FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lapan’ny Governora”
  • Lapan’ny Governora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lapan’ny Governora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpanao Trano Tena Nahay i Heroda Lehibe
    Mifohaza!—2009
  • Lapa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Tokotany Vato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Pilato
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lapan’ny Governora”

LAPAN’NY GOVERNORA

Ilazana ny fonenan’ny governora romanina ny teny grika hoe praitôriôn (lat.: praetorium). Tao an-dapan’ny governora tao Jerosalema i Pontio Pilato no nanadihady an’i Kristy Jesosy, ary tao an-tokotaniny ny miaramila romanina no naneso azy. (Mr 15:16; Jn 18:28, 33; 19:9) Ny Tilikambon’i Antonia, hono, io lapa io. Ny hafa indray milaza fa ilay lapa naorin’i Heroda Lehibe izy io satria, hono, 1) nantsoina hoe “tranon’ireo governora” ny lapan’i Heroda, ary nisy ampinga nahanton’i Pilato Governora tao ho fanomezam-boninahitra an’i Tiberio Kaisara, hoy i Philon filozofa jiosy tamin’ny taonjato voalohany (Fanazavana Amin’i Caius ny Asan’ny Ambasadaoro, XXXIX, 306); 2) tao no nipetraka i Gessius Florus Governora, hoy i Josèphe, Jiosy mpahay tantara (Ny Adin’ny Jiosy, II, 301 [xiv, 8]); ary 3) tao amin’ny lapan’i Heroda ny governora no nipetraka tao Kaisaria.​—As 23:33-35.

Tao Jerosalema, teo avaratrandrefan’ny tanàna ambony izay tao amin’ny faritra atsimo, no nisy ny lapan’i Heroda. Nirefy 30 hakiho (13 m) ny haavon’ny manda nanodidina azy io izay nisy tilikambo nitovy elanelana, hoy i Josèphe. Nisy lala-mitafo sy ala kely teo an-tokotanin’ilay lapa. Voaravaka volamena sy volafotsy ary marbra kosa ny efitra tao an-dapa, ary nisy efitra fatoriana ho an’ny vahiny 100.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 318 (ix, 3); Ny Adin’ny Jiosy, V, 173-182 (iv, 4).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara