GITITA
(Gitìta).
Teny fampiasa tamin’ny mozika izay tsy tena fantatra ny dikany, ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-8, 81, ary 84. Toa avy amin’ny hoe gat (heb.), izay anaran-tanàna iray teo amin’ny sisin-tanin’i Joda sy Filistia koa, izy io. Feon’ny hira nataon’ny mpanao divay, hono, ny hoe “Gitita”, satria ilazana famiazam-boaloboka ny hoe gat. Nadikan’ny Baiboly sasany hoe “famiazam-boaloboka” (LXX, Vg) àry ny hoe “Gitita.”