FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • lmd lesona 6
  • Manàna Fahasahiana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manàna Fahasahiana
  • Tiavo ny Olona ka Ampianaro
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no nataon’i Jesosy?
  • Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?
  • Tahafo i Jesosy
  • Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Mitory Amim-pahasahiana ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • ‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Sahia Hatrany Mitory ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
Hijery Hafa
Tiavo ny Olona ka Ampianaro
lmd lesona 6

MIRESADRESAHA ALOHA

Asain’i Jesosy midina avy eny ambony hazo i Zakaiosy. Gaga ny olona sasany mahita an’izany.

Lioka 19:1-7

LESONA 6

Manàna Fahasahiana

Torolalana: “Nampian’ilay Andriamanitsika ho sahy hitory ny vaovao tsara taminareo [aho].”​—1 Tes. 2:2.

Ahoana no nataon’i Jesosy?

Asain’i Jesosy midina avy eny ambony hazo i Zakaiosy. Gaga ny olona sasany mahita an’izany.

VIDEO: Mitory Amin’i Zakaiosy i Jesosy

1. Jereo ilay VIDEO, na vakio ny Lioka 19:1-7. Diniho ireto fanontaniana ireto avy eo:

  1. Maninona no mety tsy ho azoazon’ny olona sasany i Zakaiosy?

  2. Nahoana anefa i Jesosy no mbola nitory taminy?

Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jesosy?

2. Tokony ho sahy hitory momba an’ilay Fanjakana amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka isika.

Tahafo i Jesosy

3. Miantehera amin’i Jehovah. Nampian’ny fanahy masina i Jesosy mba ho sahy hitory ary afaka manampy anao koa izy io. (Mat. 10:19, 20; Lioka 4:18) Mangataha fahasahiana amin’i Jehovah raha matahotra ny hitory amin’ny olona sasany ianao.​—Asa. 4:29.

4. Aza mitsaratsara olona. Mety hisalasala hitory amin’ny olona sasany isika noho ny paoziny, na ny fari-piainany, na ny fomba fiainany, na noho ny zavatra inoany. Tadidio anefa izao:

  1. Tsy afaka mamantatra ny any am-pon’ny olona hoatran’i Jehovah sy Jesosy isika.

  2. Tsy tokony hieritreritra isika hoe tsy azon’i Jehovah amindrana fo intsony ny olona iray.

5. Miezaha ho malina sy hanaja na dia manana fahasahiana aza ianao. (Mat. 10:16) Aza miady hevitra. Raha hitanao hoe tsy te hihaino ny vaovao tsara ilay olona na tsapanao hoe tandindomin-doza ny ainao, dia farano amim-panajana ilay resaka.​—Ohab. 17:14.

JEREO KOA IRETO

Asa. 4:31; Efes. 6:19, 20; 2 Tim. 1:7

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara