FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • kr toko 12 p. 118-131
  • Vahoaka Voalamina Tsara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vahoaka Voalamina Tsara
  • Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • “Hotendreko ho mpiandraikitra anao ny fiadanana”
  • Nanendry mpiandraikitra hikarakara antsika i Kristy
  • “Modely ho an’ny andian’ondry”
  • “Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra”
  • Vao mainka miray saina ny vahoakan’Andriamanitra
  • Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Mpiandraikitra Voatendry Hiandry ny Andian’ondry
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • Manekè ny mpitondra anareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Ry Anti-panahy, Tahafo Ireo Mpiandry Lehibe Indrindra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
Hijery Hafa
Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
kr toko 12 p. 118-131

TOKO 12

Vahoaka Voalamina Tsara

INONA NO HORESAHINA ATO?

Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny vahoakany?

1, 2. Inona no novana tamin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny Janoary 1895? Ary ahoana no fahitan’ny vahoakan’i Jehovah an’ilay izy?

FALY erỳ ny Rahalahy John Bohnet rehefa nahazo Ny Tilikambo Fiambenana Janoary 1895. Lasa nisy sarina tilikambo ngezabe mantsy teo amin’ny pejy voalohany. Eo ambony ranomasina manonja ilay tilikambo, ary misy jirobe manazava ny lanitra eo an-tampony. Nisy lahatsoratra hoe “Ilay Akanjontsika Vaovao” tao amin’ilay gazety, mba hampahafantarana an’io fanovana io.

2 Nanoratra ho an’ny Rahalahy Russell àry ny Rahalahy Bohnet hoe: ‘Faly aho fa lasa tsara be NY TILIKAMBO FIAMBENANA.’ Hoy koa ny rahalahy iray atao hoe John Brown: “Tena hafakely ilay izy! Hita hoe mafy be ny fototr’ilay tilikambo dia tsy mihontsina akory, na dia mifofofofo aza ny rivotra sady manonja be ilay ranomasina.” Tsy Ny Tilikambo Fiambenana ihany anefa no nisy novana tamin’izay. Nisy fanovana lehibe hafa koa tamin’ny Novambra 1895.

3, 4. Inona ny olana noresahin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1895? Ary inona no nolazain’ilay lahatsoratra fa tokony hataon’ny fiangonana rehetra?

3 Nisy olana lehibe iray noresahin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 1895. Nohariny tamin’ny ranomasina manonja be ilay izy. Inona izany? Lasa tsy nifankahazo ny Mpianatra ny Baiboly, satria niady hevitra be hoe iza no tokony ho mpitarika ny fiangonana tsirairay. Samy te ho mpiandraikitra daholo mantsy izy ireo. Niaiky ilay lahatsoratra fa diso ny mpiandraikitra teo anivon’ny fandaminana, satria tsy nampiomana ny vahoakan’i Jehovah hiatrika olana.

4 Noharin’ilay lahatsoratra tamin’ny sambo ny fandaminana. Voalaza tao hoe alohan’ny hiaingan’ny sambo, dia efa tokony hohamarinin’ny kapiteny hoe ao daholo ny fitaovana ilaina amin’ny loza, ary efa vonona hiatrika loza ny tantsambo rehetra. Toy izany koa fa tokony hanampy ny fiangonana hiatrika olana ny mpiandraikitra eo anivon’ny fandaminana. Niezaka nanao izany tokoa àry izy ireo, ka nanoro hevitra ny fiangonana rehetra mba “hifidy anti-panahy avy hatrany hiandraikitra ny andian’ondry.” (Asa. 20:28) Mbola arahintsika hatramin’izao izany toromarika izany.

5. a) Nahoana no tena nilaina ilay fanitsiana tamin’ny 1895? b) Inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?

5 Tena nilaina io fanitsiana io mba hampilamina ny fiangonana. Nipoaka mantsy ny Ady Lehibe I taorian’izay, ary toy ny onja nahery be ilay izy. Nahavita niatrika izany anefa ireo rahalahy noho ilay fanovana. Mbola nisy fanovana hafa koa tatỳ aoriana, ary nanampy ny vahoakan’i Jehovah hahavita kokoa hanompo azy izy ireny. Misy faminaniana momba izany ao amin’ny Baiboly. Inona izany? Ary inona avy ny fanovana efa hitanao teo anivon’ny fandaminana? Inona ny soa azonao tamin’izany?

“Hotendreko ho mpiandraikitra anao ny fiadanana”

6, 7. a) Inona no dikan’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 60:17? b) Inona no tian’i Jehovah holazaina amin’ilay hoe “mpiandraikitra” sy “mpampiasa”?

6 Hitantsika tao amin’ny Toko 9 fa efa nilaza i Jehovah hoe hitombo ny vahoakany. (Isaia 60:22) Tsy izay ihany anefa no nampanantenainy. Hoy izy: “Volamena no hoentiko ho solon’ny varahina, volafotsy ho solon’ny vy, varahina ho solon’ny hazo, ary vy ho solon’ny vato. Dia hotendreko ho mpiandraikitra anao ny fiadanana ary ho mpampiasa anao ny fahamarinana.” (Isaia 60:17) Inona no dikan’io faminaniana io? Ary tanteraka ve izy io ankehitriny?

Tsy zavatra ratsy ilay hosoloana fa zavatra efa tsara, saingy hovana ho tsara kokoa

7 Tsara homarihina fa tsy zavatra ratsy ilay hosoloana fa zavatra efa tsara, saingy hovana ho tsara kokoa. Hosoloana volamena, ohatra, ny varahina. Hisy zavatra hohatsaraina àry eo anivon’ny vahoakan’i Jehovah, ary handeha tsikelikely izany. Inona anefa no hohatsaraina? Misy hoe “mpiandraikitra” sy hoe “mpampiasa” ao amin’ilay faminaniana. Midika izany fa hiova tsikelikely ny fomba hiandraiketana sy handaminana ny vahoakan’i Jehovah.

8. a) Iza no hanao an’ilay fanatsarana resahin’ny Isaia 60:17? b) Inona ny soa azontsika avy amin’ny fanovana nataon’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “Nanaiky Torohevitra Izy.”)

8 Iza no hanao an’ilay fanatsarana? Hoy i Jehovah: ‘Volamena no hoentiko ho solon’ny varahina. Dia hotendreko ho mpiandraikitra anao ny fiadanana.’ Tsy olona àry no nanatsara ny fandaminana fa i Jehovah mihitsy, ary ny Zanany no nasainy hanao izany rehefa lasa Mpanjaka izy io. Mahasoa antsika ve ny fanovana nataon’i Jehovah? Milaza ilay Isaia 60:17 fa hampisy “fahamarinana” sy “fiadanana” na fihavanana ilay izy. Ahoana izany? Vao mainka ho tia ny fahamarinana isika rehefa mahita hoe tsara ilay fanovana, ka vao mainka te hanao izay takin’i Jehovah. “Andriamanitry ny fiadanana” na fihavanana koa i Jehovah, ka lasa mihavana tsara isika rehetra eo anivon’ny fiangonana rehefa manaiky ny fanovana ataony.—Fil. 4:9.

9. Inona no ilaina mba hampilamina sy hampiray saina ny fiangonana, ary nahoana?

9 Tena ilaina io fihavanana io eo anivon’ny fiangonana. Raha tsy mihavana mantsy isika, dia tsy maintsy hikorontana ny fiangonana, na dia milamina tsara aza amin’ny voalohany. Milamina tsara, ohatra, ny miaramila rehefa handeha hiady. Mikorontana be anefa ry zareo rehefa tonga any, satria hiady no alehany any. Tsy maintsy hikorontana àry ny fikambanana na fandaminana iray, na ho ela na ho haingana, raha tsy mihavana tsara ny olona ao anatiny. Isika kosa milamina tsara foana satria mihavana tsara. “Andriamanitry ny fiadanana [na fihavanana]” mantsy no tompointsika. (Rom. 15:33) Io Andriamanitra io no mitarika ny fandaminana sy manatsara azy io, ka milamina tsara sy tena miray saina ny vahoakany eran-tany. Sambatra isika manana Andriamanitra hoatr’izany.—Sal. 29:11.

10. a) Inona ny zavatra sasany niova teo anivon’ny fandaminana? (Jereo ilay hoe “Inona avy no Nohatsaraina teo Anivon’ny Fandaminana?”) b) Inona no hodinihintsika ato?

10 Miresaka ny zavatra sasany niova teo anivon’ny fandaminana ilay hoe “Inona avy no Nohatsaraina teo Anivon’ny Fandaminana?”, ao amin’ny pejy 122 sy 123. Natao tsikelikely ireny fanovana ireny, ary tena nahasoa ny vahoakan’i Jehovah. Mbola nisy fanovana hafa nataon’i Jehovah anefa taorian’izay, ary toy ny ‘varahina nosoloana volamena’ ilay izy. Inona avy izany fanovana izany? Nahoana izy ireny no hoe nampihavana tsara sy nampiray saina ny fiangonana eran-tany? Nanampy antsika tsirairay hanompo an’ilay Andriamanitry ny fihavanana ve izy ireny?

Nanendry mpiandraikitra hikarakara antsika i Kristy

11. a) Inona no hita tamin’ilay fikarohana natao tamin’ny 1964 ka hatramin’ny 1971? b) Inona no nataon’ny filan-kevi-pitantanana rehefa fantany izany?

