FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w75 15/2 p. 99-100
  • Aoka tsy hiteraka fahavoazana ho anao na ny harena na ny fahantrana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Aoka tsy hiteraka fahavoazana ho anao na ny harena na ny fahantrana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no mety hahatonga ny harena hiteraka fahavoazana?
  • Aoka tsy hiteraka fahavoazana ho anao ny fahantrana!
  • Mampanan-karena ny fitahian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
  • Harena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Manangòna Harena Ara-panahy
    Mifohaza!—2007
  • “Manankarena Amin’Andriamanitra” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1975
w75 15/2 p. 99-100

Aoka tsy hiteraka fahavoazana ho anao na ny harena na ny fahantrana

METY hiteraka fahavoazana ho an’ny manan-karena ny harena, nefa mety hanimba ny mahantra koa ny fahantrana. Mampiseho tsara izany fahamarinana izany ny ohabolana tranainy iray: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy; fa ny tsi-fananan’ny ory no fandringanana [fahavoazana ho, MN] azy.’’ — Ohabolana 10:15.

Nefa raha vohitra mafy ny zavatra sarobidy ananan’ny manan-karena ahoana no mety hahatonga izany hanimba azy? Tsy azo lavina fa ny manan-karena dia mirona ho amin’ny fiheverana ny hareny ho toy ny fiarovana, toy ny manda manodidina ny tanàna iray. Takatra ny mahatonga azy hihevitra toy iza­ny. Amin’izy ireny tokoa ny harena dia matetika no milaza sakafo tsara, trano kanto sy tombontsoa ara-nofo hafa koa. Tsy azo lavina fa misy vidiny ny vola, araka ny eken’ny Baiboly amin’ny filazana hoe: “Fialokalofana ny vola.”​—Mpitoriteny 7:12.

Nefa moa ve ny harena miaro amin’ny homamiadana (cancer), ny aretim-po mbamin’ny loza hafa koa? Afaka mividy ny fahasambarana ve izy, izany hoe fanambadiana mafy orina ary zanaka hendry sy manaja? Mifanohitra amin’izany, ny olona iray dia tena mety hamoy ny fahasalamana sy hanapaka ny fatoram-pianakaviany amin’ny fikatsahana harena tafahoatra. Izany indrindra no lazain’ny ohabolana ara-tsindrimandry hafa iray toy izao: “Ny haren’ny manan-karena no vohiny mafy, ary raha araka ny fiheviny, dia toa mandà avo izany.” — Ohabolana 18:11.

Ahoana no mety hahatonga ny harena hiteraka fahavoazana?

Ny fanaovan’ny manan-karena ho zava-dehibe loatra ny fananany ara-nofo dia avy amin’ny fiheverany. Mety hiteraka fahavoa­zana ho azy tokoa ny harena. Ohatra, tsy mbola voamarikao mihitsy ve fa mandrakariva ny manan-karena dia ianjadian’ny famelezan’ny heloka bevava? Matetika no andrenesana fitenenana ny amin’ny fangalarana olona, mba hahazoana avotra, sy ny amin’ny famonoana olona, izay ny voa dia olona manan-karena, na mpianakaviny.

Miteraka loza amin’ny lafiny hafa koa ny harena. Mandrakariva ny zanaky ny manan-karena dia mandà ny fomba fiainan’ny ray aman-dreniny feno fitiavana ny zavatra ara-nofo. Mandositra azy mihitsy aza izy ireny indraindray, ka amin’izany dia miteraka alahelo lehibe ho azy.

Nefa ny mbola ratsy kokoa, ny harena dia mety hanimba ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra. Na dia tsy mandà ny finoana an’Andriamanitra aza angamba ny manan-karena, dia mirona ho amin’ny fanilihana azy any amin’ny toerana faharoa eo amin’ny fiainany. Raha ny marina dia ny tenany no itokisany bebe kokoa fa tsy Andriamanitra. Ny fihetsika toy izany amin’ny farany dia mitarika azy ho amin’ny fahavoazana, araka ny nasehon’i Jesosy tamin’ny fanazavana nataony mikasika an’ilay lehilahy nanan-karena variana loatra tamin’ny fanomezana fahafaham-po ny fanirian’ny tenany. — Lioka 12:16-21; Ohabolana 11:28.

Nefa tsy hoe tsy maintsy manosika ho ton­ga miavonavona sy tsy hitoky afa-tsy amin’ny tena akory ny harena. Ny olona manan-karena iray dia mety hihevitra an’Andriama­nitra tsara sy hahatakatra fa ilaina ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany. Toy izany angamba ny aminao. Mihaino ny vavolombelon’i Jehovah ianao rehefa tonga miresaka aminao ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Tsy isalasalana fa mandray boky voasoratra momba ny Baiboly ianao ary manome fanampiana amim-pahalalahan-tanana ho takalony. Nefa moa ve izany ihany no tokony hatao mba hahazoana sitraka amin’Andriamanitra?

Ny fitantarana zavatra tena nisy iray dia hanampy antsika hahatakatra ny hevitr’izany voalaza teo aloha izany. Nanatona an’i Jesosy ny lehilahy nanan-karena iray ary nanontany azy izay tokony hataony ‘hahazoana ny fiainana mandrakizay’. Efa nanaraka ireo foto-poto-dalàn’Andriamanitra izy. Nefa rehefa nanazava taminy Jesosy fa mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah sy hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tokony hatsahany ny fanaovana ny fikatsahana fananana ara-nofo ho ny zavatra ahiny lehibe indrindra, fa ho tonga mpianany sy hanahaka azy amin’ny fizarana ny zavatra ara-panahy amin’ny mpiara-belona aminy, dia lasa nandeha tamin’alahelo mafy ilay lehilahy. Nahoana? — Matio 19:16-22.

Aharihary ny zava-manahirana ao amin’ny fanoharana iray nataon’i Jesosy mikasika an’ireo izay mandre ny “tenin’ny fanjakana”. Mikasika ny sokajin’olona sasany, dia izao no nolazain’i Jesosy: “Ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny.” (Matio 13:22). Matetika no miafara amin’io vokany io ny fahabetsahan’ny fananana ara-nofo. Mandrakariva ny manan-karena dia variana aoka izany amin’ny tombontsoany ara-nofo ka tsy manome ho an’ny “tenin’ny fanjakana” ny fiheverana mendrika azy. Toy izany ve ny aminao?

Raha maniry amim-pahatsorana ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra ianao, dia tonga ny fotoana hanaovana fiovana. Aza manaiky ho voatarika ao amin’ny raharaha ara-barotra na ara-tsosialy izay hangeja anao eo amin’ny ara-panahy. Raha ilaina izany, dia manaova fandaharana tanteraka mba hahafahana mianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Hanampy anao amim-pifaliana sy maimaim-poana ny vavolombelon’i Jehovah. Tongava mpianatr’i Kristy amin’ny fanarahana tokoa ny ohatra nomeny, ary tano ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny “fiainana mandrakizay”.

Aoka tsy hiteraka fahavoazana ho anao ny fahantrana!

Etsy andaniny koa, ireo mahantra dia tokony hitandrina koa, satria mety hiteraka fahavoazana ho azy ny fahantrana. Hilaza angamba izy fa mino an’Andriamanitra sy manaraka ny fivavahana marina, nefa mety hanakivy azy sy handiso ny fomba fisainany ny fahantrana. Ny olon-kendry iray fahizay dia niaiky fa nety hitranga izany ka nanao izao vavaka izao izy: “Ary andrao, raha ton­ga malahelo aho, dia hangalatra ka hanamavo ny anaran’Andriamanitro.’’ — Ohabolana 30:9.

Mety ho voan’ny fakam-panahy hangalatra ny olona iray. Matetika amin’izao andro izao ny mahantra mahita ny hafa manodidina azy miaina ao anatin’ny fananan-javatra betsaka, no misafoaka noho ny tsy rariny. Nefa izany akory tsy manamarina ny halatra, na eo anatrehan’ny lalàn’Andriamanitra na eo anatrehan’ny an’ny olombelona.

Raha toa ny olona iray resin’ny fakam-panahy hietry hatramin’ny fangalarana na amin’ny fanaovan-javatra tsy marina iray, inona no ho vokatr’izany ? Mety hiafara amin’ny fankanesana any an-tranomaizina izany, ka izany dia mety hitondra fahafaham-baraka na ho azy na ho an’ny ankohonany. Ambonin’izany dia mety hampijaly azy ny fieritreretany na, ny mbola ratsy kokoa, mety hihamafy, hany ka ho zatra ny hanao ratsy izany olona izany. Raha tsy misy fandaharam-panitsiana atao, dia hiharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra izy ka hamoy ny fanantenana fiainana mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao sy marina nampanantenain’Andriamanitra sy efa akaiky izao.

Tena ilaina ny hahatakarana fa tsy miankina amin’ny zavatra ananana akory ny tena fahombiazana, fa miankina amin’ny toerana tsara tanana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra. Nahoana? Satria Andriamanitra irery ihany no manana fahefana hanorina fitondram-panjakana marina tsy hahitana ny tsy rariny mihitsy, tsy hahitana zavaboary manana tombontsoa noho ny hafa na dia iray aza. Ny Baiboly, Tenin’Andriamanitra dia manome toky fa izay rehetra mahafeno ireo fepetra takin’Andriamanitra mba hahazoana ny fiai­nana amin’izany dia hifaly be dia be amin’ny vokatry ny tany tsara dia tsara. — Isaia 25:6-9; Apokalypsy 21:3, 4.

Eo am-piandrasana izany, na dia mbola leferina ihany aza ny tsy rariny eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny, ny maha-mpanan-karena na mahantra dia tsy misy heriny mihitsy eo amin’ny toerantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Izao no ambaran’ny ohabolana ara-tsindrimandry: “Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.” (Ohabolana 22:2). Izy rehetra tokoa dia mitsangana eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra marina, arakaraka izay maha-izy azy fa tsy arakaraka ny ananany.

Amin’izany fomba izany koa no ifampiheveran’ireo mpivavaka marina amin’i Jehovah Andriamanitra. Tsy arakaraka ny toe-kareny na ny toerany ara-tsosialy no itsarany azy ireny, fa ekeny izy amin’izay maha-izy azy amin’ny maha-olona. Ho tianao ve ny hifanerasera amin’olona manana fihetsika toy iza­ny eo anoloan’ny mpiara-belona aminy? Ao amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny vavolombe­lon’i Jehovah no hahitanao azy ireny.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara