Rehefa atosiky ny fontsika hanao izay rehetra azontsika atao isika
FAHA-12 nisana, taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana tamin’izay. Niara-nisakafo tamin’ny olona hafa tao an-tranon’i Simona boka tany Betania akaikin’i Jerosalema i Jesosy. Anisan’ireo nanatrika teo dia nisy mpianatra nahatoky nantsoina hoe Maria. Novakiny ny tavoara alabastara iray, ary naidiny tamin’ny lohan’i Jesosy ny menaka manitra sarobidy tao anatiny.
‘Inona no anton’izao fandaniam-poana izao?’ hoy ny fimenomenonan’ny sasany. ‘Azo namidy iny menaka iny ka nomena ny mahantra ny vola azo!’ Kanefa, hoy ny navalin’i Jesosy: ‘Avelao izy, fany mahantra dia eto aminareo mandrakariva ary afaka manao soa aminy foana ianareo. Fa izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. Efa nanao izay azony natao izy, ka nanosotra menaka manitra ny tenako hanamboarana ahy halevina’. — Matio 26:6-13; Marka 14:3-9; Jaona 12:1-8.
Maria avy any Betania dia tsy afaka nanao na inona na inona mba hampitony ny fahorian’i Jesosy rehefa nohomboana tamin’ny hazo izy, roa andro monja taty aoriana tamin’ny 14 Nisana, taona 33 amin’ny fanisan-taona iraisana. Fa izao izy dia afaka nanosotra menaka sarobidy azy. Koa hoy i Jesosy hoe: “Nanao izay rehetra azony natao izy”. (Marka 14:8, An American Translation.) Eny tokoa, ny fon’i Maria dia nanosika azy hanao izay rehetra azony natao..
Voatosika mba hanao izay rehetra azontsika atao
Na amin’ny maha-Vavolombelon’i Jehovah antsika, na amin’ny maha-mpianatra ny fahamarinan’Andriamanitra antsika, dia mety hanana faharisihana isika hampiely ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’izao “andro farany” izao. (Matio 24:14; II Timoty 3:1-5.) Mety ho tena efa mandray anjara amin’io asa io mihitsy aza isika.
Kanefa ny andraikitsika ara-pianakaviana, ny zava-manahirana ara-pahasalamana sy ny antony hafa dia mety tsy hamela antsika hanompo amin’ny maha-misionera any an-tany lavitra. Mety tsy ho afaka ny ho mpikambana ao amin’ny foibe na biraon’ny sampana hafa an’ny Fikambanana Watch Tower isika. Mety tsy hanana fahafahana ny ho mpiandraikitra mpitety faritany na ny toy izany isika. Na dia izany aza anefa, dia mety tsy hisy hanakana antsika tsy hampiasa izay ananantsika amin’ny fomba izay hampandroso ny tombontsoan’ilay Fanjakana. (Matio 6:33.) Eny tokoa, mety ho afaka ‘hankalaza an’i Jehovah amin’ny fananantsika isika. Ny fanaovana izany dia hitondra fitahiana ho antsika, satria ‘ho feno mitafotafo ny fitoeram-barintsika’. — Ohabolana 3:9. 10.
Nanao izay rehetra azony natao izy ireo
Eny, afaka ny hitovy amin’ny an’i Maria avy any Betania sy ny an’ireo olona araka an’Andriamanitra hafa tamin’ny andro taloha ny toe-panahintsika. Ohatra: Ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy dia nahazo tombontsoa hankalaza an’i Jehovah rehefa namboarina ny tabernakely ho fanompoana azy. Tsy afaka nanao zavatra mitovy avokoa akory izy rehetra, kanefa ny fony dia nanosika azy hanao izay rehetra azony natao. Ohatra, nisy vehivavy namoly ny volon’osy izay nampiasaina. Nisy lehilahy niasa tanana ka nanatontosa asa isan-karazany. Ary ny vahoaka tamin’ny ankapobeny? Nankalaza an’i Jehovah izy ireo tamin’ny fanomezana volamena, volafotsy, varahina, volon’ondry, lamba ary zavatra hafa koa mba hamitana ilay tabernakely. Ireo rehetra izay namporisihin’ny fony dia nanao izany “fanatitra ho an’i Jehovah” izany tamim-pifaliana, ary “fanatitra sitra-po” izany. (Eksodosy 35:4-35.) Nanao ahoana ny habetsaky ny zavatra nomeny? Izany dia “ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza”! (Eksodosy 35:4-35.) Nanao ahoana ny habetsaky ny zavatra nomeny? Izany dia “ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza”! (Eksodosy 36:4-7.) Eny, nanao izay azony natao izy ireo.
Taona maro taty aoriana, Davida Mpanjaka dia nanao fanomezana betsaka tokoa ho an’ilay tempoly izay hamboarin’i Solomona zanany. Nomen’i Davida mihitsy aza ‘ny zavatra rehetra nananany’ [“ny fananany manokana”, MN] dia volamena sy volafotsy mba hanaovana izany. Avy eo izy dia nanontany ny vahoaka Isiraely hoe: “Iza no mazoto hitondra fanatitra ho an’i Jehovah anio?” Mba hamaliana izany, ireo lehibe sy mpifehy dia nanao fanomezana, ary “izay nanana vatosoa dia nanome azy ho amin’ny rakitry ny tranon’i Jehovah”. Tsy natao tamim-pimenomenomana izany, satria izao no voalaza: “Faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly”. (I Tantara 29:3-9.) Nanao izay azony natao izy rehetra.
Amin’ny lafiny isam-batan’olona dia maro be tamin’ireo kristiana voalohany no nanao fanomezana ho fampandrosoana ny asa fanambarana ilay Fanjakana. Ohatra, ny apostoly Jaona efa be taona dia nampiseho fa ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana dia tokony hanampy ireo solontena mpitety faritany tonga ao aminy, ‘mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana isika’. Nanao teny fiderana an’i Gaio koa i Jaona noho ny fahaiza-mampiantrano vahiny nasehony tamin’ny “vahiny”, izany hoe tamin’ireo olona tsy fantatr’i Gaio akory teo aloha kanefa noraisiny tamim-kafanam-po noho ny asa fanompoana nataony ho an’ny kongregasiona. (III Jaona 5:8.) Tsy afaka nanao dia lavitra ho tombontsoan’ilay “vaovao tsara” ny ankamaroan’ireo vavolombelon’i Jehovah tamin’ny toerana manokana iray, kanefa nanao izay azony natao izy ireo.
Ny kongregasiona iray manontolo koa dia afaka mampiasa ny fananany ara-nofo mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Ny apostoly Paoly, ohatra, dia afaka nilaza izao tamin’ireo mpino tany Filipy: “Fony tany Tesalonika aza aho, dia nampanatitra ho ahy indray mandeha amana indroa hianareo hamonjy ahy. Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana no ilazako izany; fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho”. (Filipiana 4:15-17.) Tsy afaka niaraka tamin’ilay apostoly tamin’ny dia nataony ilay kongregasiona iray manontolo, kanefa nanao izay azony natao izy ireo.
Izay tsapan’ny mpikambana sasantsasany
Hoy i Jesosy Kristy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Tsy mahagaga àry raha faly aoka izany ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka, rehefa ‘nazoto nanatitra ho an’i Jehovah izy ireo. (I Tantara 29:9; Asa. 20:35.) Misy toe-tsaina tahaka izany koa amin’izao andro izao.
Hoy ny nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah iray tamin’ny Fikambanana Watch Tower: “81 taona aho izao, ary tsy afaka mandeha mivoaka amin’ny fanompoana [amin’ny saha fitoriana] firy intsony satria tsy afaka mandeha aho fa voan’ny aretin ‘ny tonon-taolana, kanefa maniry ny hanao zavatra aho mba hahafahan’ny fanompoana mitohy foana. Handefa fanomezana ho anareo isam-bolana aho raha mbola afaka manao izany foana ary ny faniriako manokana dia ny hanampy ireo nahazo diplaoma [avy amin’ny Sekolin’i Gileada fianarana Baiboly an’ny Watch Tower] ka mankany an-tany lavitra. Ny tenan’io ramatoa be taona io manokana dia tsy afaka manompo amin’ny maha-misionera, kanefa ny fony dia nanosika azy hanao izay azony natao.
Nisy fianakaviana iray manontolo niara-niasa mba handraisana anjara amin’ny fanampiana amin’ny asa fanontana na ny fandaharam-panitaran’ny Fikambanana. Izao no nosoratan’ny fianakaviana iray. “Amin’ny maha-fianakaviana anay dia mahatsiaro ho voatosika izahay mba handray anjara amin’izany (...) tena faly tokoa izahay rehefa nanatona anay ny zanakay roa lahy mbola tanora nanambara taminay ny faniriany mba handray anjara koa amin’ny fanomezana halefan’ny fianakaviana any amin’ny Fikambanana. Ny fanomezany dia avy amin’ny vola azony tamin’ny fanaovana asa tapak’andro ka notehiriziny. Tena faly izahay noho ireo zavatra vita pirinty tsara tarehy maro be sy noho ny sakafo ara-panahy betsaka izay aroso anay tsy tapaka avy amin’ny latabatr’i Jehovah”.
Amin’ny fomba ahoana no mety hanaovana izany
Vitsy amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah no manan-karena eo amin’ny lafiny ara-nofo, ary maro be ireo izay tsy maintsy misetra zava-manahirana eo amin’ny ara-bola amin’izao andro izao. Kanefa rehefa manao fanomezana kely ho fampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana izy ireo dia tsy tokony hihevitra mihitsy fa hoe tsy misy vidiny ny fanomezana ataony. Rehefa nahita mpitondratena nalahelo iray nandatsaka farantsakely roa tao amin’ny fitoera-drakitry ny tempoly i Jesosy Kristy dia tsy nanamavo azy. Hoy kosa izy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra. Fa ireo rehetra ireo, dia tamin’ny haben’ny fananany no nandatsahany tao amin’ny rakitra; fa izy kosa tamin’ny fahantrany no nandatsahany ny fivelomany rehetra izay nananany”. (Lioka 21:1-4.) Na dia kely ara-bakiteny aza ny fanomezany, dia nanao izay azony natao izy.
Mba hahafahana manao fanomezana, dia mazàna tsy maintsy misy fiomanana, na eo amin’ny isam-batan’olona sy fianakaviana izany, na amin’ny maha-kongregasiona. Mifanaraka amin’izany, rehefa nisy nila fanampiana teo amin’ny kristiana tany Jodia, ireo mpiray finoana taminy tany Korinto izay naniry ny hanampy azy dia nahazo fanoloran-kevitra mety avy amin’ny apostoly Paoly. Hoy izy: “Ary ny amin’ny famoriam-bola ho an’ny olona masina, dia mba manaova koa hianareo toy izay nasaiko nataon’ny fiangonana any Galatia. Amin’ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’inona na amin’inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako”. — I Korintiana 16:1, 2.
Toy ny mety hanokanan’ny olona iray vola ho fitsinjovana loza tampoka, dia toy izany koa, ny Vavolombelona amin’ny lafiny isam-batan’olona, ny fianakaviana na ny kongregasiona, dia mety hanokana amin’ny fomba tsy tapaka, vola hatao fanomezana ho fampandrosoana ny fivavahana marina. Tena misy tokoa kongregasiona izay manome matetika ny vola tavela ao amin’ny rakiny ho fampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana. Afaka manao izany izy ireo noho ny fiomanana sy ny fakana fanapahan-kevitra ho amin’izany. Ny mpikambana tsirairay izay amporisihin’ny fony koa dia afaka mandray anjara amin’ny fanohanana ny asa fitoriana kristiana maneran-tany amin’ny fanaovana fanomezana manokana ho amin’izany. Izany fanomezana atao amin’ny fomba tsara izany dia mampitombo ny fahasambarany ary manome azy ny fahafahampo noho ny fahafantarana fa manao izay azony atao izy ireo.
Ny fanomezana rehetra voarain’ny Fikambanana Watch Tower dia valiany an-taratasy avokoa. Ny isam-batan’olona, fianakaviana na kongregasiona izay maniry hanao fanomezana toy izany dia afaka mandefa izany amin’izao adiresy manaraka izao: M. Andriamoara Ramandimbiarison Félix — CCP 220 00 Antananarivo.
Ny fanomezana rehetra voarain’ny Fikambanana dia tena ankasitrahana tokoa ary ampiasaina mba hanaparitahana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ohatra, amin’ny fanomezana toy ireny no hikarakarana ny trano sy ny asan’ireo misionera any amin’ny tany maro. Amin’izany fomba izany ihany koa no hahafahana manohy manitatra raha ilaina izany, ny asa fanontam-pirinty, asa izay iankinan’ny fizarana zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly. Noho ny fanomezana toy izany no hahafahan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika mitsidika kongregasiona kristiana maneran-tany, sy manome fanampiana ara-panahy an’ireo mpiray finoana aminy. (Romana 1:11, 12.) Ny hafa ao amin’ny asa fanompoana mandavantaona dia mahazo fanampiana amin’izany fomba izany ihany koa..
Ireo mpanohana ny fivavahana marina voalohany dia mahazo fitahiana avy any an-danitra satria nankalaza an’i Jehovah tamin’ny fananany izy ireo. Ary endrey ny hafaliany! Noho ny fanohanantsika ny tombontsoan’ilay Fanjakana toy izany amin’izao andro izao, isika koa dia mahazo fitahiana be dia be. Noho izany, enga anie isika hamaly amin’ny fomba tsara rehefa manosika antsika hanao izay rehetra azontsika atao ny fontsika.