FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Elisama”
  • Elisama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Elisama
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Elisoa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nona, I
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Amihoda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Netania
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Elisama”

ELISAMA

(Elisàma) [Ny Andriamanitro dia Nandre (Nihaino)].

1. Zanakalahin’i Amihoda avy amin’ny fokon’i Efraima; raiben’i Josoa. (No 1:10; 2:18; 1Ta 7:26, 27) Izy no iray tamin’ireo mpiadidy 12 notendren’i Jehovah hanampy an’i Mosesy sy Arona hanisa izay zanak’Israely afaka niantafika. Nifehy ny tafika tao amin’ny fokony koa izy. (No 1:1-4, 17; 2:18; 10:22) Nandray anjara tamin’ny fanatitra niombonan’ireo mpiadidy izy rehefa voatsangana ny tranolay masina, sady nanatitra ny fanatiny manokana koa tamin’ny andro fahafito nitokanana ny alitara.​—No 7:1, 2, 5, 10, 11, 48-53.

2. Zanakalahin’i Jekamia avy amin’ny fokon’i Joda.​—1Ta 2:3, 41.

3. Zanakalahin’i Davida teraka tany Jerosalema. Miantso azy hoe Elisoa ny 2 Samoela 5:15 sy ny 1 Tantara 14:5. Elisoa koa no hita ao amin’ny 1 Tantara 3:6 ao amin’ny sora-tanana hebreo anankiroa. Matetika no heverina hoe i Elisoa no tena izy, fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay Elisama ao amin’ny 1 Tantara 3:6. Mora tafiditra ilay fahadisoana satria misy hoe Elisama koa eo amin’ny 1 Tantara 3:8. Notanan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Baiboly hafa anefa ilay “Elisama” ao amin’ny 1 Tantara 3:6, satria io no hita ao amin’ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Peshitta syriàka, ary ny Vulgate latinina.

4. Zanakalahin’i Davida teraka tany Jerosalema koa.​—2Sa 5:16; 1Ta 3:8; 14:7.

5. Mpisorona tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka. “Nitety ny tanàna rehetran’ny Joda, ary nampianatra teo amin’ny vahoaka” izy sy ny Levita hafa mbamin’ireo andriana.​—2Ta 17:1, 7-9.

6. Mpitan-tsoratra tao an-dapan’i Joiakima Mpanjaka.​—Je 36:12, 20, 21.

7. Raiben’ilay Ismaela namono an’i Gedalia governora jiosy.​—2Mp 25:25; Je 41:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara