FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 13 p. 36-p. 37 feh. 1
  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Zaza Kambana Tsy Nitovy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Esao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 13 p. 36-p. 37 feh. 1
Jakoba miankohoka, ary Esao mihazakazaka manatona azy

LESONA 13

Nihavana Indray i Jakoba sy Esao

Niteny tamin’i Jakoba i Jehovah hoe hiaro azy, hoatran’ny nataony tamin’i Abrahama sy Isaka. Tany Harana i Jakoba no nipetraka. Nanambady izy tany, ary nanan-janaka be dia be sady lasa nanan-karena be.

Hoy i Jehovah tamin’i Jakoba, tatỳ aoriana: ‘Mandehana miverina any amin’ny taninao.’ Dia lasa àry izy sy ny fianakaviany nandeha lavitra be niverina tany amin-dry zareo. Niteny tamin’i Jakoba ny mpiasany teny an-dalana hoe: ‘Tamy any i Esao zokinao, miaraka amin’ny lehilahy 400.’ Natahotra be i Jakoba sao dia hovonoin’i Esao izy mianakavy. Nivavaka tamin’i Jehovah àry izy hoe: ‘Mba vonjeo re aho e!’ Dia nandefasan’i Jakoba ondry, osy, omby, rameva, ary ampondra be dia be i Esao ny ampitson’iny.

Nahita anjely i Jakoba ny alin’iny. Izy irery no teo tamin’izay. Nifampitolona izy sy ilay anjely mandra-paharainan’ny andro. Tsy niala mihitsy i Jakoba na dia efa voa mafy aza. Hoy àry ilay anjely taminy: ‘Avelao aho handeha.’ Hoy anefa i Jakoba: ‘Tsy avelako mandeha ianao raha tsy mitso-drano an’ahy.’

Dia nitso-drano an’i Jakoba ilay anjely tamin’ny farany. Lasa natoky àry i Jakoba hoe tsy avelan’i Jehovah hamono azy i Esao.

Nitazana teny lavitra teny i Jakoba rehefa maraina ny andro, dia nahita an’i Esao sy ireo lehilahy 400. Nandeha teo alohan’ny fianakaviany àry i Jakoba, dia niankohoka impito teo anatrehan’i Esao. Dia iny i Esao fa nihazakazaka namihina an’i Jakoba. Samy nitomany izy roa lahy, ary nihavana indray. Mba ahoana izao ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa nahita ny zavatra nataon’i Jakoba?

Nandeha nody i Esao avy eo, fa i Jakoba kosa nanohy ny diany. Nanan-janakalahy 12 i Jakoba. Ireto avy ny anarany: Robena, Simeona, Levy, Joda, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolona, Josefa, ary Benjamina. I Josefa no nampiasain’i Jehovah mba hamonjena ny vahoakany. Andao ange hojerentsika e!

“Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo, amin’izay ianareo lasa zanak’ilay Rainareo any an-danitra.”​—Matio 5:44, 45

Fanontaniana: Nahoana i Jakoba no nahazo tsodrano? Inona no nataony ka nahatonga azy sy Esao hihavana indray?

Genesisy 28:13-15; 31:3, 17, 18; 32:1-29; 33:1-18; 35:23-26

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara