LESONA 92
Niseho Tamin’ny Mpanarato i Jesosy
Nandeha nanarato tany amin’ny Ranomasin’i Galilia i Petera, taoriana kelin’ny nisehoan’i Jesosy tamin’ny apostoly. Niaraka tamin’i Petera koa i Tomasy, Jakoba, Jaona, ary ny mpianatra vitsivitsy. Nanarato nandritra ny alina ry zareo fa tsy nahazo trondro mihitsy.
Raha vao maraina anefa ny andro, dia nahita lehilahy terỳ amoron-drano ry zareo. Hoy ilay lehilahy: ‘Nahazo trondro ve ianareo?’ Dia hoy ry zareo: ‘Tsy nahazo!’ Hoy indray ilay lehilahy: ‘Atsipazo eo ankavanan’ny sambokely àry ny haratonareo.’ Dia nataon-dry zareo izany ka feno trondro ilay harato, ary tsy vitany ny nampakatra an’ilay izy tao anaty sambo. Tonga saina tampoka i Jaona hoe i Jesosy io, dia hoy izy: “Ny Tompo io!” Tonga dia nitsoraka tao anaty rano i Petera ka nilomano nankeny amoron-drano, fa ny mpianatra hafa kosa nandeha sambo ihany.
Nahita trondro sy mofo nandrahoina teo ambony afo ry zareo rehefa tonga teny amin’ny torapasika. Dia nasain’i Jesosy nitondra trondro ry zareo ho fanampin’ilay sakafo efa teo. Hoy i Jesosy avy eo: ‘Avia hisakafo maraina.’
Rehefa avy nisakafo ry zareo, dia nanontany an’i Petera i Jesosy hoe: ‘Izaho ve no tianao kokoa noho ny manarato?’ Dia hoy i Petera: ‘Ie, ary efa fantatrao izany Tompo ô!’ Hoy i Jesosy: ‘Omeo sakafo àry ny ondrikeliko.’ Dia nanontany indray i Jesosy hoe: ‘Tia an’ahy ve ianao ry Petera?’ Hoy izy: ‘Tompo ô, efa fantatrao hoe tia anao aho.’ Hoy i Jesosy: “Andraso àry ny ondrikeliko.” Nanontany fanintelony izy, dia nalahelo be i Petera. Hoy i Petera: ‘Tompo ô, fantatrao ny zava-drehetra. Fantatrao hoe tia anao aho.’ Hoy i Jesosy: ‘Omeo sakafo àry ny ondrikeliko.’ Hoy koa izy: ‘Manaraha ahy foana.’
“Hoy i Jesosy taminy: ‘Andao hanaraka ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.’ Tonga dia namela ny haratony izy ireo ka nanaraka azy.”—Matio 4:19, 20