“Andro Iray toa Zato”
ANDRO mahafinaritra ny andro fampakaram-bady. Maro ny mpivady niteny hoe “tena andro iray toa zato iny.” Mety ho ny andro handreraka indrindra koa anefa izy io. Mety ho be ny fanerena sy ny harerahan’izy roa hivady sy ny fianakaviany, satria betsaka ny fanapahan-kevitra sy fanomanana tokony hatao ary maro ny olona hihaona amin’izy mivady amin’io andro io.
Manomboka amin’ny fampakaram-bady ny fiainana vaovao ho azy mivady. Tsy izy ireo ihany anefa no ho voakasik’izany. Matetika no faly sahirana ny mpianakavy satria handeha hanorina tokantrano ilay zanaka, na ilay iray tam-po tian’izy ireo, ka tsy hiara-mipetraka amin’izy ireo intsony.
Samy hafa ny fomba fampakaram-bady eran-tany, ary tsy ho voaresaka eto daholo izany. Ny fomba mahazatra any amin’ny tany tandrefana sy ny mitovitovy aminy no hifantohan’ireto lahatsoratra ireto. Mety handany vola be ny fampakaram-bady any amin’ireny tany ireny. Misy tena mandany vola be mihitsy, mba hanofana trano na hotely hanaovana fety, na hanomanana sakafo, ohatra. Tombanana fa mandany maherin’ny 63 000 000 FMG ny fampakaram-bady antonony any Italia. Mety ho mbola lafo noho izany ny any Japon sy any an-toeran-kafa. Matetika no tsy izy roa hivady no mandoa ny lany, fa ny ray aman-drenin’izy ireo.
Mampiroborobo raharaham-barotra ny fampakaram-bady. Maro ny orinasa mampirisika ny hanaovana fampakaram-bady “tonga lafatra.” Toy ny nilaza tokoa izy ireo fa “andro iray toa zato” io andro io! Mivarotra zavatra sy manao asa maro be lazainy hoe “tena ilaina” mba “hahalavorary” an’ilay andro lehibe ho anao izy ireo. Mety ho taratasy fanasana hafakely izany, na akanjo mariazy “efa nonofinofisinao”, izany hoe rebareba ho an’ireo vehivavy mpanaraka ary kompile na toy izany ho an’ireo lehilahy mpanotrona. Eo koa ny voninkazo sy ny fiara hitondra ny mpanambady, ary angamba hotely hisakafoana sy mpaka sary, orkesitra sy zavatra hafa. Mahakivy ratsy ny raim-pianakaviana ny zavatra mety hirin’izy roa hivady sy ny vola holanina amin’izany.
Ny fanarahana fomba indray no misongadina any amin’ny fiaraha-monina sasany. Misy fomba samihafa sy fihetsika isan-karazany tokony harahina, ary antenaina fa hanaraka izany izy roa hivady. Misy zavatra be dia be tokony hotadidina tokoa, nefa voafetra ihany ny fotoana handaminana azy rehetra.
Mahafinaritra sa mampahatahotra ny mieritreritra izany? Na ahoana na ahoana havalinao, dia mampipoitra fanontaniana maro ny fieritreretana ny andro fampakaram-bady. Inona no dikan’ny hoe mampaka-bady ankehitriny? Ilaina ve izany rehetra izany mba hampety tsara ny fampakaram-bady? Ahoana no handresena ny olana momba ny fandaminana sy ny olana ara-pihetseham-po?
Maro no nahakarakara tsara ireo tsipirian-javatra sy nankafy ny fampakaram-badiny, na dia teo aza ireo fanerena. Mety hanampy olon-kafa miomana ho amin’ny fampakaram-bady ny zavatra niainan’izy ireny. Misy koa ny fanampiana omen’ny Baiboly mba handaminana ny fampakaram-bady, ka hahatonga io andro io hahafinaritra sy hahasambatra ary hampahery ny rehetra.