaza fiatoana na fiovan’ny feo hidina na hiakatra, nefa tsy hitanao. Tsara raha atao mandritra ny folo minitra, fara fahakeliny, indroa na intelo, izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara