FEHIKIBO
Lamba lavalava nahodidin’ny ampakarina ny andilany tamin’ny andro fampakaram-bady. Io no famantarana fa manambady izy. Toy ny hoe vadin’i Jehovah ny Israely nefa nanota taminy sy tsy niraharaha azy, ka hoy Izy: “Misy virjiny manadino ny firavany ve? Ary misy vehivavy ampakarina manadino ny fehikibony ve? Ny oloko kosa anefa nanadino ahy nandritra ny andro maro tsy hita isa.” Tokony ho Izy no firavak’izy ireo tsara indrindra, nefa naleon’izy ireo andriamani-kafa.—Je 2:32; Is 3:20; ampit. Is 49:18; jereo FIADIANA, FITAOVAM-PIADIANA; FITAFIANA.