Fotoam-pijinjana any amin’ny tanin’ny ranomandry sy orampanala
TENA tanin’ny ranomandry sy ny orampanala tokoa i Groelanda, ilay nosy lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao. Ny tapany lehibe amin’io nosy manana halavana efa ho 2 700 kilaometatra io, dia any avaratry ny faribolana arktika, rakotry ny ranomandry maharitra mahatratra 1 500 metatra ny hateviny amin’ny antsalany. Rakotry ny orampanala eo amin’ny dimy ka hatramin’ny valo volana isan-taona na mahery aza, ny tapany sisa amin’i Groelanda. Lazaina fa ireo mpizaha tany mbola tsy fantatra Viking voalohany no niantso azy hoe Groelanda (Tany maitso) mba hanintonana ny mpanjana-tany. Kanefa dia tena mendrika ilay anarana ny morontsiraka sasany mandritra ny fahavaratra fohy.
Amin’ny lohataona, dia mitresaka ny ranomasina mandry avy amin’ny morontsiraka avaratra atsinanan’i Groelanda ary mipoitra ny vongan-dranomandry (iciberg). Midina manaraka ny morontsiraka atsinanana ireo vongan-dranomandry vaky ireo, manaraka ny tanjon’i Farvel ary miakatra eo amin’ny tapan’ny morontsiraka andrefana ka mampananosarotra aoka izany ny fivezivezena an-dranomasina mandritra ny volana maro amin’ny farany. Amin’ny ririnina, dia mandry ny ranomasina saika manodidina ilay nosy manontolo, ka mahatonga ny faritra misy mponina hitokana. Tapahin’ny ranomandry ara-bakiteny ny tany, ny ranomasina, ary ny fomba fiainan’ny mponina. Sarotra ny maka sary an-tsaina izay mety ho azo jinjaina ao amin’io tany io.
Fanombohana
Niaina toy ny mpihaza hatramin’ny taonjato maro tany Groelanda ny Eskimô nahazo kolontsaina Inuit. Tonga tany tamin’ny naha-misionera i Hans Egede, mpitandrina Loteriana, tamin’ny taona 1721. Tatỳ aoriana, dia niasa tao amin’ny zanatany maro ny Misiona Moraviana. Nandika boky sasany ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny eskimô ny sasany tamin’ireo misionerany, ary notazoniny ao amin’ny fandikan-teniny ny anarana manokan’Andriamanitra, Jehovah. Nanomboka tamin’ny 1900 anefa, dia ny Fiangonana Loteriana Danoa ihany no niasa tany Groelanda.
Tamin’ny 1953, raha mbola zanatanin’i Danemarka i Groelanda, dia nisy zava-nitranga lehibe. Nifanaraka tamin’ny Lalàm-panorenana Danoa vaovao izay nanomboka nanan-kery tamin’io taona io, dia nomen-dalana tao Groelanda indray ireo antokom-pivavahana hafa ankoatra ny Fiangonana Loteriana. Noho izany, tamin’ny Janoary 1955, dia tonga tamin’ny naha-misionera ny roa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah avy tany Danemarka. Ny faritaniny dia faritra lava eo amin’ny 2000 kilaometatra manaraka ny morontsiraka atsimo andrefana izay onenan’ny ankamaroan’ny Groelanday, mponina miisa ho 27000, saika mpihaza sy mpanjono ny ankamaroany.
Mitantara toy izao i Kristen Lauritsen, ny iray tamin’ireo Vavolombelona roa: “Azo lazaina fa tsy nahay na inona na inona tamin’ny fiteny Groelanday izahay, nefa dia naniry fatratra ny hampianatra ireo Groelanday ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanana taratasy mivalona vitsivitsy tamin’ny fiteny eskimô izahay, ary tonga taoriana kokoa, tamin’iny taona voalohany iny, ilay bokikely hoe ‘Ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity’.” Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’izy ireo ny asa fitoriana?
“Tamin’ny voalohany dia nampiasa karatra misy soratra vita printy manazava ny anton-dianay izahay. Tatỳ aoriana anefa izahay, dia nianatra tsianjery fehezanteny vitsivitsy. Natao an-tsambo mandrakariva ny fivezivezena amin’ireo tanàna, nefa dia fitaterana tena tsy ara-potoana izany, satria tsy tena misy orany. Fanandraman-javatra nahazatra ny tsy fahatantesana sambo. Nahita zava-manahirana koa izahay teo amin’ny fitadiavana trano hipetrahana. Matetika no voatery nianina tamin’ny trano lay izay nentinay foana niaraka tamin’ny entanay izahay.
