FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 12 p. 34-p. 35 feh. 5
  • I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Zaza Kambana Tsy Nitovy
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Esao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manaova Safidy Tsara mba Tsy ho Very ny Lovanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Nihavana Indray i Jakoba sy Esao
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 12 p. 34-p. 35 feh. 5
Jakoba, manome lantihy iray vilia an’i Esao, ho takalon’ny zon’ny lahimatoa

LESONA 12

I Jakoba no Nahazo An’ilay Lova

Isaka sy Rebeka, miaraka amin’i Jakoba sy Esao, zanaky ry zareo kambana

Nanambady an’i Rebeka i Isaka tamin’izy 40 taona. Tiany be mihitsy i Rebeka. Niteraka kambana roa lahy ry zareo.

Esao no anaran’ilay zokiny, ary Jakoba ilay zandriny. Tia nandehandeha i Esao ary nahay nihaza, fa i Jakoba indray tia nijanona tao an-trano.

Ny lahimatoa, tamin’izany, no nomena vola sy tany betsaka indrindra rehefa maty ny raim-pianakaviana. Izany no atao hoe lova. Mbola hahazo lova hafa koa anefa ny zanak’i Isaka, anisan’izany ilay hoe hanatanteraka an’ilay zavatra nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama. Tsy dia niraharaha an’izany i Esao, fa i Jakoba kosa nahafantatra hoe tena zava-dehibe ilay izy.

Jakoba sy Esao

Avy nihaza i Esao, indray mandeha, dia reraka be rehefa tonga tao an-trano. Manitra erỳ tamin’izay ny sakafo nandrahoin’i Jakoba, ka hoy izy: ‘Noana be mihitsy aho izany! Mba omeo amin’io lantihy io aho!’ Dia hoy i Jakoba: ‘Eo àry aloha teneno hoe homenao an’ahy ny lovanao dia homeko ianao e!’ Hoy i Esao: ‘Hataoko inona koa izay lova! Ento ho anao any izany, fa ny an’ahy aloha izao sakafo no ilaiko.’ Tena tsy nety izany nataon’i Esao izany e? Aiza ve ka lova sarobidy be nefa natakalony lantihy iray vilia fotsiny!

Efa antitra be i Isaka, dia hitso-drano ny lahimatoany amin’izay izy. I Jakoba no zandry nefa izy no nampian’i Rebeka hahazo an’ilay tsodrano. Tezitra be i Esao rehefa fantany izany, dia notadiaviny hovonoina ilay zandriny. Te hiaro an’i Jakoba i Isaka sy Rebeka ka niteny taminy hoe: ‘Mandehana mipetraka any amin’i Labana dadatoanao, dia rehefa tsy tezitra intsony i Esao vao miverena.’ Nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba, ka nandeha nitsoaka mba tsy ho faty.

“Inona tokoa moa no soa ho azon’ny olona raha azony izao tontolo izao nefa afoiny ny ainy? Ary inona tokoa moa no homen’ny olona ho takalon’ny ainy?”​—Marka 8:36, 37

Fanontaniana: Tia nanao inona i Esao? Ary tia nanao inona i Jakoba? Nahoana no i Jakoba indray fa tsy i Esao no nahazo an’ilay tsodrano?

Genesisy 25:20-34; 27:1–28:5; Hebreo 12:16, 17

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara