HA-ELEFA
(Ha-elèfa) [Ny Ombilahy; Ny Ombivavy].
Tanànan’i Benjamina, saingy tsy fantatra ny toerana nisy azy. (Js 18:21, 28) Misy manam-pahaizana mihevitra fa ampahany amin’ny anaran’i “Zela”, tanàna voatonona eo alohany ny hoe Ha-elefa. Raha akambana anefa ny hoe “Zela” sy ny hoe “Ha-elefa” dia lasa 13 ny isan’ny tanàna fa tsy 14 araka izay voalazan’ny Baiboly.