Ny fandrosoan’ny asa any Gibraltar
TAZANA avy eo Gibraltar ny kianja — tokony ho iray kilaometatra sy sasany avy eo monja. Nandritra ny 13 taona mahery anefa, ireo mponina tao Gibraltar dia tsy maintsy nanao dia adiny folo fara fahakeliny mba hankanesana any. Tsy maintsy nandray sambo izy ireo, mba hankanesana ho any Afrika Avaratra aloha, avy eo dia mba hiverenana any Espaina, ary farany dia namita ny diany tamin’ny fiarabe izy ireo. Fa nahoana no manalavi-dalana be toy izany?
Tamin’ny 1969, Espaina nentin’i Franco dia nanidy ny sisin-tany teo amin’ny andilan-tany ety nampitohy an’i Espaina tamin’i Gibraltar. Izany dia vokatry ny ady nampifanohitra an’i Espaina sy Grande-Bretagne raha ny amin’ny raharaha momba ny fiandrianana ao amin’ny faritanin’i Rocher, araka ny iantsoana matetika an’i Gibraltar. Tsy vaovao anefa izany tarehin-javatra nampananosarotra izany ho an’ny mponina tao Gibraltar. Noho ny halehibeny amin’ny maha-toeram-pamaharana tsy manam-paharoa, Gibraltar dia toerana voaro mafy izay matetika no tafasaraka tamin’ireo tany teny amin’ny manodidina.
Tao am-piandohan’ny taonjato faha-8, dia nisy Maures notarihin’i Tarik nanafika an’io sila-tany io ka niantso azy hoe “djabal al-Tariq” (tendrombohitr’i Tarik), anarana izay niova hatramin’izay ho “Gibraltar”. Ny Maures dia nanamafy aoka izany an’i Rocher, izay manerinerina any amin’ny 430 metatra ambonin’ny ranomasina. Tao anatin’ireo taonjato, dia imbetsaka ny Maures sy ny Espaniola no nanafika azy. Tamin’ny farany ireo dia naka azy tamin’ny 1462 ary nijanona tao hatreo amin’ny 1704, daty nakan’ny Britanika azy sy nanorenany toeran’ny tafika an-dranomasina tao.
Ankoatra ny miaramila, dia nisy olona avy any amin’ny tany maro nanorim-ponenana tao amin’ny tanàna teo am-pototr’i Rocher. Gibraltar àry dia manana mponina maro karazana taranak’ireo mpiavy maures, espaniola, britanika, hebreo sy génois. Miteny espaniola sy anglisy izao ny ankamaroan’ny mponina.
Nahatratra an’i Gibraltar ny fahamarinana araka ny Baiboly
Amin’izao androntsika izao, dia tamin’ny lohataonan’ny 1958 no namafazana voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly voalohany indrindra tao Gibraltar. Vavolombelon’i Jehovah nandeha ho any Londres mba hamonjy fivoriambe no nanararaotra ny fijanonana kely tao amin’ny seranan’i Gibraltar mba hitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tao. Nisy mponina vitsivitsy nanaiky hanao famandrihana tamin’ny Ny Tilikambo Fiambenana.
Tamin’ny taona nanaraka, ny mpivady misionera iray dia tonga tany Gibraltar mba hanondraka izany “voa” izany. Nanaiky ny fitaoman’ireo mpitondra ara-pivavahana anefa ireo manam-pahefana ka nandroaka izany mpivady izany rehefa afaka roa taona. Niforona anefa ny antokon’olom-bitsy Vavolombelona 25, ka ny fiezahana nataony tamim-pahatokiana isan-taona isan-taona dia novalian-tsoa tamin’ny fitomboana hatrany. Ny isan’ireny mpitory ilay Fanjakana ireny dia tafakatra ho 132 tamin’ny martsa 1987. Tsy isalasalana mihitsy fa izany fitomboana izany dia porofon’ny fiaretana nasehon’ny kongregasiona teo anoloan’ireo zava-manahirana mampiavaka an’i Gibraltar.
Ny fitokanana: zava-manahirana tsy manam-paharoa
Nisy zava-nanahirana ara-toe-karena sy ara-tsosialy nitranga taorian’ny fanakatonana ny sisin-tany ka nanjary sarotra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny nivory niaraka tamin’ireo mpiray finoana taminy anisan’ireo kongregasiona espaniola teny amin’ny manodidina. Nandritra ireo 13 taona naharetan’ny fanaovana fahirano anefa, dia afaka nandray soa tamin’ny sakafo ara-panahy be dia be naroso tamin’ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ny distrika izy ireo. Natao foana ny fandaharana tatỳ aoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana any Gibraltar.
