FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lfb lesona 75 p. 178-p. 179 feh. 4
  • Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly
  • Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Tokony Hanohitra Fakam-panahy Isika
    Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
  • Tahafo i Jesosy ka ‘Tohero ny Devoly’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Ianaro ny Fomba Niatrehan’​i Jesosy Fakam-panahy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fianarana avy amin’ireo fakam-panahy nahazo an’i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
lfb lesona 75 p. 178-p. 179 feh. 4
Jesosy, tsy mety mitsambikina avy eo amin’ny fara tampon’ny tempoly

LESONA 75

Naka Fanahy An’i Jesosy ny Devoly

Jesosy, tsy mety manova ny vato ho mofo

Rehefa vita batisa i Jesosy, dia nentin’ny fanahy masina tany an-tany efitra. Tsy nihinana na inona na inona izy nandritra ny 40 andro ka noana be. Naka fanahy azy àry ny Devoly dia niteny hoe: ‘Raha tena Zanak’Andriamanitra ianao, dia ataovy lasa mofo ireto vato ireto.’ Nanonona andinin-teny anefa i Jesosy rehefa namaly azy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe tsy ny mofo ihany no ilainao mba hahavelona anao, fa ilainao koa ny mihaino ny tenin’i Jehovah.’

Hoy indray ny Devoly tamin’i Jesosy: ‘Raha tena Zanak’Andriamanitra ianao, dia mitsambikìna avy eo amin’ny fara tampon’ny tempoly. Fa voasoratra hoe handefa anjely hamonjy anao Andriamanitra.’ Mbola nanonona andinin-teny ihany anefa i Jesosy. Hoy izy: ‘Voasoratra hoe aza maka fanahy an’i Jehovah.’

Jesosy, tsy manaiky rehefa natolotr’i Satana azy ny fanjakana rehetra eto an-tany

Nasehon’i Satana an’i Jesosy avy eo ny fanjakana rehetra teto an-tany sy ny harenany ary ny lazany. Dia hoy izy: ‘Homeko anao daholo ireo rehetra ireo, raha mivavaka amiko indray mandeha fotsiny ianao.’ Hoy anefa i Jesosy: ‘Mandehana ianao ry Satana! Fa voasoratra hoe i Jehovah irery ihany no tokony hivavahanao.’

Dia lasa nandeha ny Devoly, ary nisy anjely tonga nanome sakafo an’i Jesosy. Nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana i Jesosy nanomboka teo. Izany mantsy no nanirahana azy tetỳ an-tany. Tian’ny olona ny zavatra nampianariny, ka nanaraka azy hatraiza hatraiza ry zareo.

“Mandainga [ny Devoly] satria efa izay no maha izy azy. Mpandainga mantsy izy sady rain’ny lainga.”​—Jaona 8:44

Fanontaniana: Inona ireo fakam-panahy telo nahazo an’i Jesosy? Ahoana no namalian’i Jesosy ny Devoly?

Matio 4:1-11; Marka 1:12, 13; Lioka 4:1-15; Deoteronomia 6:13, 16; 8:3; Jakoba 4:7

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara