Ilay “firenena” izay mameno vokatra ny vohon’ny tany
“Amin’ny andro ho avy dia hamaka tsara Jakoba; ary Isiraely hamony sy hitsimoka ka hameno izao tontolo izao amin’ny fahavokarany.” — ISAIA 27:6.
1. Ahoana no teny niresahan’ny apostoly Petera ny amin’ny firenen’ny Isiraely ara-panahy?
NY AMIN’NY nahaterahan’ny kongregasiona voaforon’ny mpianatr’i Jesosy ho “firenena” tamin’ny 33 amin’ny fanisan-taona iraisana, dia nanoratra izao teny izao ny apostoly Petera taloha kelin’ny fandravana an’i Jerosalema nitranga tamin’ny 70: “Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, ‘fanjakà-mpisorona, firenena masina’, olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga; dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo.” (I Petera 2:9, 10). Endrey izany fahamoram-panahin’Andriamanitra!
2, 3. Noho izy fananana manokan’i Jehovah, inona moa no adidin’ny Isiraely ara-panahy, ary noharin’i Jesosy tamin’inona moa ireo anisany ao amin’ny Jaona toko faha-15?
2 Amin’izao andro izao, rehefa taonjato 19 no lasa hatramin’ny nanoratan’i Petera izany, dia mbola misy eto an-tany, sisa amin’io “firenena” nateraky ny fanahin’Andriamanitra io. Araka ny rapaoron’ny fankalazana ny Sakafon’ny Tompo fanao isan-taona, dia latsaka ny iray alina ny anisan’izany sisa izany. Izy ireo dia mahaforona “olona nalain’Andriamanitra ho an’ny tenany [fananana manokana, MN ]” ary amin’ny maha-izany azy dia tokony hanambara ny hatsaran’Andriamanitra izay niantso azy ireo avy tamin’ny “maizina [avy tamin’izao tontolo izao ankehitriny] ho amin’ny fahazavany mahagaga”. Mamirapiratra indrindra izany ‘fahazavana’ izany nanomboka tamin’ny 1914, daty nahataperan’ny “andron’ny jentilisa” na “fotoana voafetra ho an’ireo firenena”a. (Lioka 21:24, MN.) Noho izy “fananana manokana” an’ilay Fisiana Andriamanitra nanome izany fahazavana mahagaga izany, dia sarobidy eo imasony izy ireo. Toy ny tanimboaloboka ara-panahy ho azy izy ireny.
3 Tsaroantsika ny teny nataon’i Jesosy ho an’ireo apostoliny izay nampiseho ny ho mpianany hateraky ny fanahy rehetra; hoy izy tamin’ireo: “Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa. Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo. Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.” — Jaona 15:1-5.
4. a) Mahatonga antsika hieritreritra filazalazana inona omena ao amin’ny Isaia toko faha-27 moa ny tenin’i Jesosy? b) Oviana io faminaniana io no nahita ny fahatanterahany amin’ny andro ankehitriny, ary teo amin’iza? d) Fihetsika inona teo anoloan’ny vahoakany moa no navelan’Andriamanitra?
4 Io fampitahana na fanoharana nataon’i Jesosy Kristy io dia mahatonga antsika hieritreritra ireto tenin’i Jehovah, voasoratra ao amin’ny Isaia 27:2-4, ireto:
“Amin’izany andro izany no hihiranareo [miventesa ho azy, Chouraqui] ny amin’ny tanimboaloboka ahazoana divay mahery hoe: Izaho Jehovah no mpiaro io; isaky ny indray mipì-maso no andemako azy, fandrao misy manimba azy; na andro na alina dia miaro azy Aho. Tsy misy fahatezerana ato amiko.”
Amin’izao andro izao, eto an-tany, ny “tanimboaloboka ahazoana divay mahery” dia azo oharina amin’ny sisa amin’ny sampan’io “voaloboka” ara-panoharana io izay ny kristiana nateraky ny fanahy anisan’ny “firenena masina” no mpikambana mahavokatra aminy. Manana adidy hamoa be àry ireo (Jaona 15:5). Araka ny faminanian’Isaia, io hira ho an’ny “tanimboaloboka ahazoana divay mahery” io dia tokony hohiraina amin’ny fotoan’ny fampodiana ny olon’i Jehovah ho ao amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra (jereo Isaia 27:13). Noho izany, ny fahatanterahan’io faminaniana malaza io amin’ny andro ankehitriny dia ho taorian’ny ady, tamin’ny 1919. Manamarina rahateo ny zava-mitranga ara-tantara fa mitohy ny fahatanterahany nanomboka tamin’io daty io ka mandraka ankehitriny. Amin’izao andro izao dia tsy mahatsiaro “fahatezerana” amin’ny olony i Jehovah na amin’ny sisa amin’ny ‘fireneny masina’, ny ‘olona nalainy ho an’ny tenany’, na amin’ireo kristiana mahatoky izay manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany. Noho ny famindrampony, dia notohanany izy ireny, ka izany dia manazava ny fanambinana azy sy ny fahitany vokatra ara-panahy.
5. Manome inona moa io voaloboka ara-panoharana io mba hampifaly ny olona? Inona no azo tantaraina ny aminy?
5 Io “firenena” ara-panahy io, miaraka amin’ireo izay mikambana aminy ka mandany hery be dia be, dia azo ampitahaina amin’ny voaloboka mahavokatra izay manome “divay mahery” be dia be. Izany dia divay ara-panahy mampifaly ny fon’i Jehovah sy ny an’ny olona (Mpitsara 9:13). Noho izany antony azo ekena izany no mahatonga ny olona faly noho io fisotro ara-panahy io ho afaka hihira amim-pifaliana sy hitantara izay rehetra nataon’ilay Andriamanitra Mpamboly azy ho azy. Raha lazaina ara-panoharana, dia ‘nanondraka’ an’io “voaloboka” io izy mba hamelombelomana azy hatrany, hany ka nanome voa be ranony sy fy mahafaly ireo izay mihinana azy io.
“Ny voaloboky ny tany”: voaloboka hafa tanteraka
6. Araka ny Apokalypsy toko faha-14, inona no hanjo “ny voaloboky ny tany”?
6 Tsy mba toy izany ny amin’izay antsoin’ny boky farany ao amin’ny Baiboly hoe “ny voaloboky ny tany”. Tsy ho ela, izao baikon’Andriamanitra manaraka izao dia homena ilay Filohan’ny tafika mpandringana any an-danitra: “Arosoy ny fijinjanao maranitra, ka angony ny sampahom-boaloboka eo amin’ny tany; fa masaka tsara ny voalobony.” Manaraka izany, araka ny asehon’ny Fanambarana ara-paminaniana, dia “naroson’ilay anjely tamin’ny tany ny fijinjany, dia nangoniny ny voaloboky ny tany ka nazerany tao amin’ny famiazana lehibe, dia ny fahatezeran’Andriamanitra. Ary voahitsaka teny ivelan’ny tanàna ny famiazana, ary avy tao amin’ny famiazana dia nisy ra nahadifotra hatramin’ny lamboridin-tsoavaly ka lasa hatramin’ny enin-jato amby arivo stadio”. (Apokalypsy 14:18-20.) Toy izany no hanjo ny tapany ara-pitondram-panjakana amin’ny fandaminan’i Satana hita maso eto an-tany. Satana no mpamboly an’io “voaloboka” io izay manohitra ny “tena voaloboka” manana an’i Jehovah Andriamanitra ho Mpamboly azy. Tsy ho tafarina intsony mihitsy “ny voaloboky ny tany”.
7-9. Inona no fahatanterahana roa sosona hitan’ny Isaia 27:7-13 ary oviana?