Fisedrana indrindra ny fitokanana an-tery ho an’ireo mpikambana tanora tao amin’ny kongregasiona. Voahidy tao amin’ny faritanin’i Gibraltar zara raha nisy 6 kilaometatra toradroa izy ireo ka tsy maintsy nitondra tena tamim-pahendrena mba hiatrehana ireo raharaha momba ny fanindrahindram-pirenena, ny fitiavana fatratra ny zavatra hita maso sy ny fanambadiana.
Ny raharaha ny amin’ny fanambadiana hoe? Eny, satria noho ny faritra iainany voafetra ho amin’ilay kongregasiona kelin’izy ireny, dia voafetra ny fahafahana hahita vady mety aminy. Ireo zazavavy kristiana anisan’ny kongregasiona dia notafihin’ny fanasana avy amin’ny zazalahy tanoran’izao tontolo izao, naniry ny hifanerasera tamin’izy ireny. Ireo Vavolombelona tanora tany Gibraltar àry dia tsy maintsy nandatsaka am-po ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly mananatra ny kristiana mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany”. — 1 Korintiana 7:39; jereo Genesisy 24:1-4.
Tsy niraharaha izany torohevitra avy amin’ny Mpanao ny fanambadiana izany ny Vavolombelona tanora iray ka nanomboka niaraka tamin’ny zazavavy iray tsy anisan’ny kongregasiona. Kanefa ny fanampiana be dia be nomen’ireo loholona azy tamim-paharetana dia nanosika azy hieritreritra kokoa ny amin’ireo loza nosetrainy. Farany, dia nilaza tamin’ilay sakaizany izy indray andro fa niraiki-po taminy tokoa, kanefa ny fahalalany ny Baiboly dia nanery azy hanapaka ny fiarahan’izy ireo. ‘Tiako ny hanambady zazavavy iray ho azoko iaraha-miaina mandrakizay, fa tsy taona vitsivitsy monja’, hoy ny fanazavana nomeny azy.
Na dia gaga sy nalahelo aza io sakaiza io dia liana ny hahafantatra izay nanintona azy kokoa noho ny fiarahana taminy. Tamin’ny farany, dia nanomboka nianatra ny Baiboly izy. Izay fahalianana hahafanta-javatra fotsiny teo am-boalohany dia niova ho fahalianana tamim-pahatsorana. Nandroso haingana tao amin’ny fahamarinana izy ary natao batisa. Rehefa avy nampiseho mazava toy izany ny faniriany hanompo an’i Jehovah ilay zazavavy, dia nanomboka nifanerasera taminy indray ilay Vavolombelona resahina. Fotoana fohifohy tatỳ aoriana dia nahita fifaliana izy ireo nivady, ka nijinja ireo fitahiana avy amin’ny fanajana ny torohevitr’i Jehovah mampiseho fahendrena momba ny fanambadiana.
Nanamora ny fitomboana teokratika ny fanokafana indray ny sisin-tany
Ny 14 desambra 1982 dia novohana indray ho an’ny mpandeha an-tongotra ny sisin-tany. Avy eo, ny 6 febroary 1985, dia naverina tamin’ny laoniny tanteraka ny fahafahana mandalo. Tsy nihenjana loatra intsony tamin’izay ny rivo-piainan’ny mponina. Nanararaotra an’io tarehin-javatra vaovao io ny kongregasiona teo an-toerana mba hampitomboana ny fandraisany anjara amin’ny asa fanaovana fanambarana sy mba hanararaotana ny fahafahana natolotra azy indray mba hiaraka amin’ireo fihaonambe. Azon’ireo olona liana ny fahamarinana natao izao ny nanombana kokoa ny fitiavana sy ny fifandrindrana manjaka amin’ireo fihaonamben’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Ohatra, ny lehilahy iray dia nanaiky hiaraka tamin’ireo zanany sy ny vadiny izay Vavolombelona hatramin’ny roapolo taona teo ho eo, ho any amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany iray nalamina tany Espaina. Nankasitrahany aoka izany ny fandaharana sy ny fiarahana tamin’ny Vavolombelona, hany ka tapa-kevitra izy ny hanatrika tamin’ny andro faharoa amin’ny fivoriambe. Tamin’ny faran’io andro io, ny Vavolombelona iray dia nanolotra ho azy, fianarana ny Baiboly any an-tokantrano. “Inona no tsy hanekena izany?” hoy ny navaliny, talohan’ny hanampiana teny hoe: “Ary raha atombotsika amin’ity herinandro ity?” Toy inona moa ny fifalian’ny vadiny izay nivavaka hatramin’ny taona maro mba hanaovany izany fanapahan-kevitra izany.
Mba hampiasana amin’ny fomba feno ireo fahafahana amboniny hitory atolotra azy, dia mihamaro ny Vavolombelona manao ny asan’ny mpitory maharitra mpanampy (izany hoe manokana 60 ora amin’ny fanompoana ampahibemaso izy ireny ao anatin’ny volana iray). Izany asa amin-jotom-po izany no manazava ny nanamarihan’ny kongregasiona fitomboana 35% nanomboka tamin’ny 1982.
Nandray anjara lehibe koa ny fanaovana fanambarana tampotampoka tamin’ny fitomboan’ny kongregasiona. Rehefa nisafo ny seranana tao anatin’ny faritry ny asany ny Vavolombelona roa, dia nahatsikaritra anankiray tamin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao tsy mora hita anefa, avy eo amin’ny varavaran-kelin-tsambolay kely iray. Notadiaviny avy hatrany ny tompon’io sambo io. Niharihary fa ny kapitenin’ilay seranana izany. Niara-nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io lehilahy io talohan’ny nanorenany fonenana tao Gibraltar vao haingana. Nanaiky an-tsitrapo ny hianatra ny Baiboly indray izy; nandroso haingana izy sy ilay vehivavy sakaizany. Tsy ela taorian’izany dia nanoratra ara-dalàna ny fanambadiany izy ireo ary natao batisa. Amin’izao fotoana izao izany mpivady britanika izany dia manao ny tapany lehibe amin’ny fanompoany ao amin’ny fitambaran’olona miteny anglisy. Nandray anjara tamin’ny fiforonan’ny antokom-pianarana izy tao Gibraltar.
Ireo Vavolombelona roa ireo dia nanomboka fianarana Baiboly niaraka tamin’i Tim sy Tracy, mpivady tanora nonina tao amin’ny trano lehibe fitoera-miaramila iray. Nitsoka trombôna tao amin’ny antoko-mpitsoka mozikan’ny miaramila i Tim, kanefa nanao fanapahan-kevitra ny hanokan-tena tanteraka amin’ny tombontsoan’ny Fanjakana milamin’i Jehovah. Nampihatra fanerena ny havana akaikin’io mpivady io mba hitaomana azy hitsahatra tsy hiaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanohy nianatra ny Baiboly anefa i Tim sy ny vadiny ary niorina mafy tao amin’ny finoana.
Nametra-pialana i Tim na dia nilatsaka ho ao anatin’ny fe-potoana nisy 6 taona aza. Koa satria toa nahemotra tsy nisy antony ny fandinihana ny raharaha momba azy, dia tapa-kevitra izy ny hiresaka tamin’ny mpitsabo ny miaramila. Nohazavainy taminy fa ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny ho avin’izy ireo dia nisy vokany teo amin’ny vadiny. Takatr’ilay mpitsabo ny zava-nanahirana ka nampihatra ny fitaomany izy mba hanafainganana ny fandinihana ny fangatahana. Fotoana fohy taorian’izany, dia nalefa niaraka tamin’ny antokony ho any Angletera i Tim, ka tany dia nekena ny fangatahany fialana tamin’ny farany. Manompo an’i Jehovah amin’ny maha-Vavolombelona vita batisa izao izy mivady.
Fahatsinjovana ny ho avy
Koa satria nivoha ny sisin-tany, ireo Vavolombelona any Gibraltar dia manana fahafahana hanampy ireo kongregasiona espaniola eny amin’ny manodidina. Mitory manaraka ny Costa del Sol (Moron-tsiraky ny masoandro) malaza onenan’ny olona maro miteny anglisy izy ireo.
Na dia tsy mbola voalamina foana aza ny “raharahan’i Gibraltar” amin’ny fiheverana ara-politika, ireo Vavolombelon’i Jehovah any Gibraltar sy Espaina dia tafaray tanteraka eo amin’ny lafiny ara-panahy sahala amin’ny maha-izany ny maneran-tany rehetra. Mametraka ny fitokisany amin’ilay “Vatolampy” manana hery mandrakizay izy ireo, ka mandray indray ireto tenin’ny mpanao salamo ireto: “Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah; aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika.” — Salamo 95:1.