Nisy setriny ihany anefa izany. Olona tsara fanahy sy tia mampiantrano vahiny ny Groelanday. Voajanahary ao aminy ny finoana an’Andriamanitra sy ny fanajana ny Baiboly. Saika ny tokantrano rehetra no manana ny Baiboly manontolo amin’ny fitenin’ilay tany. Mitantara i Kristen fa indray andro dia nisy zazavavy kely nanatona azy niaraka tamin’ny taratasy kely nilaza hoe: “Raha mbola tsy nahita trano hitoerana ianareo, dia tongava atỳ aminay.” Nanampy azy ireo hahita toerana handefasana sarimihetsika an’ny Fikambanana koa io fianakaviana io.
Tonga ny fanampiana
Tamin’ny 1961, dia nisy fianakaviana avy tany Danemarka nanomboka nifindra tany Groelanda mba hanompo any amin’izay nilàna Vavolombelona maro kokoa. Nanao fiezahana mendri-piderana izy ireo mba hianarana ny fiteny eskimô izay faran’izay sarotra, sy mba hizakana ny fahalaviran’ireo namany kristiana. Nanao fivoriana tsy tapaka izy ireo ka natanjaka tamin’ny finoana sy ny asa kristiana. Tsy very maina velively akory ny asa mafy nataony. Tamin’io taona io, dia niorina tao Groelanda ny kongregasiona roa voalohany, ny iray tao Nuuk (Godthàb), renivohitra, ary ny iray hafa tao Qaqortoq (Julianehàb) atsimo kokoa. Nitondra fifaliana lehibe ho an’ireo Vavolombelona ny nahafantatra fa natao batisa ny Groelanday sasany nifindra monina nankany Skandinavia!
Nandritra ireo taona 70, dia tonga ny mpivady mpitory maharitra manokana maromaro, tanora sady be zotom-po, tena mpamakilay amin’ny asa fanaovana fanambarana. Tamin’ny 1973, dia azo nampiasaina tamin’ny fiteny eskimô ny Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Ampy fitaovana tsara toy izany ireo mpitory maharitra raha namakivaky ny morontsiraka, nitsidika ireo tanàna sy vohitra, ary namafy tamim-pahalalahan-tanana ny voan’ny fahamarinana. Vao voalohany tamin’izay no nahatratraran’ny asa fitoriana ny faritra mitokan’ny morontsiraka atsinanana, manodidina an’i Ammassalik (Angmagssalik). Fifaliana re izany, rehefa nanaiky ny fahamarinana tao amin’ny taniny tamin’ny farany ny Groelanday iray, tamin’io taona io!
Fotoam-pijinjana amin’izay!
Arakaraka ny namoahana boky fianarana Baiboly vaovao amin’ny fiteny eo an-toerana no nametrahana zavatra vita an-tsoratra maro kokoa. Ohatra, tsy mahalana ny mpivady Vavolombelona mitory any amin’ny faritany mbola tsy niasana no mametraka, mandritra ny herinandro vitsivitsy, boky 300 ka hatramin’ny 400, bokikely mitovy isa amin’izany sy gazety 1000, ary mahazo koa famandrihana 60 na 70.
Ho vokatr’izany famafazana sy fanondrahana rehetra izany, dia ‘nampitombo Andriamanitra’ na teo amin’ny teratany Groelanday izany, na teo amin’ireo Danoa nipetraka tany Groelanda (1 Korintiana 3:5-7). Amin’izao fotoana izao, miely patrana manerana an’io tanin’ny ranomandry sy orampanala io, dia misy mpitory 117 manompo ao amin’ny kongregasiona fito sy antokon’olom-bitsy iray. Andeha isika hifankahalala amin’ny sasany amin’ireny mpiasa mazoto ireny.
Fitsidihana eny amin’ny saha Groelanday
Ny toerana tsara hanombohana dia ny kongregasiona farany atsimo, dia ny an’i Qaqortoq (Julianehàb). Nandao an’i Danemarka ny fianakaviana dimy mba hanompo ao amin’io tanàna io. Niasa mafy ny sasany tamin’izy ireo mba hianarana ny fiteny eskimô mba hahafahana manao fanambarana amin’ireo Groelanday tsy mahazo ny fiteny danoa. Hoy i Flemming, raim-pianakaviana sady mpitory maharitra (mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) hoe: “Midadasika be ny faritaninay. Tafiditra amin’izany ny tanànan’ny mpanjono maro sy toeram-piompiana ondry miorina eo amin’ireo helodranomasina tery (fjord) maro be amin’ny morontsiraka atsimo.” Mampiasa ny botriny manokana mandeha maotera ireo Vavolombelona mba hitsidihana ny mponina any amin’ireny toerana any an-kodahoda be ireny, ka manao dia lavitra mahatratra 650 kilaometatra.
Rehefa avy mamakivaky an-tsambo mandritra ny adiny telo ny helodranomasina tery marevaka isika dia tonga ao amin’ny kongregasiona manaraka, ao Narssaq. Fianakaviana tokana misy mpitory ilay Fanjakana efatra monja no mipetraka eto. Na dia mitokana aza izy ireo, dia afaka mifampahery sy mifampandroso ara-panahy noho ny fahazarana mianatra tsara sy noho ny tsy fanapatapahany fivoriana sy fanompoana kristiana.
Izao isika dia miondrana amin’ny sambo mpitondra olona amorontsiraka izay mandalo isan-kerinandro mandritra ny lohataona. Aorian’ny dia maharitra 24 ora, dia tonga eto Paamiut (Frederikshàb), izay misy Vavolombelona folo, isika. Teo an-tenatenan-dalana anefa, dia nandalo vohitra misy mpitory mitokana roa isika. I Ane Marie no iray aminy. Manan-janakalahy any Nuuk izy; nahalala ny fahamarinana taona vitsivitsy lasa izay izy ireo, ary nanomboka nanao fanambarana taminy an-telefaonina sy an-taratasy. Nankamamy izay nambaran’ny zanany taminy izy. Tamin’ny famakiana izay rehetra azony tamin’ny fiteny eskimô sy tamin’ny fihainoana ny horonam-peon’ny Vavolombelona Groelanday mitantara ny zavatra niainany no nahatonga an’i Ane Marie hiandany amin’ny fahamarinana. Efa maherin’ny 60 taona izy rehefa afaka tamin’ny sigara, fahazarana efa naharitra 50 taona, nitsahatra tsy nankalaza ny Noely sy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana, nanomboka nitory tamin’ny iray tanàna, ary izany dia tsy nisy fanampiana avy tamina kongregasiona eo an-toerana. Ho vokatry ny fiezahany tamim-paharetana sy ny ohatra tsara nomeny, dia olona liana eo amin’ny folo no mivory tsy tapaka mba hianatra Baiboly sy hihaino horonam-peon’ny fivoriana kristiana.
Ilaozantsika i Paamiut mba ho tody any Nuuk, aorian’ny famakivakiana ny ranomasimbe misamboaravoara mandritra ny 14 ora. Ao amin’io renivohitra manana mponina 13000 io no misy mpitory 43 ao amin’ny kongregasiona, ka maherin’ny ampahatelony no Groelanday. Atao amin’ny fampifangaroana ny fiteny danoa sy eskimô ny fivoriana isan-kerinandro ka izany dia mitaky fiezahana avy amin’ireo antoko roa miteny ireo fiteny ireo.
Raisintsika indray ny sambo mpitondra olona amorontsiraka, izay hitondra antsika any Maniitsoq (Sukkertoppen) aorian’ny dia maharitra adiny valo. Eto, dia misy fianakaviana efatra avy any Danemarka miara-miasa amina mpitory Groelanday vitsivitsy. Voatetin’izy ireo tsara aoka izany ny tanàna sady betsaka tokoa ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly napetrany ka manana ny Ny Bokiko misy fitantarana avy ao amin’ny Baiboly amin’ny teny eskimô ny tokantrano iray amin’ny roa. Mandamina fandehanana mitory tsy tapaka any amin’ireo tanàna mitokana amin’ny botriny mandeha maotera koa izy ireo.
Manohy mianavaratra isika, ka ny fijanonantsika manaraka dia i Sisimiut (Holsteinsborg), afaka adiny folo atỳ aoriana. Fianakaviana danoa dimy sy mpitory tompon-tany vitsivitsy no mahaforona ny kongregasiona eto. Avy eto ny mpivady mpitory maharitra manokana no mandeha mitsidika tsy tapaka ny morontsiraka atsinanana. Ilainy amin’izany ny mandeha helikôptera antsasak’adiny mandra-pahatonga eo amin’ny seranam-piaramanidina, avy eo dia mandeha fiaramanidina adiny roa eo ambonin’ny tendrombohitra rakotry ny ranomandry eo afovoan-tany, ary mandeha helikôptera hafa indray mba hamakivakiana ny helodranomasina hatrany Ammassalik, eo amin’ny morontsiraka atsinanana. Mahatalanjona tokoa ny endriky ny faritra eo — tendrombohitra maranidranitra manerinerina eo ambonin’ny lohasaha rakotry ny ranomandry. Mandray tsara ny hafatra momba ny Fanjakana ny olona, saingy amin’izao aloha, dia mbola vitsy izy ireo no miandany amin’ny fahamarinana.
Rehefa miverina amin’ny fiaramanidina eo ambonin’ny tendrombohitra rakotry ny ranomandry isika, dia tonga eo amin’ny fijanonantsika farany, dia i Ilulissat (Jakobshavn) izay misy ny kongregasiona farany avaratra. Ilulissat dia teny eskimô izay midika hoe “vongan-dranomandry”, ary tena anarana mety izany. Tsy lavitra eo no misy ny lohasahan-tendrombohitra feno ranomandry mamokatra be indrindra amin’ny ila bolantany Avaratra, ary hita mitsinkafona manerana ny hoala sy ny helodranomasina tery ny vongan-dranomandry, ka mahatonga ny endriky ny faritra hahavariana. Fianakaviana danoa enina sy mpivady Groelanday no mahaforona an’io kongregasiona tena mazoto miasa io. Ankoatra ilay tanàna sy ny manodidina ny hoalan’i Disko, dia azy ireo ny faritany izay azo inoana fa ny faritra farany avaratra indrindra eo amin’izao tontolo izao itorian’ny Vavolombelona, satria tonga hatrany amin’ny vohitr’i Kullorsuaq (Ankiben’ny Devoly), efa ho 75° amin’ny fehintany Avaratra izany.
Mitsidika tsy tapaka an’io faritra lavitra io ireo mpitory maharitra manokana ao Ilulissat, mitory amin’ny mponina ao Upernavik sy Uummannaq. Izao no nambaran’i Bo sy i Helen: “Nitoetra ho paradisa tsy nokasihina ireo faritra midadasika any avaratra ireo. Mivelona amin’ny fihazana kokoa noho ny amin’ny fanjonoana ny mponina izay miely patrana. Tso-piaina ny olona, ary tsy dia manahy firy ny amin’ny ampitso. Maro no liana amin’ny zavatra ara-panahy. Mihaino an-tsitrapo ny hafatra entinay ho azy izy ireo.” Ny fotoana ihany no hilaza raha hiaraka amin’ny hany “andiany” marina tarihin’ilay ‘Mpiandry tokana’, dia Jesosy Kristy ireo olona manana fon’ondry ireo. — Jaona 10:16.
Mpitory maharitra danoa ihany no niasa tao amin’io faritra io, nefa manana sarimihetsika “video” nataon’ny Groelanday valo any Nuuk mampahafantatra amin’ny ambangovangony ny zavatra inoana sy ny fomba fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. Rehefa nampiasa izany teo amin’ny fanompoany isan-trano ireo mpitory maharitra, dia tena nahatonga ny olona hifanakalo hevitra sy hampipoitra fanontaniana faran’izay betsaka, indrindra mikasika ny tsy fankalazantsika ny Noely sy ny tsy fanaovantsika batisan-jazakely. Aoka holazaintsika koa fa boky teo amin’ny 200 no voapetraka nandritra ireo herinandro efatra naharetan’ny dia vao nolazalazaina teo.
Mitohy ny fijinjana
Mitohy ny fijinjan’ilay fanjakana na dia eo aza ny hamafin’ny toetr’andro sy ny fefy noho ny fiteny. Groelanday maro no mianatra ny fiteny danoa mba handraisan-tsoa avy amin’ireo fivorian’ny kongregasiona misy azy. Mihamaro kosa anefa ny fivoriana atao amin’ny fiteny eskimô, ka mamela olona betsaka kokoa hahazo io sakafo ara-panahy io.
Ohatra, na dia natao tamin’ny fiteny danoa aza ny fandaharan’ny fivoriamben’ny distrika tamin’ny 1988, “Ny fahamarinan’Andriamanitra”, tany Nuuk, dia teo amin’ny ampahatelony no nadika tamin’ny fiteny eskimô. 163 no isan’ny mpanatrika tamin’ny fitambarany. Tsy maintsy nanao dia nandritra ny roa andro avy na ireo solontena avy any amin’ny kongregasiona farany avaratra any Ilulissat, na ireo avy any amin’ny kongregasiona farany atsimo any Qaqortoq. Olona efatra no natao batisa tamin’io fivoriambe io.
Tsara ve ny fahatsinjovan-javatra ho an’ny fijinjana ho avy? Tena tsara tokoa! Tamin’ny 1989, dia fifaliana ny nahita olona 205 nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Amin’izao fotoana izao, dia maherin’ny 100 ny fampianarana Baiboly any an-tokantrano tarihina. Eny tahin’i Jehovah betsaka tokoa ny asa mafy ataon’ny mpanompony ao amin’io tanin’ny ranomandry sy ny orampanala io.