LESONA 74
Lasa Mesia i Jesosy
Efa nitory i Jaona hoe: ‘Hisy olona lehibe noho izaho ho avy.’ Rehefa 30 taona teo ho eo i Jesosy, dia niala tany Galilia ary nankany amin’ny Reniranon’i Jordana, tany amin’ilay nanaovan’i Jaona batisa. Tian’i Jesosy hanao batisa azy koa mantsy i Jaona. Tsy nanaiky anefa izy. Hoy izy: ‘Ianao aza no tokony hanao batisa an’ahy!’ Dia hoy i Jesosy: ‘Ataovy fa izany no tian’i Jehovah!’ Nidina tao amin’ny Reniranon’i Jordana àry ry zareo, dia nandroboka tanteraka an’i Jesosy tao anaty rano i Jaona.
Nivoaka avy tao anaty rano i Jesosy avy eo, ary nivavaka. Nisokatra ny lanitra tamin’izay ka nidina teo aminy ny fanahin’Andriamanitra. Hoatran’ny voromailala ilay izy. Dia niteny avy tany an-danitra i Jehovah hoe: “Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.”
Lasa Kristy, na Mesia, i Jesosy rehefa nahazo ny fanahin’i Jehovah. Hanomboka an’ilay asa nanirahan’i Jehovah azy tetỳ an-tany amin’izay izy izao.
Vao vita batisa i Jesosy, dia nankany an-tany efitra ary nijanona tany 40 andro. Nankany amin’i Jaona izy rehefa niverina. Dia hoy i Jaona rehefa nanatona i Jesosy: ‘Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. Izy no hanala ny fahotan’izao tontolo izao.’ Niteny an’izany i Jaona mba ho fantatry ny olona hoe i Jesosy no Mesia. Ary inona no nitranga tamin’i Jesosy tamin’izy tany an-tany efitra? Andao hojerentsika izany.
“Nisy feo avy any an-danitra niteny hoe: ‘Ianao no Zanako malalako. Ankasitrahako ianao.’”—Marka 1:11