7 Raha ny marina, ny faminaniana ao amin’ny Isaia toko faha-27 dia faminaniana momba ny fanarenana indray, ny firenen’Isiraely araka ny nofo aloha, avy eo dia ny Isiraely ara-panahy amin’izao taonjato faha-20 izao. Mampiseho miharihary izany ilay faminaniana ao amin’ny andininy faha-7 ka hatramin’ny andininy faha-13 izay mamarana ny toko. Izao no vakintsika:
8 “Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy koa? Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy koa? Tamin’ny nandroahany azy dia voafetra [kiakiaka nampitahotra, MN ] no niadiany taminy; nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana. Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ny anaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony. Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra; ao no hihinanan’ny zanak’omby, ary ao no handriany sy handaniany ny rantsan-kazony. Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy, satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.
9 “Ary amin’izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’i Jehovah hatramin’ny ony mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta; ary hianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’Isiraely. Ary amin’izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.”
10. Herim-panjakana iza tamin’izay no nanapaka teo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, ary inona no nitranga taminy rehefa nitady hamely ny renivohitry ny fanjakan’ny Joda izy?
10 Fony Isaia nanonona an’io faminaniana io, dia nanapaka teto amin’izao tontolo izao Asyria. Nisosoka an’ilay voalohany tamin’ireo herim-panjakana fito izy, dia Egypta, izay nijanona ihany ho fanjakana teo amin’ny laharana faharoa. Ireo foko folo izay nahaforona ny fanjakan’ny Isiraely dia niala tamin’ny fanapahana nampiharin’ny ankohonan’i Davida nanana fiandrianana teo amin’ny fokon’ny Joda. Niakatra hamely ny tanànan’i Jerosalema àry ny mpanjakan’i Asyria mba handidy azy hanaiky raha tsy tiany ny ho ringana. Niady ho an’ny fanjakan’ny Joda anefa Jehovah ary nanery an’i Sankeriba mpanjaka niavonavona hiverina nivembena ho any amin’ny taniny taorian’ny faharesena nahamenatra. — Isaia toko faha-36 sy 37.
11. Emperoran’ny herim-panjakana iza no nandrodana ny fanjakan’ny Joda, ary ahoana no teny nanasian’ny Isaia 27 fitenenana ny amin’io fisehoan-javatra io?
11 Emperoran’ny herim-panjakana vaovao iray, Babylona, àry, no homen-dalana handrava ny tanàna masin’i Jerosalema mbamin’ny tempoliny. Araka ny fanazavana omen’ny Baiboly, izany dia nitranga tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana teo ambany fitarihan’i Nebokadnezara. Io emperora io dia nitondra mpigadra ho any Babylonia, izay hijanonany ho babo mandritra ny 70 taona. Noho ny fahatsinjovana ny handravana tsy ho ela an’i Jerosalema sy ny hahababoana any Babylona 70 taona àry no nametrahana ity fanontaniana mety ity:
“Moa tahaka ny namelezana izay namely azy va no mba namelezany azy [ny Isiraely] koa?” (Isaia 27:7).
Toy ny mbola tsy nihatra taminy mihitsy hatramin’ny 1513, fiandohan’ny tantarany, ilay firenen’Andriamanitra dia niharan’ny famelezana nahatsiravina tamin’ny 607, dia famelezana izay saika nanafoana azy tanteraka. Faran’izay maro ny maty tao an-tanànan’i Jerosalema natao fahirano. Noheverin’i Jehovah tokoa fa ny fanaovan-javatra mafy toy izany dia tena nilaina sy tokony hitranga. Tsapany fa tena nilaina ny nanoherana ireo tokony ho nijanona ho sakaizany, nampiany sy noraisiny ho ao anatin’ny faneken’ny Lalàna izay Mosesy no mpanalalana.
12. Inona moa no fanontaniana azon’i Jehovah napetraka tamin’ny alalan’Isaia ny amin’izay hitranga tamin’ny Isiraely, ary inona avy no vokatr’izany fisehoan-javatra izany ho an’ny fifandraisan’i Jehovah sy Isiraely?
12 Afaka nametraka ity fanontaniana hafa iray ity àry Jehovah:
“Ary tahaka ny namonoana izay novonoiny va no mba namonoana azy [Jakoba, ny firenen’Isiraely] koa?” (Isaia 27:7).
Eny, satria nanjary tena nilaina ny hanoheran’i Jehovah an’io vahoaka io izay azy sy nankasitrahany, ary izany dia tamin’ny “kiakiaka nampitahotra” ho avy amin’ny tafiky ny Herim-panjakana babyloniana, dia ny fahatelo ao amin’ny tantara araka ny Baiboly. Avy amin’izany no nahatonga izao fanambaran’Andriamanitra izao:
“Tamin’ny nandroahany azy dia voafetra [kiakiaka nampitahotra, MN ] no niadiany taminy; nokororohiny tamin’ny rivony mahery izy tamin’ny andron’ny rivotra avy any atsinanana [ka izany dia nanondro ny hiavian’ny kiakiakan’ady hampitahotra].” (Isaia 27:8).
Tamin’io fanaovan-javatra voalohany io, dia ‘horoahin’i Jehovah’ ilay firenena nivadika izay taloha, tamin’ny naha-fandaminany hita maso teto an-tany azy, dia toy ny vady ara-panoharana ho azy. Izao dia noroahiny hiala tao amin’ny tany nomeny azy izy ary nalefany ho eo an-tanan’ireo mpamabo azy babyloniana tany amin’ny tany lavitra iray, toy ny hoe nisaorany kelikely izy. — Isaia 50:1.
13. Araka ny faminanian’Isaia, ahoana moa no hamelana ny firenen’Isiraely noho ny nandikany ny fanekena nifanaovana tamin’Andriamanitra?
13 Tonga tamin’izay ny fotoana ho an’ny firenen’Isiraely, na Jakoba, hanesorana ny ‘helony’ ary izany dia tamin’ny fomba sarobidy lavitra noho ireo sorona biby naterina teo amin’ny alitaran’ny tempoly tany Jerosalema. Izany no nodidian’i Jehovah ho an’ny fandaminany na vady, tamin’ny filazana hoe:
“Ka izao no hamelana ny helok’i Jakoba, ary izao ihany no vokatry ny nanesorana ny fahotany, dia amin’ny anaovany ny vato rehetra amin’ny alitara ho tahaka ny vato sokay voatorotoro, ary ny Aseraha sy ny tsangan-kazo ho an’ny masoandro dia tsy hitsangana intsony.” (Isaia 27:9).
Ny fahatanterahan’io faminaniana io dia ho fisehoan’ny fisafoahana na ny fahatezeran’Andriamanitra, nefa ara-drariny tanteraka. Tsy hisy tsato-kazo masina na alitara fandoroana ditin-kazo manitra hatsangana intsony eo amin’ny faritanin’ilay firenena nosazina toy izany.
14. Karazam-pahafoanana inona no hamely ny tanin’ny Isiraely, ary ahoana no hanaovana azy, toy ny hazo?
14 Raha niresaka ny amin’ny fanafoanana izay hamely ny Isiraely, dia ilay firenena tandindona noharina tamin’ny vady ho azy i Jehovah, dia izao no teny nanampiny:
“Fa ho foana ny tanàna mimanda, ka dia ho fonenana afoy sy ilaozana tahaka ny efitra.”
Ilay tany be mponina teo aloha dia hafoy toy ny efitra ka ho tonga toeram-pihinanan’ny biby fotsiny mandritra ny taona maro.
“Ao no hihinanan’ny zanak’omby, ary ao no handriany sy handaniany [Jehovah amin’ny alalan’ny fiasany] ny rantsan-kazony. Raha malazo ny rantsany, dia hotapatapahina, ka ho avy ny vehivavy hitaina azy.” (Isaia 27:10, 11).
Ilay firenen’i Jehovah tandidona, ny vadiny, àry dia ho lasa zavatra fampirehitra fotsiny, satria tsy ho sarotra amin’ireo vehivavy ny hampiasa ny ho sisa tavela aminy. Hatao ao anatin’ny toe-piainana hampalahelo ny fandaminan’ny Isiraely tandindona. Fa nahoana ny Andriamanitra Vady toa an’i Jehovah no ho voatery hanao fandaharana toy izany mba hanorotoroana ny Isiraely? Henoy:
15. Rehefa heverina amin’izay nataon’i Jehovah manokana ho azy, niharihary ho karazam-pirenena nanao ahoana moa ny Isiraely, ary nahoana izy no nanjary nanahaka ireo firenena mpanompo sampy?
15 “Satria firenena tsy manam-pahalalana izy, dia tsy hiantra azy ny Mpanao azy, ary tsy hamindra fo aminy ny Mpamorona azy.” (Isaia 27:11).
Rehefa heverina amin’izay rehetra nataon’i Jehovah mba hampianarana sy hanazavana an’io fandaminana noforonina tamin’ny fomba mahagaga io, ny Isiraelita dia tokony ho niharihary ho vahoaka nanam-pahalalana lehibe. Tokony ho ampy fahiratan-tsaina izy mba hahaiza-manavaka ny maha-zava-poana ny fanompoan-tsampy, ny maha-tsinontsinona an’io fanompoam-pivavahana io izay narahin’ireo firenena tsy nahalala na inona na inona izay tsy nifamatotra tamin’ny alalan’ny fanekena iray tamin’i Jehovah, ilay hany Andriamanitra velona sady marina. Kanefa noho Ilay nanao sy namorona azy ireo tsy hita maso, dia very ny finoan’ny Isiraelita ka nitodika tany amin’ireo andriamanitra hita maso nataon’ny tanan’olombelona izy ireny. Izany no niteraka ny fahavoazany. Noho izany antony izany no nanesoran’Andriamanitra ny famindrampony sy ny fankasitrahany tamin’io firenena mafy hatoka io.
Ny fiverenana avy tany amin’ny fahababoana
16. Nitodika taiza Jehovah mba hanarenana ny olony?
16 Mba hampiverenana ny Isiraelita ho amin’ny fanompoam-pivavahana aminy ao amin’ny taniny àry dia tsy maintsy hampitodika ny sainy ho any amin’i Babylonia, tany amin’izay nikorianan’ilay “Ony” lehibe, Eofrata, Jehovah. Hitodika any atsimo koa izy, any amin’i Egypta, satria babo tany amin’ireo toerana ireo ny olona, lavitra azy, mba hofehezina tany. Tamin’izany Jehovah dia tsy maintsy nanatanteraka izao fanambarana manaraka izao momba ny fikasany, manao hoe:
“Ary amin’izany andro izany dia hisy fampihintsanana ataon’i Jehovah hatramin’ny ony [Eofrata] mandriaka ka hatramin’ny lohasahan-driak’i Egypta [ny sisiny atsimo andrefana amin’ny Tany nampanantenaina]; ary hianareo samy hotsimponina tsirairay, ry Zanak’Isiraely.” — Isaia 27:12; jereo Nomery 34:2, 5.
17. Ahoana no nampihintsanan’i Jehovah na nanafahany ny olony babo tamin’izay, ary tamin’ny alalan’ny inona?
17 Mba hampiverenana ny olony any amin’ny taniny, any Joda, dia tsy maintsy hampihintsana ireo babo toy ny fampihintsanana voankazo Jehovah, izany hoe hanafaka azy ireo. Tamin’izany, dia naongany ny Herim-panjakana babyloniana ary napoitrany ny Empira mediana sy persiana, dia ny Herim-panjakana fahefatra araka ny tantaran’ny Baiboly. Teo am-piandohan’ny andro nanjakany, Kyrosy Lehibe, emperora persiana, dia namoaka didy nanafaka ny olon’i Jehovah babo tamin’izay ka namela azy hiverina tany amin’ny tanànan’i Jerosalema mba hanorina any indray ny tempolin’i Jehovah. Nitranga io fiverenana io taorian’ny 70 taona nahababoana, tamin’ny 537 alohan’ny fanisan-taona iraisana. — Isaia 45:1-7.
18. Ahoana no tsy maintsy ho fihetsik’ireo babo rehefa fantany ny didy nanafaka azy ireo?
18 Ireo Isiraelita nofehezina tany Babylonia, nefa koa tany Asyria sy Egypta, dia fananan’i Jehovah. Noho izany dia zony ny hampihintsana azy ireny toy ny voankazo ara-panoharana, ny hanafaka azy avy tamin’ny fahababoana sy ny fiparitahana tsy fidiny ka haneho tamin’izy ireo tamin’izany ny famindrampony, ny fankasitrahany an’izay tsy mendrika akory. Tsy maintsy ho faly ireny Isiraelita ireny rehefa nambara ny didin’i Kyrosy ary tamin-jotom-po toy inona moa no tsy maintsy ho nanararaotany araka izay farany betsaka ny fahafahana malaza natolotra azy ireo! Inona àry no tokony holazaina ny amin’izany “andro” tsara izany?
19. a) Hiondrika eo anoloan’iza ireo Isiraelita niely tany Asyria sy Egypta? b) Hilaza inona izany ho an’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah eo amin’ny toerana nisy ilay tempoly taloha, ary firenena ara-panahy iza amin’izao androntsika izao no voakasik’io faminaniana io koa?
19 “Ary amin’izany andro izany koa no hitsofana anjomara lehibe, dia ho avy izay very tany amin’ny tany Asyria sy izay efa voaroaka tany amin’ny tany Egypta, ka hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah ao amin’ny tendrombohitra masina any Jerosalema.” (Isaia 27:13).
Hilaza inona ireo teny ireo fa tsy fanasiana mponina indray ny Tany nampanantenaina sy fanorenana indray ny tempolin’i Jerosalema mba haorina indray ny fanompoam-pivavahana amin’Ilay namorona ny firenen’Isiraely teraka indray raha ny marina? Izany dia tsy maintsy ho nitranga nifanaraka tamin’ny tenin’Isaia eo amin’ny andininy fahenina. Ny tanin’ny Isiraelita tafaverina an-tanindrazana dia tokony ho feno mponina izay handray anjara ao anatin’ny firaisan-tsaina amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ao amin’ny tempoliny, na dia tsy nitovy habe tamin’ilay tempoly kanto naorin’i Solomona aza angamba io toerana naorina indray io. Izany rehetra izany dia tandindon’ny fahatanterahan’io faminaniana io hafa iray, nefa ara-panahy sy amin’izao androntsika izao, dia fahatanterahana nahakasika “ny Isiraelin’Andriamanitra”, rehefa ho feno voa na “vokatra” manome fiainana ny vohon’ny “tany mahavokatra”. — Galatiana 6:16; Isaia 27:6, MN.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Aoka homarihintsika amim-pahalianana ny famoaboasana nataon’ny fanontana amin’ny teny frantsay (1976) amin’ny New Scofield Reference Bible 1967 momba ny Lioka 21:24: “ ‘Ny andron’ireo firenena’ dia nanomboka tamin’ny fahababoan’ny Joda teo ambany fahefan’i Nebokadnezara (II Tantara 36:1-21). Hatramin’izay, ary nandritra ny taonjato dimy amby roapolo mahery, dia ‘nohitsahin’ireo firenena’ Jerosalema, araka ny nolazain’i Jesosy.”
Ahoana no havalinao?
◻ Mifanaraka amin’ny Isaia 27:7, oviana ary tamin’ny fomba ahoana no “namelezana” ny Isiraely araka ny nofo?
◻ Tamin’ny fomba ahoana no ‘namakan’ny’ Isiraely? (Isaia 27:2, 6.)
◻ Amin’ny ahoana ny androntsika no voakasiky ny fahatanterahan’ny faminanian’Isaia toko faha-27?
◻ Ahoana no nahatonga ireo kristiana nateraky ny fanahy ho tanimboaloboka mahavokatra “divay mahery”?
[Sary, pejy 13]
Tamin’ny alalan’ny Babyloniana no namelezan’i Jehovah mafy ny Isiraely tamin’ny 607 alohan’ny fanisan-taona iraisana.