Aoka hasehontsika ny fankasitrahantsika ireo porofom-pitiavana roa lehibe indrindra
“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” — I JAONA 4:19.
1. Ohatra inona moa no navelan’i Jesosy ho antsika?
NY FOMBA tsara indrindra hanehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy noho ny fitiavana lehibe nasehony tamintsika, dia ny fanahafana indrindra an’i Jesosy, izay tsy nitsahatra nanao fanambarana ny amin’ny anarana sy ny Fanjakan’ny Rainy (I Petera 2:21). Nanao toy izany izy na tany an-trano, na tao amin’ny synagoga, na teny an-tenatenan-tendrombohitra ary teny amoron-dranomasina. Fomba sivy samy hafa hahafahana manatanteraka an’io asa io misokatra ho antsika; aoka hodinihintsika izy ireo.
Ny fanaovana ny asa isan-trano
2. Inona no mety hanampy anao hampiseho faharetana amin’ny asa isan-trano?
2 Ny voalohany, ary angamba ny miavaka indrindra, amin’ireo fomba hahafahantsika mampiseho ny fitiavana sy ny fankasitrahantsika dia ny fitondrana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isan-trano. Amin’izany dia ilaintsika ny tsy fananan-tahotra hiresaka mihitsy, satria isika dia mifandray mivantana foana amin’ny olona, izay tsy mankasitraka loatra ny fitsidihantsika amin’ny ankamaroany. Eny, tokony hanana fitiavana marina an’Andriamanitra sy ny namantsika isika mba hanohizana mandeha isan-trano, na dia ao aza ny tsy firaikana, ny fahasosorana, ny fanamavoana, na ny fanoherana mihitsy aza. — Ezekiela 3:7-9.
3. Miorina amin’ny fototra araka ny Baiboly inona moa ny asanao isan-trano?
3 Ao amin’ny Filazantsara, ny toromarika nomen’i Jesosy ny apostoliny roa ambin’ny folo, ary avy eo ho an’ireo evanjelisitra fitopolo, dia mampiseho mazava fa ny rehetra dia tokony hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra isan-trano (Matio 10:5-14; Lioka 10:1-7). Ao amin’ny Asan’ny apostoly 20:20, Paoly dia miresaka ny amin’ny fitoriany isan-trano. Nolazaina fa ireo teny ireo dia nifandray tamin’ny fitsidihan’ny mpiandry ny ondry, nefa ny andininy faha-21 dia tsy mamela fisalasalana ny amin’ilay asa resahina, satria manampy toy izao ilay apostoly: “Ary nambarako tamin’ny Jiosy sy ny jentilisa koa [fa tsy teo anatrehan’ny rahalahy sy anabavy kristiana], ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” Amin’ny ankapobeny ny loholona iray dia tsy mananatra ny olona anaovany ny fitsidihan’ny mpiandry mba haneho ‘fibebahana amin’Andriamanitra sy finoana an’i Jesosy’. Mamporisika ny kristiana namany kosa izy mba hankasitraka bebe kokoa hatrany ihany ny fivoriana na ny fanompoana, rehefa tsy manampy azy ireny mba handamina fahasahiranana manokana.
4. Inona moa no mamporisika antsika handray anjara amin’ny fitoriana isan-trano?
4 Ny fitoriana isan-trano àry dia manana fototra mafy orina araka ny Baiboly, ary ny vokatra entin’io asa io dia mampiseho fa tahin’i Jehovah izany. Raha ny marina, “ny fahendrena dia hamarinin’ny asany”. (Matio 11:19.) Ny mpitory isan-trano dia mahazo porofo matetika fa tarihin’ny anjely ho any amin’ireo izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana izy, indrindra fa rehefa milaza amin’izy ireo ilay olona tafahaona aminy fa vao avy nivavaka izy mba hahazo fanampiana ka ny fitsidihan’izy ireo dia valin’ny vavaka nataony.
5. Boky fianarana tsara ho amin’ny fanompoana isan-trano inona no ananantsika, ary inona ireo fomba samihafa mety hilàntsika azy?
5 Ny boky Comment raisonner à partir des Ecritures dia tena ilaintsika amin’ny fitoriana. Misy fampidiran-dresaka manintona maro ao anatiny, izay hahafahana manomboka resadresaka araka ny Baiboly, ary koa fahalalana ilaina ny amin’ny foto-dresaka betsaka araka ny Baiboly na ara-pivavahana. Noho izany, ento miaraka aminao izy io, ary makà teny tsy tapaka ao. Ny mpitory maharitra — minisitra manontolo andro — indrindra no nilaza ny fankasitrahany lehibe noho io boky sarobidy ho amin’ny fitoriana io. Moa ve ny tenanao koa ho afaka hampiseho ny fankasitrahanao an’Andriamanitrao tia amin’ny fampiasana bebe kokoa an’io boky io sady amin’ny fomba mandaitra kokoa?
6. Raha mitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana isan-trano isika, inona moa no tombontsoa manokana raisintsika avy amin’izany?
6 Tsy tokony hataontsika tsirambina ny hoe ny tenantsika manokana dia mahazo soa lehibe amin’ny fandraisantsika anjara amin’ny fanompoana isan-trano. Ny tenantsika kristiana rehefa manao zavatra mifanaraka amin’ny finoantsika, dia mampiorina azy; rehefa miresaka am-pinoana isika, ny finoantsika manokana dia mihamatanjaka. Tsy afaka miresaka ny amin’ny fanantenantsika amin’ny hafa isika ka tsy hoe hahatalanjona kokoa ho antsika hatrany ihany izany. Tsy misy na inona na inona toy ny fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fitoriana isan-trano, mba hambolena ny vokatry ny fanahy voatanisa ao amin’ny Galatiana 5:22, 23. Tsy mety ho hafa noho izany, satria manome antsika izao toky izao ny Baiboly: “Izay olona manisy soa dia hofenoina soa ho valiny, izay manome hosotroina dia hafahana hetaheta.” — Ohabolana 11:25, La Bible en français courant.
Ny fiverenana mitsidika
7, 8. Noho ny antony ara-dalàna sy mora arahina inona moa no tokony hanaovantsika fiverenana mitsidika?
7 Ny fomba faharoa anehoana ny fankasitrahantsika ny fitiavana nasehon’Andriamanitra sy Kristy tamintsika, dia ny fiverenana mitsidika indray ny olona nampiseho fahalianana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Paoly sy Barnabasy dia niahy an’ireo olona nitoriany (Asan’ny apostoly 15:36). Raha ny marina, ny fandrindran-kevitra dia mitaky ny hanaovantsika fiverenana mitsidika. Rehefa manao fanambarana isan-trano isika, na amin’ny fomba tampotampoka, na eny an-dalana, dia mitady ireo izay ‘mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy’. (Matio 5:3, MN.) Marina fa raha manolotra ho azy ireny, ara-panoharana, rano ara-panahy iray vera monja na tapa-mofo ara-panahy iray monja isika, dia tsy ho ampy mihitsy izany. Mba hahafahany mandeha amin’ny lalan’ny fiainana, dia mbola mila hampiana izy ireny.
8 Azo lazaina hoe famafazana ny voan’ny fahamarinana ny fiezahantsika voalohany. Nefa ilaina ny manao mihoatra noho izany araka ny tondroin’ny apostoly Paoly ao amin’ny I Korintiana 3:6, 7. Ny tenany dia namafy, nefa tsy ampy izany; nila rano koa ireny voa ireny, ary Apolosy no nanome izany azy. Tamin’izay vao azo nampoizina fa hampitombo Andriamanitra. Ny sasany dia manao an-tsirambina io endriky ny asa io; kanefa dia maro no mihevitra fa izany dia tsy azo lavina fa ny tapany mora indrindra amin’ny fanompoana kristiana. Nahoana? Satria ny olona hiverenantsika hotsidihana dia efa nampiseho fahalianana.
Ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano
9. Nahoana moa no tokony ho zava-kendrentsika ny hitarika fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano?
9 Rehefa iverenana tsidihina tsy tapaka ny olona nampiseho fahalianana ho an’ny hafatra momba ilay Fanjakana, matetika izany dia mitondra ho amin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Io fomba fahatelo hanehoana ny fankasitrahantsika io, dia tena mety ho tonga ny endriky ny fanompoantsika mahafinaritra indrindra, ary ny mety hitondra ho antsika betsaka indrindra. Fifaliana toy inona tokoa moa no tsapantsika mahita olona mitombo ao amin’ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, mankasitraka ny vidin’izany ka mitondra fiovana eo amin’ny fiainany! Fifaliana toy inona ny manampy azy ireny ambara-panolony ny tenany ho an’Andriamanitra ka hatao batisa! Ireny olona ireny dia tena azo heverina ho toy ny zanatsika ara-panahy, ary isika toy ny ray aman-dreniny ara-panahy. — Jereo I Korintiana 4:14, 15; I Petera 5:13.
10. Ohatra miavaka inona no mampiseho ny vidin’ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano?
10 Jereo ange ity ohatra miavaka ity e. Ny misionera iray izay nandeha isan-trano tao amin’ny nosy iray anisan’ny Caraïbes, dia nifanena tamin’ny mpivady “hippies” iray izay ny fonenany dia tsy namirapiratra tamin’ny fahadiovana sy ny filaminana. Kanefa dia nampiseho fahalianana ireo olona ireo. Nandray boky fianarana ny Baiboly izy, ary natomboka ny fampianarana Baiboly. Nanan-janaka maro ity lehilahy sy vehivavy ity, nefa tsy nivady ara-dalàna. Nitohy ihany ny fianarana ary mba azo nojerena kokoa ny tranony, ny zanany ary ny tenan’ireto olona ireto. Fotoana fohy taorian’izany dia nangataka ilay misionera izy ireo mba hampivady azy, mba hahafahany hatao batisa. Indray andro dia faly ilay rahalahy vaovao nampiseho ny fahazoan-dalana hitondra fiara izay azony vao haingana. Talohan’ny nahatongavany ho Vavolombelon’i Jehovah tokoa mantsy, dia tsy hitany mihitsy ny nilàna ny hanambadiana ara-dalàna sy hanalana ny fanadinana fahazoan-dalana hitondra fiara; nefa ankehitriny dia mankatò ny lalan’Andriamanitra sy ny an’i Kaisara izy.
Ny fanambarana eny an-dalana
11, 12. a) Ahoana no amporisihan’ny Soratra Masina antsika handray anjara amin’ny fanaovana fanambarana eny an-dalana? b) Inona moa ireo antony tsara tokony hanaovana izany?
11 Ny fomba fahefatra hanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy noho izay nataony ho antsika, dia ny fanaovana fanambarana eny an-dalana, any amin’ny tany izay azo anaovana izany. Rehefa mandray anjara amin’izany asa izany isika, dia manatanteraka ara-bakiteny ny Ohabolana 1:20, 21 hoe: “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany; manandratra ny feony eny an-kalalahana izy; mitory ao amin’izay fivorian’ny maro be mireondreona izy.”
12 Misy antony tsara maro tokony handraisana anjara tsy tapaka amin’io endriky ny fitoriana ilay Fanjakana io. Any amin’ny toerana maro, dia mihasarotra hatrany ny mahita ny olona any an-tranony: mety ho any am-piasana izy, na eny am-piantsenana raha tsy eo am-panaovana fialam-boly sasany. Ankoatr’izany, dia maro no mipetraka amin’ny trano fonenana lehibe misy rihana maro na amin’ny trano sarotra idirana, raha tsy resahina ny amin’ireo izay mipetraka any amin’ny trano fandriam-bahiny. Amin’ny ankapobeny dia eny an-dalana kosa no ahitana olona.