11 Nisy fikarohana lalina natao tamin’ny 1964 ka hatramin’ny 1971, mba hahalalana izay tena lazain’ny Baiboly. Ny filan-kevi-pitantanana no niandraikitra izany.a Be dia be ny foto-kevitra nodinihina tamin’ilay izy, ka anisan’izany ny hoe ahoana no nandaminana ny fiangonana kristianina voalohany. Hita, ohatra, fa tsy anti-panahy iray fotsiny no niandraikitra ny fiangonana tamin’izany, fa anti-panahy maromaro. (Vakio ny Filipianina 1:1; 1 Timoty 4:14.) Inona no vokatr’izany? Lasa takatr’ireo rahalahy tao amin’ny filan-kevi-pitantanana fa misy zavatra tian’i Jesosy hohatsaraina eo anivon’ny fandaminana. Tonga dia nanaraka izay lazain’ny Baiboly momba ny anti-panahy àry izy ireo taoriana kelin’ny 1970, ka nanao fanovana maromaro. Inona avy izany?

NANAIKY TOROHEVITRA IZY

NISY taratasy nosoratan’ny Rahalahy Russell ho an’ny rahalahy vitsivitsy tany Skandinavia, anisan’izany ny Rahalahy Kaarlo Harteva. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 1916 tamin’ny teny failandey ilay taratasy. Hoy ny Rahalahy Russell: “Miangavy anareo rehetra izahay ry rahalahy malala ao amin’ny finoana, mba hiverina hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sy hifantoka amin’ilay asa tokony hataontsika.” Fa nahoana izy no nilaza an’izany?

Kaarlo Harteva

Kaarlo Harteva

Anisan’ny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany tany Failandy ny Rahalahy Harteva. Teraka tamin’ny 1882 izy, ary natao batisa tamin’ny Aprily 1910. Nasain’ny Rahalahy Russell namoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny failandey izy, tamin’ny 1912. Nandeha tsara ny zava-drehetra tamin’ny voalohany. Nipoaka anefa ny Ady Lehibe I, taoriana kelin’izay, ka hoy ny Rahalahy Harteva tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1914: ‘Tena sarotra izao ny fiainana ka mety tsy hitovy amin’ny teo aloha intsony ny isan’ny pejy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ary mety tsy ho afaka hamoaka azy io matetika intsony izahay.’ Nanao izay hahitana vola anefa ny Rahalahy Harteva sy ny namany, tamin’ny 1915, ka nanangana fikambanana atao hoe Ararata. Lasa namoaka gazety hoe Ararata (failandey) koa ry zareo.

Variana tamin’ilay fikambanana sy ilay gazety vaovao ny Rahalahy Harteva, ka rahalahy hafa no lasa namoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny failandey. Marina aloha fa namoaka lahatsoratra ara-baiboly ihany ilay gazety Ararata. Nisy zavatra hafa koa anefa tao, ohatra hoe lahatsoratra momba ny fitsaboana na momba an’ilay fiteny vaovao hoe esperanto. Lasa tsy dia nanasongadina izay tena ampianarin’ny Baiboly intsony ilay gazety, tsy ela taorian’izay. Natahotra àry ny Rahalahy Russell sao dia hiala amin’ny fandaminana ry Harteva tamin’ny farany, ka niangaviany mba “hiverina hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.”

Tezitra ve ny Rahalahy Harteva rehefa nanarin’i Russell? Tsia! Navoakany tao amin’ilay gazety Ararata ilay tenin’i Russell sady nasiany valiny. Nifona izy hoe tsy nety ny nataony. Hoy izy: “Hiezaka aho hanitsy izay tsy nety nataoko, raha mbola afaka manao izany.” Mbola niala tsiny indray izy taoriana kelin’izay, ary mbola navoakany tao amin’ny gazety Ararata koa izany. Tamin’izay no nivoaka farany io gazety io. Hoy izy: “Hitandrina tsara aho amin’ny manaraka, ka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly foana no hasongadiko.” Mampalahelo fa tsy mba nanao hoatr’azy ny anti-panahy sasany tamin’izany. Izy kosa nanetry tena ka nanaiky torohevitra.

Nasaina namoaka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny failandey indray ny Rahalahy Harteva, tatỳ aoriana, sady nasaina niandraikitra ny sampana indray. Ireo no andraikitra nataony, hatramin’ny 1950. Voahosotra izy ary tsy nivadika mandra-pahafatiny tamin’ny 1957. Tahin’i Jehovah àry izay manetry tena ka manaiky ahitsin’i Jesosy Mpanjaka.

12. a) Inona ny fanovana natao taoriana kelin’ny 1970? b) Hazavao ny mombamomba ny Filan-kevi-pitantanana. (Jereo koa ilay hoe “Inona ny Asan’ny Filan-kevi-pitantanana?”, pejy 130.)

12 Nisy fanovana natao aloha teo anivon’ny filan-kevi-pitantanana. Inona no novana? Fito ny rahalahy mpitantana ny fikambanantsika (Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania), ary izy ireo ihany no filan-kevi-pitantanana taloha. Navahana tanteraka mihitsy anefa ny mpitantana ny fikambanana sy ny filan-kevi-pitantanana, nanomboka tamin’ny 1971. Lasa 11 koa ireo rahalahy voahosotra anisan’ny filan-kevi-pitantanana. Tsy misy ambony sy ambany izy ireo. Mifandimby mitarika ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanana koa izy rehetra, ary miova isan-taona izany, arakaraka ny filaharan’ny anaran’izy ireo amin’ny abidy.

13. a) Inona ny zava-nisy tany amin’ny fiangonana, tamin’ny 1932 ka hatramin’ny 1972? b) Inona no nitranga tamin’ny 1972?

13 Teo anivon’ny fiangonana tsirairay avy eo no nasiana fanovana. Rahalahy iray foana mantsy no tena niandraikitra ny fiangonana, tamin’ny 1932 ka hatramin’ny 1972. Nantsoina hoe talen’ny fanompoana izy ireny talohan’ny 1936, fa novana hoe mpikarakara ny fiangonana taorian’izay, ary avy eo mpiandraikitra ny fiangonana. Tena nazoto nikarakara ny ondry ireny rahalahy ireny. Mazàna anefa izy no tsy nanontany ny hevitry ny rahalahy hafa rehefa hanapa-kevitra. Nisy fanovana lehibe noeritreretin’ny Filan-kevi-pitantanana hatao àry tamin’ny 1972. Inona izany?

14. a) Inona no natomboka tamin’ny 1 Oktobra 1972? b) Inona no hataon’ny anti-panahy mpandrindra, raha mankatò ny Filipianina 2:3 izy?

14 Tsy rahalahy iray intsony no hiandraikitra ny fiangonana, fa anti-panahy maromaro. Jerena aloha raha mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina amin’ny mpiandraikitra ilay rahalahy, izay vao tendrena ho anti-panahy. Tamin’ny 1 Oktobra 1972 izany no nanomboka natao. Tendrena ho anti-panahy mpandrindra koa ny iray amin’izy ireo. Tsy mihevitra ny tenany ho ambony noho ny anti-panahy hafa anefa izy, fa “toy ny kely indrindra.” (Lioka 9:48) Faly ny fiangonana eran-tany, manana rahalahy manetry tena toy izany.—Fil. 2:3.

Mahira-tsaina ilay Mpanjakantsika satria nanendry anti-panahy izy mba hikarakara antsika, ary tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy izany

15. a) Nahoana no tena tsara ilay hoe anti-panahy maromaro no miandraikitra fiangonana iray? b) Inona ny porofo fa mahira-tsaina ilay Mpanjakantsika?

15 Tena tsara ilay hoe anti-panahy maromaro no miandraikitra fiangonana iray. Nahoana? Voalohany, lasa samy mahatsapa ny anti-panahy hoe tsy izy no Lohan’ny fiangonana fa i Kristy, na betsaka noho ny an’ny hafa aza ny andraikiny. (Efes. 5:23) Faharoa, lasa mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy momba ny fiangonana, satria mifampidinika sy mifampihaino tsara izy ireo alohan’ny hanapahana hevitra. (Ohab. 27:17) Hoy mantsy ny Ohabolana 15:22: ‘Tanteraka ny fikasana raha maro ny mpanolo-tsaina.’ Tahin’i Jehovah izy ireo, ka vita tsara izay eritreretiny hatao ho an’ny fiangonana. Fahatelo, voakarakara tsara foana ny vahoakan’i Jehovah, na dia mihamitombo aza. (Isaia 60:3-5) Maherin’ny 27 000, ohatra, ny fiangonana eran-tany tamin’ny 1971, nefa lasa 113 000 mahery tamin’ny 2013! Tena mahira-tsaina àry ilay Mpanjakantsika satria nanendry anti-panahy izy mba hikarakara antsika, ary tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy izany.—Mika 5:5.

INONA AVY NO NOHATSARAINA TEO ANIVON’NY FANDAMINANA?

  • 1881: Niangavian’ny Rahalahy Russell izay Mpianatra ny Baiboly niara-nivory tsy tapaka, mba hampahafantatra any amin’ny foibe hoe aiza izy ireo no mivory. Lazaina amin’ny Mpianatra ny Baiboly hafa ilay adiresy avy eo, amin’izay mba afaka mihaona izay mifanakaiky tanàna.

  • 1895: Nasaina nifidy anti-panahy ny fiangonana rehetra isan-taona.

  • 1919: Nasian’ny biraon’ny sampana talen’ny fanompoana tany amin’ny fiangonana tsirairay. Rahalahy mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina no notendrena. Nasaina niandraikitra ny asa fitoriana sy nampirisika ny mpitory hazoto hitory izy io. Tsy nanaiky an’io fanovana io anefa ny anti-panahy sasany.

  • 1932: Tsy nasaina nifidy anti-panahy isan-taona intsony ny fiangonana. Komitin’ny Fanompoana kosa no nasaina nofidin’izy ireo. Rahalahy vitsivitsy mazoto manompo no nofidina. Tokony ho hita amin’ny zavatra ataon’izy ireo koa hoe tena Vavolombelon’i Jehovah ry zareo, araka ilay anarana vaovao niantsoana ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Nifidy rahalahy iray avy tamin’ilay komity ny fiangonana avy eo, mba hatolotra ho talen’ny fanompoana. Nalefa tany amin’ny biraon’ny sampana ny anarany, ka ny tany no tena nanendry azy.

  • 1937: Tsy ny rahalahy voahosotra ihany no azo fidina ho komitin’ny fanompoan’ny fiangonana, fa ny rahalahy anisan’ny vahoaka be koa.

  • 1938: Neken’ny fiangonana hoe tsy fidina intsony ny anti-panahy, fa hotendrena. Jerena raha mahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina amin’ny mpiandraikitra ilay rahalahy, ka arakarak’izay no anendrena azy na tsia.

Mbola nisy zavatra hafa nohatsaraina ankoatra an’ireo. Jereo ny boky Mpitory, pejy 204-235.

Ny fiangonana no nifidy ny anti-panahy, teo anelanelan’ny taona 1920 sy 1930. Isan-taona izany no natao

“Izahay ihany taloha no nifidy ny anti-panahy. Hoatr’izao no nataonay: Natsanganay ny tananay ankavanana, dia nisy ranadahy iray nanisa an’izay tanana nitsangana.”—Rose Swingle, any Etazonia.

“Modely ho an’ny andian’ondry”

16. a) Inona no tokony hataon’ny anti-panahy? b) Inona no nolazain’ny gazetintsika voalohandohany momba ilay didin’i Jesosy hoe: ‘Andraso ny ondrikeliko’?

16 Efa ela ny anti-panahy no nahatakatra fa tokony hanampy ny ondry hahavita hanompo an’i Jehovah foana izy ireo. (Vakio ny Galatianina 6:10.) Noresahina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1908, ohatra, ilay didin’i Jesosy hoe: ‘Andraso ny ondrikeliko.’ (Jaona 21:15-17) Nanoro hevitra ny anti-panahy ilay gazety hoe: “Notendren’ny Tompo hanome sakafo sy hikarakara ny andian’ondriny isika. Tokony ho tena zava-dehibe amintsika izany, ary horaisintsika ho voninahitra lehibe.” Mbola nohamafisin’ilay gazety izany tamin’ny 1925. Hoy izy io: ‘An’Andriamanitra ny fiangonana, ka mbola hataony ampamoaka izay rehetra nomeny andraikitra hikarakara azy io.’

17. Inona no nataon’ny fandaminana mba hanampiana ny anti-panahy ho havanana amin’ny andraikiny?

17 Ary ahoana indray ilay voalazan’ny Isaia 60:17 hoe ‘ny vy hosoloana volafotsy’? Tanteraka koa ve izany? Eny! Nampiofana ny anti-panahy ny fandaminana ka lasa nahay kokoa nikarakara ny ondry izy ireo. Lasa nisy sekoly ho an’ny anti-panahy, ohatra, tamin’ny 1959. Antsoina hoe Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana izy io. Anisan’ny foto-kevitra noresahina tamin’io ilay hoe: “Ampio ny Ondry Tsirairay.” Nampirisihina ny anti-panahy mba “hanokana fotoana hitsidihana ny mpitory any an-tranony.” Natoro azy ireo koa hoe inona avy no azony atao amin’izay, mba hampaherezana an’ilay mpitory. Nohatsaraina io sekoly io tamin’ny 1966, ka anisan’ny noresahina tamin’izany ny hoe: “Nahoana ny Anti-panahy no Tena Mila Miahy ny Ondry?” Nasongadina fa “tokony hikarakara tsara ny ondrin’Andriamanitra ny anti-panahy.” Noresahina koa anefa hoe “tsy tokony hanao an-tsirambina ny vady aman-janany sy ny fanompoana izy.” Mbola misy sekolin’ny anti-panahy foana hatramin’izao. Lasa havanana amin’ny andraikiny àry ireo anti-panahy an’arivony eran-tany, ka voakarakara tsara ny ondry.

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Philippines, tamin’ny 1966

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Philippines, tamin’ny 1966

18. a) Nahoana no tena sarotra ny asa nanendren’i Jehovah ny anti-panahy? b) Nahoana izy ireo no tian’i Jehovah sy Jesosy?

18 Tena sarotra ny asa nanendren’i Jehovah ny anti-panahy. Mbola tsy nisy fotoan-tsarotra toy izao mihitsy mantsy hatramin’izay, nefa izy ireo no asainy manampy ny vahoakany hahavita hiatrika an’izany. (Efes. 4:11, 12; 2 Tim. 3:1) Tena miasa mafy àry ny anti-panahy. Tena tian’i Jehovah sy Jesosy izy ireo satria ‘miandry ny andian’ondry eo ambany fiandraiketany’, ary manao izany ‘an-tsitrapo sy amim-paharisihana’, ka “modely ho an’ny andian’ondry.” (1 Pet. 5:2, 3) Lasa miray saina sy falifaly ny fiangonana noho izany. Hojerentsika izao hoe nahoana tokoa izy ireo no modely.

“GAGA BE IZAHAY!”

NISY mpivady misionera notendrena ho any amin’ny fiangonana iray any Azia. Tsy nitombo mihitsy ny isan’ny mpitory tao amin’io fiangonana io, nandritra ny taona maro. Voamarik’izy mivady fa tsara fanahy ry zareo, saingy tsy nanaraka ny toromariky ny fandaminana. Niezaka ninamana tsara tamin’izy ireo àry izy mivady aloha. Nataon’ilay rahalahy avy eo izay hanarahan’ilay fiangonana tsikelikely ny lamina napetraky ny fandaminana. Amin’izay mba mitovy amin’ny fiangonana rehetra eran-tany ry zareo. Inona no vokany? Roa taona taorian’izay, dia lasa avo roa heny ny isan’ny mpanatrika, lasa betsaka ny mpitory vaovao, ary 20 mahery no natao batisa. Hoy izy mivady: “Gaga be izahay! Tena nitahy anay i Jehovah. Faly ny olon-drehetra tao amin’ilay fiangonana, satria hitan-dry zareo hoe tena tsara ny manaraka ny toromariky ny fandaminana.”

“Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra”

19. Inona no tsapanao rehefa misy anti-panahy miara-manompo aminao?

19 Voalohany, miara-manompo amin’ny mpitory rehetra eo anivon’ny fiangonana ny anti-panahy. Manahaka an’i Jesosy izy ireo amin’izany. Hoy mantsy ny Lioka 8:1: ‘Lasa nitety tanàna sy vohitra i Jesosy, ka nitory sy nanambara ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra. Ary niaraka taminy ny roa ambin’ny folo lahy.’ Niara-nitory tamin’ny apostoliny àry i Jesosy, ka miara-mitory amin’ny mpiray finoana aminy koa ny anti-panahy. Fantany fa lasa falifaly ny fiangonana rehefa manao izany izy. Izao, ohatra, no nolazain’i Jeannine, anabavy 90 taona latsaka kely: “Tiako ny miara-manompo amin’ny anti-panahy, satria mba afaka miresaka tsara aminy aho amin’izay, dia lasa mahafantatra azy tsara.” Hoy koa i Steven, rahalahy 35 taona eo ho eo: “Faly be aho rehefa miara-mitory isan-trano amin’ny anti-panahy, satria tonga dia hitako hoe te hanampy ahy izy.”

Mpiandry ondry nahita ondry iray very, tamin’ny andro alina nanorana be

Mitady an’izay tsy mivory intsony ny anti-panahy, tsy misy hafa amin’ilay mpiandry ondry nitady an’ilay ondry very

20, 21. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanahafana an’ilay mpiandry ondry tao amin’ny fanoharan’i Jesosy? Manomeza ohatra. (Jereo koa ilay hoe “Nahomby Ilay Izy.”)

20 Faharoa, mampahery an’izay tsy mivory intsony ny anti-panahy, ary efa ampianarin’ny fandaminana azy ireo hoe ahoana no hanaovana izany. (Heb. 12:12) Nahoana tokoa ny anti-panahy no tokony hanampy ny olona tsy mivory intsony, ary inona no tokony hataony rehefa manao izany? Aleo hojerentsika ilay fanoharan’i Jesosy ao amin’ny Lioka 15:4-7. (Vakio.) Nisy mpiandry ondry nahatsikaritra hoe very ny ondriny iray. Hoatran’ny hoe tsy nanana ondry afa-tsy iny izy, ka lasa nitady azy io ary tsy namelany raha tsy hitany ilay izy. Sarobidy taminy mantsy ilay ondry. Izany koa no ataon’ny anti-panahy. Mbola sarobidy aminy izay olona tsy mivory intsony, ka tsy mieritreritra izy hoe lany andro fotsiny raha manampy azy ireny. Izy mihitsy no tonga dia mandeha mitady an’ilay olona sy manampy azy.

21 Inona no nataon’ilay mpiandry ondry, raha vao hitany ilay ondry? Noraisiny moramora ilay izy, ka ‘nataony teo an-tsorony’, ary nentiny niverina tany amin’ny andian’ondry. Hampahery an’izay tsy mivory na tsy mitory intsony koa ny anti-panahy, raha miezaka ho tsara fanahy sy hitady izay hahasoa azy. Mety hiverina hivory sy hitory mihitsy aza izy. Jereo, ohatra, ny tantaran’i Victor, any Afrika. Hoy izy: “Efa valo taona aho no tsy nivory intsony. Niezaka nanampy ahy foana anefa ny anti-panahy.” Nanohina ny fony ny zavatra nataon’ny anti-panahy iray atao hoe John. Niara-nanao Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana taminy io anti-panahy io taloha. Hoy i Victor: “Naka fotoana mihitsy izy hitsidihana ahy, dia nentiny tany amiko ny sarinay tamin’ilay sekoly. Nahatsiarotsiaro ny taloha aho, dia lasa te hanompo an’i Jehovah indray. Niverina tato an-tsaiko hoe nahafinaritra be ny fiainako tamin’izany.” Lasa nivory indray i Victor taoriana kelin’izay, ary mpisava lalana indray izy izao. Tena faly àry isika satria mikarakara tsara antsika ny anti-panahy.—2 Kor. 1:24.b

Rahalahy roa mitsidika rahalahy zokiolona tsy mitory intsony

NAHOMBY ILAY IZY

NIARA-NIDINIKA ny anti-panahy tao amin’ny fiangonana iray any Etazonia hoe ahoana no hanampiana an’izay tsy mivory intsony. Hitan’izy ireo fa misy rahalahy sy anabavy 30 eo ho eo tsy mivory intsony ao amin’ny faritanin-dry zareo. Efa ela izy ireo no tsy nivory, ary efa antitra ny ankamaroany.

Nisy anti-panahy iray atao hoe Alfredo àry nanomboka nitsidika azy ireo, rehefa nahazo ny anaran’izy rehetra. Hoy izy: “Isaky ny zoma maraina aho no mitsidika an-dry zareo.” Ahoana no ataony amin’izany? Miezaka ho tsara fanahy amin’ilay olona i Alfredo rehefa miresaka aminy, ary ataony izay hahatsapany hoe tena te hanampy azy izy. Resahiny aminy avy eo fa mbola tadidin’ny olona eo anivon’ny fiangonana hoe nazoto nanompo izy taloha. Hoy i Alfredo: “Nitsidika rahalahy be taona iray izay aho, dia nolazaiko taminy ny ora vitany sy ny gazety voapetrany tamin’izy nanompo farany, tamin’ny 1976. Nanganohano ny masony vao nahare an’ilay izy.” Rehefa mitsidika olona tsy nivory intsony koa i Alfredo, dia mamaky ny Lioka 15:4-7, 10. Anontaniany avy eo ilay olona hoe: “Araka ireo andinin-teny ireo, inona, hono, no mitranga rehefa misy ondry very miverina ao amin’ny fiangonana? Faly be daholo i Jehovah sy Jesosy ary ny anjely. Mba eritrereto ange izany e!”

Efa roa taona izao i Alfredo no mitsidika olona tsy nivory intsony. Inona no vokany? Faly izy fa rahalahy roa no miverina mivory indray isaky ny alahady. Nitsikitsiky i Alfredo sady niteny hoe: “Izaho indray no nanganohano vao nahita an-dry zareo tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana.” Hoy koa izy: “Mbola mitsidika azy ireo foana aho isaky ny zoma, na dia efa mivory aza ry zareo. Tsy andriny mihitsy, hono, mantsy izay hahatongavako any. Dia izaho koa hoatr’izany!”

Vao mainka miray saina ny vahoakan’Andriamanitra

22. Nahoana no mampiray saina ny fahamarinana sy ny fihavanana? (Jereo koa ilay hoe “Gaga Be Izahay!”)

22 Hitantsika tany aloha fa efa nilaza i Jehovah hoe hitombo foana ny “fahamarinana” sy ny “fiadanana” na fihavanana eo anivon’ny vahoakany. (Isaia 60:17) Mampiray saina azy ireo izany. Nahoana, ohatra, no mampiray saina ny fahamarinana? Milaza ny Deoteronomia 6:4 hoe: “I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.” Tsy miovaova àry ny fitsipiny momba ny atao hoe marina sy diso na ny mety sy tsy mety, fa iray ihany. Mitovy ny fitsipika arahin’ny “fiangonana rehetran’ny olona masina”, na aiza na aiza misy azy. (1 Kor. 14:33) Miray saina àry ny fiangonana rehefa mampihatra ny fitsipik’Andriamanitra. Ary ny fihavanana? Nahoana izy io no mampiray saina? Tian’i Jesosy hihavana tsara daholo ny olona eo anivon’ny fiangonana. Tiany ho “mpampihavana” koa anefa isika tsirairay. (Mat. 5:9) ‘Miezaka hampisy fihavanana’ àry isika, ka isika mihitsy no mamitram-pihavanana voalohany raha sendra tsy mifankahazo amin’olona. (Rom. 14:19) Mihavana tsara foana isika rehetra vokatr’izany, sady miray saina.—Isaia 60:18.

23. Nahoana isika vahoakan’i Jehovah no faly?

23 Tamin’ny Novambra 1895 no noresahina voalohany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana hoe hasiana anti-panahy isaky ny fiangonana. Nilaza tamin’izay ireo rahalahy mpiandraikitra teo anivon’ny fandaminana fa manantena sy mivavaka ry zareo hoe “hampiray saina haingana” ny vahoakan’Andriamanitra io fanovana io. Izany tokoa no nitranga! Vao mainka niray saina isika, satria nohatsarain’i Jehovah tsikelikely ny fandaminany. Nanendry mpiandraikitra izy mba hikarakara tsara azy io, ary i Jesosy no nasainy nanao izany. (Sal. 99:4) Tena faly izao isika vahoakan’i Jehovah eran-tany, satria lasa ‘mitovy saina’ sy ‘mitovy fomba fiasa’, ary manompo “amim-piraisan-kina” an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana.”—2 Kor. 12:18; vakio ny ny Zefania 3:9.

a Natambatra ho boky iray ny zava-drehetra hitan’izy ireo, ary natao hoe Fanampiana mba Hahatakarana ny Baiboly (anglisy) ny lohateniny.

b Jereo ilay lahatsoratra hoe “‘Mpiara-miasa mba Hahazoantsika Fifaliana’ ny Anti-panahy”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2013, pejy 27-31.

Mino ve Ianao fa Tena Misy ny Fanjakan’Andriamanitra?

  • Inona avy ny fanatsarana nataon’ilay Fanjakana teo anivon’ny fandaminana?

  • Nanampy anao hahavita hanompo an’ilay “Andriamanitry ny fiadanana” ve izany? Hazavao.

  • Inona ny teny nolazain’ny anti-panahy na zavatra nataony ka nahafaly anao?

  • Inona no azonao atao mba hihavana sy hiray saina foana ny fiangonana?

Rahalahy anisan’ny komity iray ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana, miara-mivory amin’ireo mpanampy azy

INONA NY ASAN’NY FILAN-KEVI-PITANTANANA?

RAHALAHY voahosotra daholo no ao anatin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Izy ireo ilay antsoina hoe “mpanompo mendri-pitokisana sy malina.” Inona ny andraikitr’io mpanompo io? Izy io no manome sakafo ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah. Izy io koa no manome ny toromarika ilaina amin’ny asa fitoriana eran-tany sy manao izay hampandroso azy io.—Mat. 24:14, 45-47.

Mivory isan-kerinandro ny Filan-kevi-pitantanana, ary matetika no isaky ny alarobia. Manampy azy ireo hiara-miasa tsara sy hiray saina izany. (Sal. 133:1) Ny Filan-kevi-pitantanana no miandraikitra ny asa ataon’ilay Fanjakana eto an-tany. Mizara ho komity enina izy io, ka ireto avy izany:

  • Rahalahy roa mandamina hoe ahoana no hikarakarana ny fiangonana

    Komitin’ny Mpandrindra

    Miandraikitra ny resaka lalàna sy mampahafantatra ny marina momba ny zavatra inoantsika any amin’ny fampitam-baovao, rehefa ilaina izany. Mandray andraikitra rehefa misy Vavolombelon’i Jehovah tra-boina na enjehina, na rehefa misy zava-tsarotra hafa mahazo azy ireo.

  • Betelita manao asa isan-karazany

    Komitin’ny Mpiasa

    Miandraikitra sy mikarakara ny Betelita eran-tany, na eo amin’ny lafiny ara-panahy izany na amin’ny lafiny hafa. Manome alalana ny Betela tsirairay hifidy sy hampiditra mpiasa vaovao. Manoro hevitra rehefa misy fanapahan-kevitra mila raisina momba ny mpiasa ao amin’ny Betela.

  • Betelita miasa ao amin’ny toerana fanaovana pirinty sy fandefasana boky sy gazety ara-baiboly

    Komitin’ny Fampanontana

    Miandraikitra an’izay sampan-draharaha mpanao pirinty sy mpandefa boky sy gazety eran-tany. Manara-maso an’ireto: Ny zavatra rehetra ampiasaina amin’ny fanaovana pirinty, ny trano misoratra amin’ireo fikambanantsika, ary ny asa fanorenana eran-tany, anisan’izany ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Manapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana tsara ny vola fanomezana.

  • Rahalahy manoratra sady manao fikarohana eo ambony latabatra

    Komitin’ny Fanompoana

    Miandraikitra ny asa fitoriana sy izay zavatra mahakasika ny fiangonana, mpitory, mpisava lalana, anti-panahy, mpiandraikitra mpitety faritany, ary ny misionera. Manao asa maro hafa koa, ohatra hoe manara-maso ny asa ataon’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly.

  • Rahalahy mandaha-teny eo ambony lampihazo

    Komitin’ny Fampianarana

    Mijery hoe inona ny zavatra hampianarina amin’ny fivorian’ny fiangonana sy fivoriambe. Miandraikitra ny Sekolin’i Gileada, Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, ary ny sekoly hafa. Mijery hoe inona avy no havoaka ao amin’ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana. Manara-maso ny famokarana video sy ny zavatra raisim-peo.

  • Zavatra isan-karazany vokarin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ilay tranonkala jw.org

    Komitin’ny Fanoratana

    Manara-maso na miandraikitra hoe inona no havoaka ao amin’ny gazety, boky, ary izay zavatra hafa ho an’ny fiangonana sy ny besinimaro. Mikarakara ny tranonkala jw.org sy miandraikitra ny fandikan-teny eran-tany. Mamaly ny fanontanian’ny olona momba ny andinin-teny na fanazavana navoaka tao amin’ny boky sy gazetintsika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara