Mifanohitra ve ny teny ao amin’ny Baiboly?
“ANDRIAMANITRA tsy mahay mandainga”, hoy ny filazan’ny Baiboly (Hebreo 6:18, MN ). Ahoana àry no mety hahafeno fifanoheran-javatra miharihary ny bokiny no sady mbola hiantsoana azy koa ho ny Tenin’Andriamanitra? Tsy mety izany. Raha izany no izy, nahoana anefa no misy ireny fifanoheran-kevitra ireny?
Marina aloha fa ao amin’ny boky iray izay nanaovana kopia hatrany hatrany tamin’ny tanana nandritra ny taonjato maro sy nitaky ny handikana azy amin’ireo fiteny nahazatra tamin’izany, dia nisy soratra tsy nitovy sasany tafatsofoka, araka ny azo nampoizina. Kanefa, ny isa sy ny fitsofohan’izy ireny dia tsy ampy mba hiadiana hevitra ny amin’ny maha-ara-tsindrimandry sy manana fahefana ny Baiboly manontolo. Rehefa dinihina akaiky ireny toa fifanoheran-kevitra ireny, dia ahitana fanazavana mahafapo. Matetika loatra tokoa, ireo izay manizingizina fa mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly, dia tsy mba nandalina akory ilay raharaha. Mianina fotsiny amin’ny fandraisana ho azy, hevitra iray notononin’ireo izay tsy mino ny Baiboly na tsy maniry ny hitarihan’izy io ny fiainany izy ireny. “Izay mamaly teny mbola tsy re, dia hadalana sy henatra ho azy izany”, hoy ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 18:13.
Toherina indraindray fa ireo mpanoratra ny Baiboly dia toa tsy mifanaraka foana ohatra, eo amin’ny isan-javatra, ny filaharana ara-tantara na ny filazana mazava ireo teny nalaina. Aoka anefa isika hieritreritra kely: Raha tsy maintsy niangavy olona maromaro ianao mba hilazalaza zava-nitranga iray natrehin’ny tenany, moa ve izy ireo hilaza hevitra amin’ny fomba mitovy tsy misy diso ary hanome tsipirian-javatra mitovy ve izy? Raha izany no nitranga, moa ve ianao tsy hiahiahy azy ireo ho niara-namorona ireo hevitra? Sahala amin’izany koa, Andriamanitra dia namela ireo mpanoratra ny Baiboly hihazona ny fomba fanorany sy fiteniny, sady niahy ihany koa ny amin’ny hampitana amim-pahamarinana ireo heviny sy ireo fisehoan-javatra tena lehibe.
Ireo mpanoratra nanonona teny taloha dia nety ho nanalavitra kely ny soratra tany am-boalohany arakaraky ny zavatra nilainy na ny zava-nokendreny, kanefa tamin’izany izy ireny dia niaro ny fisainana sy ny hevitra voalohany. Nanao toy izany koa izy mba hanangonana ireo zava-nitranga. Azon’ny anankiray natao ny nanaraka tamin’ny fomba hentitra ny filaharana ara-tantara, raha mbola nametraka ireo zava-nitranga, araka ny fatorana nampifandray azy ireny tamin’ireo hevitra ambarany ny hafa. Toy izany koa, ny mpanoratra iray dia namela teny sasany arakaraka ny fomba nahitany ny zavatra sy raha toa ka tsy maintsy somary nilaza ny fitantarany tamin’ny teny vitsy izy. Ohatra, Matio dia niresaka ny amin’ny jamba roa nositranin’i Jesosy, fa i Marka sy Lioka kosa tsy manisy firesahana afa-tsy ny amin’ny iray ihany (Matio 20:29-34; Marka 10:46; Lioka 18:35). Tsy mifanohitra amin’ny an’i Marka sy Lioka akory ny fitantaran’i Matio; hentitra kokoa fotsiny izy teo amin’ny tarehi-marika, fa i Marka sy Lioka kosa dia mampifantoka ny sainy amin’ilay anankiray tamin’ireo lehilahy roa niresahan’i Jesosy.
Nisy ihany koa fomba maromaro fanisana ny fotoana. Nampiasa fanisanandro roa ny firenena jiosy: ny fanisanandro ara-pivavahana sy ny fanisanandro sivily, na momba ny fambolena. Tsy niara-nanomboka tamin’ny fotoana iray ihany tao anatin’ny taona ireo. Raha milaza zava-nitranga iray ihany amin’ny volana na andro samy hafa ny mpanoratra sasany, dia angamba fotsiny noho izy ireo nampiasa fanisanandro roa. Koa satria ireo mpanoratra tatsinanana mahalana vao nampiasa ny ampaha, ireo taona voazarazara dia nisaina sahala amin’ny taona manontolo. Noboriborina ho amin’ny isa manontolo akaiky indrindra izy ireny. Izany ohatra no voamarina ao amin’ny fitohitohizam-pirazananana ao amin’ny Genesisy toko faha-5.
Aoka isika hampifanaraka ireo “fifanoheran-kevitra”
Kanefa, moa ve ao amin’ny Baiboly tsy misy teny mifanohitra marina tokoa? Andeha isika handinika toe-javatra sasantsasany noraisin’olona mpanaratsy ny Baiboly.
Ao amin’ny Jaona 3:22, dia vakintsika fa “nanao batisa” Jesosy; lavidavitra kokoa, ao amin’ny Jaona 4:2 dia voalaza fa “tsy Jesosy no nanao batisa”. Kanefa araka ny asehon’ireo teny manodidina, Jesosy dia niaraka tamin’ny mpianany, ary izy ireo no nanao batisa tamin’ny anarany sy teo ambany fitarihany. Izany dia toe-javatra azo ampitahaina amin’ny an’ny mpanao raharaha iray sy ny mpitantsorany izay samy afaka manamarina fa nanoratra taratasy iray ihany.
Manaraka izany, ny teny ao amin’ny Genesisy 2:2 dia milaza fa Andriamanitra nitsahatra “tamin’ny asany rehetra”. Ampifanoherina amin’io ny fanamarihana nataon’i Jesosy voarakitra ao amin’ny Jaona 5:17, rehefa nilaza izy fa Andriamanitra dia “miasa [tsy an-kijanona, MN ] mandraka ankehitriny”. Asehon’ny teny manodidina anefa eo amin’ilay fitrangan-javatra voalohany fa izany dia asa famoronan’Andriamanitra indrindra, fa eo amin’ilay faharoa kosa dia asa natao hitarihan-dalana ny olombelona sy hikarakarana azy.
Ahitana toa fifanoheran-kevitra hafa iray koa ao amin’ny Eksodosy 34:7 sy ny Ekeziela 18:20. Ilay andinin-teny voalohany dia manantitrantitra fa Andriamanitra dia hamaly “ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika”; milaza kosa ny faharoa fa “ny zanaka tsy mba hitondra ny heloky ny rainy”. Nahoana ireo teny ireo no toa mifanohitra? Satria noraisina ivelan’ny teny manodidina azy izany. Diniho izao, dia ho hitan’ny tenanao mihitsy fa rehefa niteny Andriamanitra fa hamaly heloka, tsy amin’ny ray ihany, fa amin’ny zanaka sy ny zafy koa, dia nampahatsiaro izay hiaretan’ny Isiraelita izy, amin’ny maha-firenena raha nanota taminy izy ireo ka nentina ho babo. Etsy an-danin’izany, rehefa nanambara izy fa tsy hatao ho tompon’Andraikitra amin’ny heloka nataon’ny rainy ny zanaka, dia nilaza ny amin’ny andraikitra manokana izy.
Mbola ahitana tsy fitoviana ihany koa eo amin’ny fitantarana ny fahaterahan’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Matio 1:18-25 sy ao amin’ny Lioka 1:26-38. Kanefa, moa ve izy ireo mifanohitra?
Efa mba namaky tantaran’olo-malaza iray nataon’olona anankiroa ve ianao? Raha eny, nomarihinao ve fa samy hafa izy ireo na dia tsy voatery hifanohitra aza? Matetika, ny zava-drehetra dia miankina amin’ny fihetseham-po manokan’ilay mpanoratra na ny loharano nanovozany; na koa izay heveriny ho zava-dehibe ny milaza azy, ny fomba anehoany ny zavatra ary ny vahoaka tiany hanoratana ny bokiny. Izany no antony maha-hafa ny fitantarana nosoratana ho an’ny Jentilisa noho izay nokendrena ho an’ny mpamaky teny jiosy, izay efa nahafantatra sy nanaiky zava-nitranga sasany.
Ireo dia ohatra vitsivitsy monja ny amin’ireo fizarazarana ao amin’ny Baiboly izay, raha tsy misy fandinihana amim-pitrandremana, dia toa mifanohitra. Raha dinihina amim-pitandremana anefa izy ireny, amin’ny fiheverana ireo teny manodidina azy sy ny fomba ahitan’ny mpanoratra ny zavatra, dia manatsoaka hevitra avy amin’izany ny tena fa tsy fifanoheran-kevitra velively izany fa andinin-teny mitaky fikarohana hafa fotsiny. Tsy manao izany fiezahana tena ilaina izany ny ankamaroan’ny mpamaky; mora tokoa amin’izy ireny no miteny hoe: “Mifanohitra ny teny ao amin’ny Baiboly.”
Mendrika ny fitokisantsika izy io
Nanome ho an’ireo mpanoratra ny Baiboly fahafahana lehibe eo amin’ny fomba fanorany ny fanahy masin’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 3:21). Tamin’izany no nahazoan’izy ireny nanome sary miloko ambony ny amin’izay hitany. Ny fahasamihafan’izy ireo anefa dia tsy manao afa-tsy ny manampy ny maha-azo itokiana sy marina azy, satria tsy azo atao ny miampanga azy ho mpamitaka ny mpiray tsikombakomba (2 Petera 1:16-21). Na dia nampiasa fampisehoana samy hafa aza ireo mpanoratra dia samy nikendry lalan-kizorana iray ihany sy nanan-java-kendrena iray ihany: haneho amin’ny olona ny fomba hanaovan’Andriamanitra izay hahasambatra ny olombelona, hanazava aminy izay tokony hataon’ny tenany mba hahazoana ny fankasitrahany. — Ohabolana 2:3-6, 9.
Ny Baiboly dia boky iray mitaky ny fahaizantsika mamakafaka. Mifanaraka hatraiza hatraizy izy; tsy mifanohitra ny teny lazainy. Mendrika ny fitokisantsika feno ireo bokiny 66, iero tokony 1189 ary ireo andininy 31173 ao. Eny, azonao atao ny manana fitokisana ny Baiboly!
[Efajoro, pejy 6]
Raha mahita “fifanoheran-kevitra” ao amin’ny Baiboly ianao, moa ve mety ho
◆ tsy fantatrao ny andinindininy ara-tantara sasany na ny fomba amam-panao tranainy sasany?
◆ tsy noheverinao ireo teny manodidina?
◆ tsy fantatrao ny fomba nahitan’ny mpanoratra ny zavatra?
◆ nandramanao ny hampifanaraka hevitra ara-pivavahana diso amin’izay tian’ny Baiboly holazaina marina?
◆ nampiasa fandikan-tenin’ny Baiboly tsy marina na tranainy ianao?
[Sary, pejy 7]
Nilaza i Matio fa nanasitrana jamba roa i Jesosy. Marka sy Lioka tsy nilaza afa-tsy iray. Fifanoheran-javatra ve izany?