13. Inona ireo vokatra mety ho azo amin’ny fitoriana eny an-dalana? Hazavao amin’ny ohatra ny valin-teninao.
13 Any Etazonia, ny loholona iray dia mitarika tsy tapaka fampianarana Baiboly efatra any an-tokantranon’olona, izay hitany tamin’ny fitoriana toy izany. Marina fa tsy mijoro mangina eny amin’ny kihon-dalana izy — na dia izany fotsiny aza no avelan’ny lalàna atao, any amin’ny tany sasany. Mifanohitra amin’izany, fa manombo-dresaka amin’ny fomba fiteny mahafinaritra sy amim-pitsikitsikiana amim-pisakaizana amin’ny olona izay miandry fiara fitaterana izy na olona mitsangatsangana tsy maika. Ny ‘fiteniny dia amin’ny fahasoavana sy mamy sira’, ary mampiseho fahaiza-manavaka izy amin’ny fomba hanombohany resaka amin’ny tsirairay (Kolosiana 4:5, 6; I Petera 3:15). Ny fanaovana fanambarana eny an-dalana tokoa dia nahafahany tsy hoe hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano fotsiny, fa hametraka zavatra vita an-tsoratra maro koa. Eny, amin’ny fitandremana ny fisehoana ivelany, amin’ny fitsikiana amim-pisakaizana ary amin’ny tsy fananan-tahotra ny hiresaka amin’ny olona, dia azo atao ny mahazo vokatra tsara amin’io endriky ny fitoriana io. Ohatra, vao haingana ny Vavolombelona dimy no nahapetraka maherin’ny telopolo tamin’ny boky La vie: comment est-elle apparue? Evolution ou création? tany amin’ny faritra fanaovam-barotra, tamin’ny olona, izay ny ankamaroany dia tao anaty fiarany.
Ny fanambarana tampotampoka
14. Inona ireo ohatra mampiseho ny vidin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka?
14 Ny fomba fahadimy hanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra sy Kristy noho ny fitiavana lehibe nasehony tamintsika, dia ny fandraisana anjara amin’ny fanaovana fanambarana tampotampoka. Ity fomba ity dia matetika no hita fa tena nandaitra tokoa, tsy tamin’ny fahitana ireo olona noana sy mangetaheta ny fahamarinana ihany, fa tamin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra koa. Izany tokoa dia fomba iray hanarahana ny torohevitra omena antsika ao amin’ny Efesiana 5:15, 16 mba ‘hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’. Ny misionera iray dia nanombo-dresaka tamin’ny lehilahy iray tao anaty ‘taxi’. Nampiseho fahalianana ilay lehilahy, nahazo fitsidihana maromaro izy ary nanomboka nianatra Baiboly. Ankehitriny io lehilahy io dia mpiandraikitra kristiana. Tany amin’ny toerana hafa, ny loholona iray dia nanomboka niresaka tamin’ny vehivavy iray, izay nadiva hiova fivavahana mba hanambadiana Jiosy iray. Niriny ho fantatra hoe iza no niseho voalohany tamin’i Mosesy, Noa, Davida sy ny sisa. Ilay loholona dia namporisika azy hamaky Ny Bokiko misy Fitantarana avy ao amin’ny Baiboly; io boky io tokoa dia mitantara ireo zava-niseho tao amin’ny Baiboly araka ny fitrangany teo amin’ny fotoana. Na dia tsy fantany tanteraka aza izy, io olona io dia nanaiky an-tsitrapo hanome ny anarany sy ny adiresiny, ary koa ny vola fandraisana anjara ilaina mba hahafahany mandefa ilay boky ho azy amin’ny alalan’ny paositra.
15. Inona no hanampy antsika hanararaotra ireo fahafahana hanao fanambarana tampotampoka?
15 Matetika, noho ny tahotra ny holavina, dia angamba misalasala isika hitarika resaka amin’ny olona mifanila toerana amintsika ao anatin’ny fitateram-bahoaka. Kanefa rehefa manangona ny herim-pontsika isika ka manombo-dresaka amin’ilay olona, dia valian-tsoa be dia be. Raha mahatsapa ny hatsaram-pon’Andriamanitra sy ny zavatra ilain’ny olona isika, dia ho afaka hanangona ny herim-po ilaina. Aoka tsy hohadinointsika tokoa fa “tsy nomen’Andriamanitra fanahy saro-kenatra isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.” — II Timoty 1:7, Osty.
Ny fandraisana ny mpitsidika
16. Nahoana isika no tokony ho mailaka hanamarika ny mpitsidika tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakanantsika?
16 Ny fomba fahenina hanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra sy Jesosy Kristy dia ny fandraisana ny olona tonga mitsidika ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Noho ny fitiava-namana, dia tokony ho mailaka isika hanamarika izay olona vaovao rehetra. Hiezaka isika amin’izany mba hanao izay tsy hahasakodiavatra azy ary hampiseho aminy fa miaraka amin’ny sakaiza izay miahy amim-pahatsorana ny fahasambarany ara-panahy izy. Azo inoana fa mihoatra noho ny fitiavana ta-hahafanta-javatra fotsiny no nitondra azy tao. Angamba noana sy mangetaheta marina ny fahamarinana izy. Raha karakaraintsika tsara izany olona izany, dia mety ho afaka hanomboka fianarana Baiboly any an-tokantranony isika, ka izany dia hanampy azy hizotra ho amin’ny lalan’ny fiainana (Matio 5:3, 6; 7:13, 14). Raha ny marina, dia miseho matetika izany. Ny misionera iray nivoaka avy tamin’ny kilasy voalohany tao Gileada, sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, dia nanamarika fa tao amin’ny Efitrano Fanjakana no nahitany ireo olona roa ampianariny ny Baiboly tena azo antenaina indrindra.
Ny fanambarana amin’ny alalan’ny taratasy
17. Inona ireo vokatra mety hoentin’ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny taratasy?
17 Fomba fahafito hisaorana an’Andriamanitra sy Kristy noho ny fitiavana nasehony tamintsika, dia ny fanoratana taratasy. Matetika ireo izay mampiasa io endriky ny fanaovana fanambarana io no maharay valin-teny manorina. Noho ny fahasalamany, ny minisitra manontolo andro sasany izay tsy afaka mitory isan-trano mandritra ny fotoana voafetra dia mampiasa an’io fomba io. Jereo ohatra izay niseho tamin’ity raim-pianakaviana iray raha nody tany an-tranony indray andro, ka nahita ny dimy tamin’ireo zanany roa ambin’ny folo nilomano tao anaty rany; novonoin’ny tovolahy nifanerasera tamin’ny iray tamin’ireo zanany vavy izy ireo. Very maina foana ny fitadiavany fiononana teo amin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana. Kanjo indray andro, dia nahazo taratasy avy tamin’ny olona iray tsy fantany izy, Vavolombelona iray izay namaky tao amin’ny gazety ny tantara mahatsiravina nitranga taminy ka naniry hampionona azy. Nampiarahany tamin’io taratasy io ny boky Fahamarinana. Izany indrindra no notadiavin’ilay lehilahy. Ankehitriny, ny tenany koa dia Vavolombelona be zotom-poa.
Ny fiantsoana an-telefaonina
18, 19. Fomba hafa inona fitoriana ny vaovao tsara moa no hitan’ny sasany fa mandaitra, ary nahoana?
18 Ny fiantsoana an-telefaonina no manolotra ny fomba fahavalo hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mihamahafinaritra sy mihamandaitra kokoa hatrany ihany ity endriky ny fitoriana ity; ary Vavolombelona mihamaro no mihamahita fahakingana amin’io endriky ny fanompoana io. Raha ny marina, dia manolotra tombontsoa maro izy io. Ny telefaonina dia mahatonga antsika ho afaka mifandray amin’ny olona tsy tratrantsika amin’ny asa isan-trano. Amin’ny fanaovana fanambarana amim-pahaiza-manavaka, amin-katsaram-po, ary amim-pahaiza-mandanjalanja sy amim-pahakingana, ny sasany dia nahazo fandraisana tsara kokoa mihitsy, noho izay mety ho azony raha nahita ireny olona ireny tany an-tokantranony izy.
19 Any amin’ny tany iray miteny anglisy, ny kongregasiona japone iray dia mampiasa ny diarin’ny telefaonina ho toy ny faritany. Ny mpitory dia miantso an-tariby ireo olona manana anarana japone ka mitsidika ireo izay naneho fahalianana avy eo. Fampianarana Baiboly am-polony maro no natomboka tamin’izany fomba izany.
Ny fanaovana fanambarana amin’ny alalan’ny fitondrantena tsara
20, 21. Inona ireo vokatra tsara mety hoentin’ny fitondrantenantsika? Hazavao amin’ny ohatra ny valin-teninao.
20 Amin’ny fitondrantenantsika tsara dia manana fomba fahasivy isika hiderana an’Andriamanitra. Ny mpanao gazety rosiana iray dia nanambara indray andro fa ny fitondrantenantsika tsara no toritenintsika tsara indrindra. Marina tokoa fa imbetsaka tamin’ny lasa ny gazety no niresaka ny amin’ny fitondrantena ambony ananan’ireo Vavolombelon’i Jehovah. Ohatra, nisy nanonona teny hoe “ny Vavolombelon’i Jehovah no miharihary fa olona marina indrindra any amin’ny Repoblika federaly” any Alemaina. Tamin’ny fiandohan’ny telo volana, ny zatovovavy kristiana iray dia nitondra ny bokikely miresaka ny sekoly ho an’ny mpampianany. Nolavin’io tamin’ny fomba henjana izany, tamin’ny filazana fa tsy te-hifampiraharaha na amin’inona na amin’inona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Kanefa araka ny fandehan’ny fotoana, ny fitondrantena tsaran’io tovovavy io dia nahatonga ny fiderana amin-kafanam-po avy tamin’ny mpampianany, izay nanova tanteraka ny fomba fiheviny ny Vavolombelona. Azo tononina koa ao anatin’izany hevitra izany, ny taratasy noraisin’ny Vavolombelona avy tamin’ny mpampianatra ireo zanany: “Ny zanakareo dia tsy azo lavina fa taratry ny fahombiazan’ny zavatra inoanareo.”
21 Ny zavatra tsara rehetra mety holazaina momba ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy azo lavina fa manome voninahitra an’Andriamanitra sy Kristy. Tsy mety ho hafa noho izany no izy. Moa ve Jesosy tsy nilaza tokoa fa tokony hampamirapiratra ny fahazavantsika eo imason’ny olona isika mba hahitany ny asa soa ataontsika ka hankalazany ny Raintsika any an-danitra (Matio 5:16)? Eny, amin’ny fitondrantenantsika tsara dia afaka mampahamendrika ny fahamarinana isika (Titosy 2:10). Raha tsara ny fitondrantenantsika, izany dia midera an’Andriamanitra sy Kristy, ary manampy olon-kafa mba hahita ny lalan’ny fiainana; izany no antony tokony hitandremantsika mafy mba tsy ho azo tsinina mihitsy izany.
22. Vao avy nodinihintsika ny fomba sivy azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Iza amin’ireo no hanaovanao fiezahana manokana, ary nahoana?
22 Araka ny vao avy nojerentsika, dia misy fomba maro azo anehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy Jesosy Kristy noho izay nataony ho antsika, indrindra noho ny porofon’ny fitiavany lehibe izay nomeny antsika. Azontsika atao koa miaraka amin’izany ny manaporofo ny fitiavantsika ny namantsika. — Marka 12:30, 31.
23. Farany, amin’ny fomba ahoana no azonao ampisehoana ny fankasitrahanao an’Andriamanitra sy Jesosy?
23 Farany, dia aoka tsy hohadinointsika fa azontsika aseho amin’ny fanatrehantsika ny sakafo harivan’ny Tompo ny fankasitrahantsika an’ireo porofom-pitiavana roa lehibe indrindra izay azo nomena. Ny alina farany naha-tetỳ an-tany an’i Jesosy tamin’ny naha-olombelona azy, dia nanorina sakafo fahatsiarovana isan-taona izy, izay voaforon’ny mofo sy ny divay, mampiseho ny nofony sy ny rany. Nandidiany mba hatao izany ho fahatsiarovana azy (I Korintiana 11:23-26). Amin’ity taona ity ny Sakafo harivan’ny Tompo dia ny alahady 12 aprily, aorian’ny filentehan’ny masoandro. Maneran-tany amin’io fotoana io ny Vavolombelon’i Jehovah dia hivory ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy. Aoka tsy hohadinoinao ny manatrika an’izany fisehoan-javatra izany!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Raha mitady fanazavana fanampiny dia jereo ny Réveillez-vous! tamin’ny 22 oktobra 1986, pejy faha-12 ka hatramin’ny faha-16.
Famerenana
◻ Taiza ary tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Jesosy fanambarana?
◻ Amin’ny fomba ahoana avy no azontsika ampisehoana ny fankasitrahantsika an’i Jehovah noho ny fitiavany lehibe, ho fanahafana an’i Jesosy?