FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w86 15/6 p. 30
  • Manome izay ilain’ireo mpitory any Trinite Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manome izay ilain’ireo mpitory any Trinite Jehovah
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
w86 15/6 p. 30

Manome izay ilain’ireo mpitory any Trinite Jehovah

HATRAMIN’NY fanombohany kely tamin’ny 1912, dia nitatra niandalana ny fitoriana ilay Fanjakana any Trinite sy any amin’ny nosy Tobago eo akaiky. Vao haingana izay, tamin’ny martsa 1985, dia nisy dingana lehibe natao tamin’ny famitana sy ny fitokanana ny trano vaovaon’ny sampana, dia trano naorina any ivelany tsy lavitra an’i Port of Spain renivohitra. Nila dia nila toerana vaovao izahay, satria nitombo 79 isan-jato ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana eto Trinite hatramin’ny nanorenana ireo tranon’ny sampana teo aloha.

Tsy mora akory ny nahita toerana nety tao amin’io nosy kely be mponina aoka izany io. Lafo dia lafo ny vidin-tany sy ny fanorenana. Nanome izay nilainay rehetra anefa i Jehovah. Nahita toerana tsara dia tsara izahay sady mora haleha tsy lavitra ny lalana mitarika ho any amin’ny seranam-piaramanidina. Nanaiky ny volavolan-kevitra ireo rahalahy ary nanohana tamin’ny fomba nahafinaritra ny fanatanterahana azy. Ny ankamaroan’ireo mpitory teto Trinite dia nandray anjara tamin’ny fomba isan-karazany tamin’ny fanorenana.

Isaky ny faran’ny herinandro, dia nisy antokon-drahalahy avy ao amin’ny kongregasiona iray tonga nitondra ny fanampiany tamin’ny asa, raha mbola nanome sakafo sy fanalana hetaheta ny Vavolombelona avy ao amin’ny kongregasiona hafa. Nisy fiasana alina indroa na intelo isan-kerinandro. Nitohy ny fanorenana tao anatin’ny vanim-potoan’ny ranonorana rehetra. Rehefa natao ny gorodona ambany rihana, dia rahalahy maherin’ny 350 no tonga tao ka nampitampita siny nisy simenitra. Afaka nanao fanambarana tamin’ny hindoa teo akaiky izay talanjona tanteraka izahay.

Matoa nisy ny hoenti-manana ny fanorenana, dia satria tamin’ny fo rehetra no nanaovan’ireo izay nandray anjara tamin’izany azy. Nisy aza anabavy nanome firavaka volamena mba hamidy ka hampiasaina amin’ny asa ny vidiny. Izao no nosoratan’ny zazalahy iray valo taona: “Tiako ny miasa ao amin’ny tranon’ny sampana, kanefa noho i Dada marary lamosina ka tsy afaka miasa mafy, dia matetika tokoa aho no tsy afaka mankany. Noho izany no andefasako aminareo ny tahiriko izay ho azo ampiasaina amin’ny asanareo.”

Niharihary fa nanohana ny olony Jehovah nandritra ny fotoana rehetra nanaovana ny fanorenana. Hilary Charles, mpandamina ny asa, dia mahatsiaro fa indray andro dia folo lasaka sisa ny simenitra. Dia niantso ny ozinina manome izany izy mba hahazoana bebe kokoa. Izao no fitantarany: “Tena sarotra ny nahazoana simenitra. Namaly ilay ozinina fa tsy afaka ny hahazo izahay raha tsy amin’ny herinandro ambony. Tamin’ny sivy ora maraina tamin’izay. Tamin’ny roa ora tolakandro, dia hitako tonga ny kamiao iray nitondra simenitra. Hoy ny nambaran’ilay mpamily: ‘Ho an’olon-kafa no namatrarana azy, nefa nasaina nentiko atỳ.’ Tsy takany tanteraka ny antony. Tao tokoa ny tanan’i Jehovah.”

Mibikana T ilay tranon’ny sampana izay misy rihana iray; eo ambony amin’ny T ny fidirana, amin’ny lafiny atsimo. Eo ankavanan’ny efitrano malalaka fidirana mahafinaritra dia misy efitrano Fanjakana iray mahalany olona tokony ho 200. Eo ankavia dia azo atao ny mahita birao malalaka be iray. Ny ambany rihana amin’ny tapany lava indrindra amin’ilay trano dia misy ny fanontam-pirinty, ny sampan-draharaha momba ny fandefasana entana sy ny fanasan-damba. Ao ambony rihana ny lakozia, ny efitrano fihinanana sy efitrano valo samy manana ny efitra fandroany. Eo ambonin’ny birao dia misy fitehirizam-boky kely sy efitra fandraisam-bahiny.

Natao ny fitokanana ny asabotsy 16 martsa. Milton Henschel, anisan’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah, no nanao ny lahateny. “Tsy vitan’ny hoe mahay manome izay ilaintsika Jehovah fa fantany koa izay ilaintsika”, hoy ny rahalahy Henschel. Eny, fanomezan’i Jehovah ireo zavatra vao naorina. Nofaranana tamin’ny vavaka nafana fitokanana natao ho an’i Jehovah ny fotoam-pivoriana. Endrey izany fifalianay!

Mifaly noho ny fitomboana omen’i Jehovah azy ireo ny Vavolombelon’i Jehovah eto Trinite sy Tobago. Mandroso izy ireo ary manantena fandrosoana lehibe kokoa ihany, raha mbola manohy manome izay ilainy Jehovah.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara