LESONA 93
Niverina Nankany An-danitra i Jesosy
Nihaona tamin’ny mpianany tany Galilia i Jesosy. Nisy zava-dehibe nasainy nataon-dry zareo tamin’izay. Hoy izy: ‘Mandehana mampianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra. Dia ampianaro an-dry zareo izay nampianariko anareo, ary ataovy batisa ry zareo.’ Hoy koa izy: ‘Tadidio hoe hanampy anareo foana aho.’
Niseho tamin’ny mpianany be dia be i Jesosy tany Galilia sy Jerosalema, nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany. Nampianatra zavatra lehibe an-dry zareo izy sady nanao fahagagana maro. Nihaona farany tamin’ny apostoliny teo amin’ny Tendrombohitra Oliva izy avy eo. Hoy izy: ‘Aza miala eto Jerosalema, fa andraso foana ilay zavatra efa notenenin’ny Ray hoe homeny anareo.’
Tsy azon’ny apostoly izay tian’i Jesosy hotenenina, dia nanontany azy ry zareo hoe: ‘Ho lasa Mpanjakan’ny Israely amin’izay ve ianao?’ Hoy i Jesosy: ‘Mbola tsy amin’izao aho no tian’i Jehovah hatao ho Mpanjaka. Fa kely sisa dia hahazo hery avy amin’ny fanahy masina ianareo, ary ho lasa vavolombeloko. Dia mandehana mitory any Jerosalema sy Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra.’
Niakatra tany an-danitra i Jesosy avy eo, ary notakonan’ny rahona. Mbola nijery teo foana ny mpianany, fa izy nefa efa tsy hita intsony.
Niala teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny mpianany taorian’izay, ary nankany Jerosalema. Dia niaraka nivory sy nivavaka foana tao amin’ny efitra iray ambony rihana ry zareo. Niandriandry koa ry zareo hoe inona ny zavatra hafa hatoron’i Jesosy an-dry zareo.
“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.”—Matio 24:14